Fampianarana Soratra Masina « NY BOKY ISAIA »

book_of_isaiah

FITARIHANTENY

Ny KMSL dia nanapaka fa bokin’ny Romana no ianarana amin’ity taon-jobily ity. Isika FIFIL dia nanomboka mianatra ny bokin’i Isaia satria isika manana ny teny faneva hoe: “Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.” Isa.49:16, hitarihana ny Zaikabe VII any Antsiranana amin’ny 7-12 Aogostra 2018.

Hojerentsika mandritra ny oratelo ato anatin’ny telo andro ireo venti-javatra tsara ho fantatra avy amin’ny fitarihanteny momba ity bokin’Isaia ity. Volana maromaro no ilaina raha hampianatra ny bokin’Isaia any amin’ny Seminera nefa tsy ho maivana na kely akory izay hatolotra antsika amin’izao fotoana fohy izao. Ny hamoaka ny hafatra sarobidy entin’ny Filazantsaran’Isaia no imasoantsika eto fa tsy ireo fikirakirana siantifika izay mety manozongozona FINOANA.

Ho dinihintsika mandritra izao fotoana voafetra izao ireto zavatra vitsivitsy ireto: Ny Mpaminany, indrindra ny amin’Isaia. Ireo tontolon’ny faminaniana nampitenenana sy niasan’Isaia. Hasongadina manaraka izany ny Vontoatin’ny hafatra entin’ny bokin’Isaia na dia tsy ho voalaza manontolo aza. Izay isika vao hijery ny fizaran’ny boky ka hisy dingana maromaro izany. Natao hanamorana ny fahatakarana ny hevitra ampitain’i Jesosy fa tsy natao hampisehoana ny fatram-pahalalana. Hitondra fanazavana momba ireo toko vitsivitsy isika. Tsy hiresaka mihitsy ny Isaia voalohany na ny momba ny mialoha ny fahababoana fa handinika kosa ny Isaia faharoa. Tsy ho vitantsika daholo anefa ireo fa hisy ampahany kely hohazavaina.

Hasongadintsika manokana ny toko faha-49 izay misy ny teny fanevantsika FIFIL miatrika ny Zaikabe faha-VII.

NY MPAMINANY

Ny Mpaminany no mpitondra mivantana ny hafatr’Andriamanitra na mpitondra ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny vahoakan’ny Israely. Mety hilaza ny zavatra ho avy izy amin’izany. Mety hilaza ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny ankapobeny. Adidin’ny Mpaminany koa ny manazava sy mampihatra ny lalana amin’ny toe-javatra iainan’ny olona. Hafa noho izy ireo anefa ny Mpisorona sy ireo Mpanora-dalana na ny mpianatra ny lalana.

Antsoina koa hoe Mpahita, na mpitondra ny hafatr’Andriamanitra, na olon’Andriamanitra ny Mpaminany,  na mpanompon’Andriamanitra. Ny Mpaminany koa no mampahafantatra amin’ny olona ny maha Izy Azy an’Andriamanitra, ny sitrapony ary ny asany. Fitaovana mahomby hampifandraisana an’Andriamanitra sy ny olona araka izany ny Mpaminany.

Manatanteraka ny asany amin’ny alalan’ny faminaniana am-bava na an-tsoratra izy ireny. Fa manao izany koa amin’ny fanehoana fihetsika misy dikany eo amin’ny tantara ahafantarana an’Andriamanitra sy ny asany. Fa mety ho mitantara zavatra tsotra koa izy ireny hanehoany mazava ny sitrapon’Andriamanitra.

Iray amin’ireny ny Mpaminany Isaia. Jehovah no Mpamonjy no hevitr’izany anarany izany. Fiasana mehery teo an-tanan’Andriamanitra Isaia ka nitory sy nanamabara tokoa ny FAMONJEN’I JEHOVAH. Manana ny lazany mihitsy ny sorany na dia tsy fantatra loatra aza ny fiainany. Laharana voalohany ao amin’ny bokin’ny faminaniana izy araka ny Baiboly Hebreo. Laharana voalohany koa amin’ireo Mpaminany lehibe raha ao amin’ny Testamenta Taloha, amin’ny Baiboly Kristiana. Zanaky ny Andriana ambony ao amin’ny fanjakan’i Davida izy.

Nanambady, niteraka roalahy, nonina tao Jerosalema Isaia. Naminany nandritra ny 60 taona teo ho eo Isaia, nanomboka tamin’ny 758 BC fotoana nahafatesan’ny mpanjaka Ozia.

Teo anelanelan’i Mosesy sy Jesosy Isaia. Sady mpitory FILAZANTSARA (Evanjelistra) Isaia no mpanao antso avo ny FIBEBAHANA. Misy aza moa dia miantso azy ity ho Filazantsara faha-5.

IREO TONTOLO MANODIDINA NY FAMINANIANA

Ny fanjakana avaratra dia nentina ho babo tamin’ny 722 BC. Ny fanjakan’i Joda tao Atsimo kosa dia latsaka tamin’ny fanompoan-tsampy lalina tokoa.

Nanitatra fatratra ny fanjakany Assyria. Nambabo ny Israely Avaratra tamin’ny 722 BC. Nahazo an’i Joda tamin’ny 701 BC. Tamin’ny 586 BC kosa dia natanjaka i Babylona ary izy indray no nambabo ny Israely. Taorian’izany dia niitatra ny fanjakan’i Persia. Tamin’ny 559 BC no nandimby an-drainy i Kiriosy Lehibe. Tamin’ny 540 BC dia nifehy an’i Mediteraneana manontolo na Azia Afovoany iny izy. Tamin’ny 539 BC dia azony koa i Babylona. Nampalaza an’i Kiriosy ny fanafahany ny Israely tamin’ny fahababoana ka nahazoan’izy ireo niverina ho any Jerosalema. Ny fanjakana Persiana no namarana ny fahababoana sy niverenena tokoa ho any Jerosalema. Tsy nandeha ho azy anefa izany fa mbola maro hatrany ny olana nosedraina.

Misongadina amin’ny izany ny fampisehoana hery sy fandraisana fahefana ifandrombahan’ny olona mihevitra ho matanjaka.

Ambaran’ny faminanian’Isaia kosa ny maha tsinontsinona ireny sy ny fahalovany ka isehoan’Andriamanitra ho Mpanjaka mahery, mitondra ny olony. Izy irery no Andriamanitra ka mampandresy ireo SISA dia izay matoky azy Andriamanitra tokoa! Izy Andriamanitra no manome TOKY ny olony mahantra sady ampahantraina tokoa moa!

NY VOTOATIN’NY HAFATRA

Isan’ny soratra sarobidy ao amin’i TT ny Isaia. Fitambarana faminaniana ireo soratra ireo. NY FAMONJENA no votoatin’ny hafatra manontolo. Tsy misy azo antenaina na dia kely aza izay ikelezan’ny olona aina.

Asongadin’ny hafatra entin’Isaia koa ny famakiana bantsilana ny fahalovana eo amin’ny mpitondra na ny mpitarika. Asehony miharihary ny FAHAMARINANA miorina amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Izany no fototry ny FANEKENA natao ho an’ny Isaraely. Iray amin’ireny ny teny fanevan’ny Zaikabe faha-VII ny FIFILIndro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.” Isa.49:16

Ho an’ireo izay manamafy fo dia mitory sy manambara fanamelohana mahatsiravina Isaia. Fandravana mihitsy no ambarany. Ho an’ireo SISA kosa dia asandratrany avo tokoa ny FAMPANANTENANA! MESIA na ILAY MPANOMPON’I JEHOVAH no mahatanteraka izany!

Manohitra tanteraka an’ireo mpitondra miavonavona sy simban’ny kolikoly ary miaina ny tsy fahamarinana tokoa Andriamanitra fa miandany amin’ireo voailikilika sy voan’ny tsindrihazolena. Mandrava izay mihevitra ho manana fahefafana ka manao an’Andriamanitra ho tsy misy fa manandratra ireo voahosihosy ary miandry sy manantena ny FAMONJEN’Andriamanitra!

Ny Isaia faharoa no mampisongadina ny sitrapon’Andriamanitra, manangana an’i Jerosalema ho foiben’ny fanjakan’ny Mesia. Ity Mesia ity no hanapotika ny herin’ny fahavalo, Babylona izany, na ny fanandevozan’ny ota. Araka io Isaia faharoa io dia Kirosy Mpanjaka izany. Fa amin’ny fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra dia anondroana mazava an’i Jesosy izany.

Sarobidy amin’ity hafatra ity koa ny fiverenana ho any Jerosalema. Ny fodiana avy amin’ny fahandevozana avy any Egypta ho any Kanana sy ny fiverenana avy any Babylona ho any Jerosalema dia sary roa lehibe misy itovizany nefa misy fahasamihafany koa. Fa ny fahatanterahan’izany dia ny fiverenan’ny mpanota noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ety an-tany sy any an-danitra. Fiainana ny FIFOHAZANA tokoa izany!

Toy izao izany fampitahana izany:

  • Samy ny fitondran’Andriamanitra no mitondra azy saingy ny fialana tany Egypta tamin’ny fandosirana fa tsy tahaka izany kosa ny fiverenana avy any Babylona, Jereo Ekes.12:11; Deo.16:3: Isa.52:12
  • Tany efitra lehibe sy maina no manelanelana an’i Egypta sy Kanana, Deo.8:5; Paradisa koa no manelanelana ny Mesopotamia sy Jerosalema, Isa.40:4
  • Andriamanitra no nanolotra rano tamin’ny fotoana tandrify rehefa nody avy any Egypta. Fa ny lohasaha sy tendrombohitra kosa mamoaka rano miboiboika rehefa nody avy any Babylona, Isa.41:18

Ny Isaia 44:6 no manondro mivantana sy mazava ny amin’Andriamanitra tokana: “Izao no lazain’i Jehovah, Mpanjakan’ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.”

Ity no nivelaran’ny Jodaisma, ny Silamo fa indrindra moa ny antsika fivavahana Kristiana.

Na dia tsy ofisialy aza dia tonga sorabaventy eo an’ivon’ny Firenena mikambana ny ny Isa.2:3-4 “Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, Ka handehanantsika amin’ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.

4 Ary hitsara ny adin’ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony.”

Milaza hafatra lehibe izany ary tena fieritreritra lalina ho antsika FIFOHAZANA izay zanaky ny teny fikasana!

FIZARAN’NY BOKY

Ao ireo mihazona azy ho soratra telo samihafa ka mampisongadina ny fiavahany telo lehibe: Proto Isaia na Isaia Voalohany, izay heverina fa tena soratry Isaia, nialoha ny fahababoana, 1-39. Deutero Isaia na Isaia faharoa, 40-55, voasoratra nandritra ny fahababoana, tsy fantatra mazava ny mpanoratra azy, fa natao teo am-bavan’Isaia. Trito Isaia na Isaia fahatelo, 56-66, voasoratra tao aorian’ny fahababoana.

Na izany aza, fomba mety ahazoana mora ny hafatra fonosiny izany fa tsy manozongozona ny FINOANA akory.

Fa misy vokapikarohana koa milaza fa azo zaraina roa lehibe ny Isaia: 1-33 izay manolotra ireo faminaniana hamelezana na hitsarana an’i Joda sy Jerosalema ary ireo firenena hafa sy ny ho fananganana azy indray. 34-66 no ahitana ny fahatanterahan’ny FITSARANA sy ny FANANGANANA azy ireo koa. Mahafaoka ny vanim-potoana mialoha sy ny fiverenana avy amin’ny fahababoana izany.

Mbola misy fizarana madinika azontsika aroso eto manampy antsika ahazo bebe kokoa ny hafatry ny Isaia:

1-12 Faminaniana ny amin’i Joda sy Jerosalemana. Faranana amin’ny fampanantena ny fananganana indray sy ny Salamo fisaorana.

13-23 Fitsarana sy famonjena ireo firenena jentilisa nanodinana an’ny Joda sy Jerosalema.

24-27 Mitsara izao tontolo izao Jehovah ary mikendry ny famonjeny ny Israely.

28-35 Fananarana tsy hifandraisana amin’i Egypta. Faminaniana momba an’i Edoma sy ny fanambarana ny hividianana an’Israely na ny fanavotana ny Israely.

36-39 Tantara, faminaniana, hira mpampitohy, toy ny tovana aorian’ny 1-35 ary fampidirana ho an’ny fizarana manaraka, 40-66.

40-66 Faminaniana feno fampaherezana sy fanambarana famonjena. Fanamabarana ny voninahitra ho avy eo amin’ny Israely.

Noho ny fahateren’ny fotoana dia tsy hijery ny toko tsirairay isika na dia tokony hatao izany. Hiezaka isika hitondra ny fanazavana ny Isaia faharoa izay fizarana misy ny teny fanevantsika.

FANAZAVANA NY ISAIA FAHAROA

Ny Isaia faharoa dia tafiditra amin’ilay fizarana lehibe faharoa. Io fizarana lehibe faharoa io dia mbola azo zaraina telo: 40-48; 49-57; 58-66.

Hojerentsika aloha ity zanakevitra voalohany ity: FANOMPOAN-TSAMPY 40-48

Ny Babyloniana no nalaza indrindra erantany amin’ny fanompoan-tsampy. Nandray izany fiainana ratsy izany ny Israely ka tsy nanompo an’Andriamanitra velona intsony. Miantso fibebahana noho izany ny mpaminany Isaia.

Nasehon’Andriamanitra mazava fa tsy tiany, tsy zakany io fanompoan-tsampy io. Saropiaro amin’ny maha Izy Azy Andriamanitra. Saropiaro amin’ny olony nalainy ho an’ny tenany koa.

Misy antso FAMPIONONANA lehibe koa anefa entin’ity toko ity, indrindra ny 40. Fa mivelatra be koa ny fampitana io FAMPIONONANA io araka ireto ho tanisaina ireto: 12:1; 49:13; 51:3, 12, 19; 52:9; 66:11, 13. Cf. Lio.2:25; II Tes.2:16

Miseho ny amin’i Kiriosy, mandrava ny sampy fa ho tonga amin’ny fanafahana tanteraka ny Israely, Isa.41. Fa tonga koa ny fanomezan-toky an’i Jakoba ka ilazana aminy hoe AZA MATAHOTRA! Miverina matetika izany: 10, 13, 14; 43:1, 5; 44:2, 8.

Manana ny Mpanompony Andriamanitra. Kiriosy no voalaza mivantana eto. Nefa ny 42:1-4 dia manondro mazava fa manana Mpanompo hafa noho i Kiriosy, Izay tena Manafaka ny olony tokoa Andriamanitra.

Ny famakiantsika ny Matio no hampahazava kokoa ity Isa.42 ity ka anondroana an’i Jesosy ho Ilay Mesia, sitrak’Andriamanitra: Mat.3:17; 17:5 ; 12:18-21.

Jesosy no Ilay Mpanompon’i Jehovah manetritena nefa feno voninahitra sy mitondra ny FANDRESENA feno.

Efa hitantsika tamin’ny Isa.42 ny lanjan’ny hoe:AZA MATAHOTRA. Miverina imbetsaka eto amin’ny Isa.43 izany. Asongadina eto kosa ny fanomezan-toky fa efa voaloa ny vidin’ny heloka vita. Jesosy no mandoa izany ka na mita ny rano na mamaky ny afo dia tsy hatahotra.

Fanomezan-toky lehibe no atolotra ireo SISA. Tsy izay momba ny lasa efa notanterahin’i Jesosy ihany fa izay rehetra mbomba ny hoa avy anolorana fitahiana koa. Io FAMONJENA ataon’i Jesosy io no fototra: 43:1, 3, 14, 25. Jereo koa my Isa.44:6, 22, 23.

Hitantsika fa Jesosy no tondroina ho MPANOMPON’I JEHOVAH arak any Isa.42. Eto amin’ny Isa.44 dia antsoina ho isan’ny Mpanompon’i Jehovah koa ny fiangonana, ny Israely izany. Hohitantsika mifandimby eny ny fampiasana ity anarana Mpanompon’i Jehovah ity fa sady mihatra amin’i Kiriosy io no mihatra amin’i Jesosy io no iantsoana koa ny Israely olon’Andriamanitra io.

Miantso ny Israely mpanompony Jesosy mba ahafantatra mazava sy ho vavolombelona hanambara fa TSY MISY ANDRIAMANITRA afatsy IZY ANDRIAMANITRY NY ISRAELY, JESOSY izany. Tsinontsinona ny sampy rehetra, na iza na iza na avy aiza na avy aiza. Manazava betsaka izany ny Jer.10:1-10. Tsy hoe mijoro ho vavolombelona fotsiny ny fiangonana fa tena manao fanekem-pinoana mihitsy amin’izany fanambarana ny maha tsinontsinona ny sampy sy ny maha ANDRIAMANITRA VELONA an’i Jesosy izany. Tsy mitovy mihitsy ny hoe: mijoro ho vavolombelona sy ny hoe: manao na mambara FANEKEM-PINOANA!

Noho ny amin’ny FAMONJENA, ireo mpanompo sampy fahiny dia tonga MPANOMPON’I JESOSY. Tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ilay mpanjaka Jentilisa, Kiriosy, nefa namonjena ny Israely ho afaka amin’ny fanompoan-tsampy, 41:25; 44:28; 46:11; 48:14. Ho mihoatra lavitra noho izany ny hafalian’i Jesosy mahita antsika mitaona ny Jentilisa hiala amin’ny fanompoan-tsampy fa hanompo koa an’i Jesosy!

MANAFAY IZAY MANOHITRA NY ZANANY ANDRIAMANITRA 49-57

Tahaka izay efa voalaza any aloha dia manafaka ny Israely amin’ny fanandevozana, ara-politika, ara-tsosialy, ara-toe-karena ary ara-pivavahana Andriamanitra. Isaia no fiasana entiny manambara izany sy manatanteraka izany. Ny fanavotana ara-panahy anefa no fototra sy anton’izany. Izany no nanirahany ny Zanany, Jesosy, hanaisotra ny fahotantsika. Izy, Jesosy no nandoa ny vidin’ny otantsika. Jesosy koa nitsangana tamin’ny maty ka nandray ny voninahitra lehibe.

Ity Isaia 49 ity no voalohany, raha ny TT no jerena, manamabara mazava fa ny MESIA dia hijaly sy ho faty noho ny ota. Tsy ota nataony anefa izany fa ny otantsika. Hiseho izany mialoha ny handravana izao tontolo izao sy ny hifehezana ny herin’ny satana. Hiseho izany mialoha ny fanjakana arivo taona izay ahitana ny FAHAMARINANA MANDRAKIZAY, NY FIADANANA, ARY NY FAMIRAPIRATANA.

NY MPANOMPON’I JEHOVAH na EBED YHWE

Ny Misionany sy ny fahombiazany, 49:1-26

  1. Ny Misionany, 49:1-13

Tena tandrify ho amin’ny Misionany ity Mpanompo ity. Voantso marina ho amin’izao Misionany izao Jesosy, 49:1. Manan-kery hahatohitra ny ratsy rehetra ny Teniny, 49:2a. Manazava izany ny Apok.1:16; 19:15.

Miseho amin’ny fahafenoany amin’ny fotoanany Jesosy, 49:2b. Hitantsika koa izany ao amin’ny Gal.4:4-5. Izy no Ilay tokana nanome voninahitra an’Andriamanitra Ray sy nanaja ary nanoa tanteraka ny sitrapony. Eny, maty teo amin’ny hazofijaliana, 49:3 sy ny Isa.53.

Raha jerena maika dia toa tsy ho nahomby ny Misionany tamin’ny voalohany, 49:4a, manazava izany hatrany ny 53:1-3. Feno fahatokiana ny Rainy anefa Jesosy ka naneho ny fahombiazany koa, 49:4b.

Ny Misiona roa sosona: Fampodiana ny Israely, 49:5-6a; Fitondrana ny famonjena ho an’ny Jentilisa, 49:6b-7. Vakio koa ny Lio.2:27, 32.

Ireo andraikitra roa sosona, 49:8-13: Jesosy manao FANEKENA ho an’ny firenena, 49:8-9a. Jereo koa ny Lio.22:20; Heb.8:6-13. Miandry ny olon’Andriamanitra, 49:9b-13. Ny Jao.10:1-18 no manazava betsaka ity, araka izay anondroany an’i Jesosy. Endrika roa koa no isehoan’izany: Manome sakafo sy maneho FITIAVANA ireo olon’Andriamanitra ireo, 49:9b-10. Manao lalana hiverenan’ny olona amin’Andriamanitra, 49:11-13.

  1. Ny fahombiazany. 49:14-26

Ato no misy ny teny fanevantsika. Efa mazava tsara hatreto fa manondro mivantana an’i Jesosy ity MPANOMPON’I JEHOVAH resahina eto ity. Miorina amin’ny FANEKENA nataon’i Jesosy maha izy azy antsika mino.

Tena tsy manadino ny zanany mihitsy Andriamanitra. Mihoatra noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ka tsy hanadinoany ny manome azy nono. Voasoratra eo amin’ny tanan’Andriamanitra Ray ny anarantsika zanany tsirairay. Voatahiry ho mandrakizay izany ary tsy azo fafana na oviana na oviana. Tena sitrapon’Andriamanitra mihitsy ny hitondra ny Israely hiverina avy amin’ny fahababoana ka hiverina amin’Izy Andriamanitra tokoa, 49:14-18. Ny Rom.9-11 no mamelabelatra izany betsaka tokoa.

Ho tafaverina amin’ny tany malalaka sy mahavokatra, misy ireo zanak’Andriamanitra tokoa ny Israely, 49:19-21c. Andriamanitra no mamerina ny Israely hiala avy amin’ny tanin’ny Jentilisa lozabe ho amin’ny ray mpamindrafo sy feno fitiavana ary ny reny mahakarakara sy manome sakafo mahavelona, 49:22-23d

Ireo Jentilisa izay nanohitra sy manohy mangalatra ny olon’Andriamanitra dia ho potehina sy ho ravan’Andriamanitra tokoa. Mazava ny fikendrena amin’izany dia izay ahalalan’ny velona rehetra fa JEHOVAH NO ANDRIAMANITRA TOKANA, TSITOHA. Izy no Tompo sy Mpamonjy ny olony, 49:24-26. Manampy antsika ahazo izany tsara kokoa ny Mat.25:31-46 sy ny Apok.17:1-19:9

Mazava araka izany ny fanondroana an’i Jesosy ho MPANOMPON’I JEHOVAH na EBED YHWE sy ny vokatra sarobidy atolony ho antsika mpanota: FAMONJENA AZO ANTOKA MANDRAKIZAY!

FAMARANANA

Mpaminany nampiasain’Andriamanitra hamerina ny Israely olony Isaia. Nitory FIBEBAHANA tamin’ny fotoan’androny. Tena olona nofodian’Andriamanitra sy tena tiany ny Israely nefa dia lasa babo sy nanompo sampy.

Fiainan’ny mpanota rehetra izany. Novonjena sy notiavina manokana nefa dia mivadika amin’Andriamanitra. Fiatiavana antsika no anomezana izao Tenin’Andriamanitra izao ho antsika satria na isika izao dia matetika no tsy nahatoky fa nivadika tamin’i Jesosy tokoa. Tsy ampy hihazona antsika ho mahatoky ny maha FIFOHAZANA antsika. Tsy ampy hitehirizana antsika ny maha zanaka antsika eo anatrehan’ireo ray aman-dreny nanorina ny FIFOHAZANA. Mila ny Tenin’Andriamanitra hanitsy antsika isan’andro isika.

Mpaminany nilaza ny ho avy Isaia. Koa tsy ny fiainana natrehin’ny Israely ihany no nambarany fa nilaza zavatra ho avy betsaka izy: Iray amin’ireny ny fanondroany an’i Jesosy ho MPAMONJY TOKANA. Toy izany koa ny fiantsoana fibebahana ho an’ny FIANGONANA mba tsy ho tafatoetra amin’ny fanamarinantena sy ny toetra tsy mahatoky fa hiverina ho tena MPANOMPON’I JESOSY tokoa eo amin’ny fiainany manontolo.

Nanamaizina tanteraka ny fiainan’ny Israely ny fahababoana feno fanompoan-tsampy tany Babylona. Fa nataon’Andriamanitra fiasana maherivaika namerenana ny Israely ho amin’ny FIADANANA ao amin’ny tananan’ny FIADANANA i Kiriosy mpanjaka Jentilisa. Miantso sy maniraka antsika fiangonana koa Jesosy mba hamerina ny firenena Malagasy ho an’i Jesosy. Mihoatra noho ny fanirahana an’i Kiriosy izao FIANTSOANA sy fanirahana antsika izao. Jesosy no tena MPANOMPON’I JEHOVAH nefa miantso sy maniraka antsika koa Jesosy hanao sy hahavita izany Iraka sy antso MASINA izany.

Matanjaka sy mitoetra mamakivaky ny fotoana sy ny toerana rehetra ny faminanian’Isaia milaza ny maha tokana an’Andriamanitra sy ny FITIAVANY ny mpanota. Anteriny ny hasarobidin’ny FANEKENA nataon’Andriamanitra sy ny toky eny ANTOKA sarobidy ho an’ny FIANGONANA noho ny asam-panavotana rehetra efa nividian’i Jesosy antsika.

Amin’izany dia hijjor ho vavolombelona isika hanambara sy haneho ny FAHAMARINAN’ANDRIAMANITRA amin’ny andro sy toerna rehetra misy antsika. Fa ankoatra izany dia hanao FANEKEM-PINOANA mandrakariva koa isika mba hampahamenatra ny fahavalo resy rehetra ka hanadratra sy hanome voninahitra an’i Jesosy eo amin’ny fiainantsika manontolo!

Sarobidy amin’i Jesosy ireo olom-bitsy mitoetra sy maharitra amin’izany FANEKEM-PINOANA izany. Misy hatrany ireo olom-bitsy, na SISA, mamakivaky ny tantaraka ka ampiasain’Andriamanitra hamonjena ny maro. Tsahivintsika manokana amin’izany Dr Martin LOTERA. Olona iray fa nivelona tamin’ny Tenin’Andriamanitra sy nanandratra ny FANEKEM-PINOANA ka dia tsy misy intsony kaontinanta eto amin’ity Gilaoby ity tsy andrensana ny fampianarana natolony avy amin’ny Soratra Masina.

Ho lasa lavitra, eny hanerana izao tontolo izao azan y FILAZANTSARA raha mijoro sy maharitra amin’izay niantsoana sy anirahana azy ny FIFOHAZANA! Teny faminaniana efa voatolotra antsika koa izany ary tena mila itondrana ny FILAZANTSARA sy antsoina hibebaka marina koa ireo any amin’ny ila bolantany avaratra izao!

Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’i Jehovah efa miposaka aminao.” Isa.60:1

(Nosoratan’i Pst.Dr. Rakotonirina David, Filoha FLM, nandritra ny Fivorian’ny Komity Nasionaly FIFIL natao ny 14-16 Novambra 2017 tao @ FLM Ambatovinaky – SPAnta)

Past David

Indro koa ny fandraisam-peo t@ izany:

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *