Tari-dalana Toriteny Alahady 11 Septambra 2016 (Alahady faha-16 manaraka ny Alahadin’ny Trinité)

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo. Indro atolotra anareo indray ny tari-dalana tsotsotra momba ny texte izay ho toriana manerana ny sahan’ny FLM amin’ny Alahady faha 11 Septambra 2016 ho avy izao (XVI man Trinite)

LIOKA 7:11-17

Tamin’ny Alahady lasa teo (XV man. Trinite) dia nofehezintsika tamin’ny hoe “Aza manahy ny amin’ny Ainareo…fa Andriamanitra no miahy izany” ny texte izay anjarantsika (Mat 6:24–34). Raha tenenina amin’ny fomba hafa dia azo ambara koa hoe “n’inona n’inona ataon’ny olona na ananany (harena), tsy hahareseny ny fahafatesana izany, Andriamanitra irery no afaka mandresy izany ho azy”. Mbola mifanohy amin’izany koa ny hafatr’ity texte izay anjarantsika eto ity: “Jesosy Kristy, amin’ny maha Andriamanitra Azy, mandresy ny fahafatesana sy mamerina ny fanantenana izay efa rava noho izany eo amin’ny olony”.

1) Zanaka lahitokan’ny mpitondra tena iray izay niharan’ny herisetran-drafahafatesana no nifanena tamin’i Jesosy ka nokasihiny tànana sy noteneniny hoe “miaréna” (ἐγέρθητι (ἐγείρω); eng. raise up, arise) dia “niarina”. Ny teny fototra izay nadika hoe “miarina” eto dia mifono ny hevitra hoe “miarina na mitsangana avy teo amin’izay natoriana”. Midika izany fa amin’Andriamanitra/Jesosy, ny fahafatesana dia toy ny torimaso ihany. Izany hoe, eo anatrehany dia mbola hifoha (hitsangana) ny olona tonga amin’izany fahafatesana izany ary ny finoana izany indrindra no tiany hananan’ireo vahoaka betsaka izay nanaraka Azy sy iainany eto. Filazantsara ho an’ny mpanaraka Azy mandrak’ankehitriny izany: fodiamandry ihany ny fahatesana ka tsy tokony atahorany rehefa ao amin’i Jesosy izy satria mbola hifoha amin’izany izy.

Ny mari-potoan’ny teny fototra nadika hoe “miaréna” eto dia “passive”, izany hoe, tsy hain’izay olona tratran’ny fahafatesana ny mampifoha (na manangana) ny tenany fa asan’i Jesosy/Andriamanitra irery izany. Notanterahany tamin’ny fahafenoany tao amin’ny fitsanganany tamin’ny maty izany ary tsy ho fanehoany ihany ny heriny mihoatry ny herin’ny fahafatesana izany fa fandreseny ny fahafatesana ho an’ireo rehetra izay ampiombonina Aminy tao amin’ny Batisa indrindra koa. Ny miombona amin’i Jesosy dia tsy mba matahotra ny fahafatesana (sy ny fasana) satria tsy hery na fahefana hahazona azy mandrakizay izany. Ny finoana ny fananganan’i Jesosy ny maty ao Aminy no mampitraka sy mampahery ny velona izay manana havana nindaosin’ny fahafatesana: tsy ny fahafatesana sy ny fasana akory no tompon’ny teny farany amin’izany havany izany fa Izy Jesosy Kristy izay hiteny aminy koa hoe “hoy Izaho aminao: ‘Miarena’”.

2) Voalaza eto fa zanaka lahitokan’ny vehivavy mpitondratena (χήρα, eng. widow, vehivavy efa maty vady) iray ity zazalahy ity. Teo amin’ny tontolo Greko-Romana sy Jiosy dia tsy mba tompon’ny harena sady tsy nanam-pahefana tamin’izany tao amin’ny tokatrano izay nisy azy ny vehivavy. Izany no antony nampahantra be azy ireo raha sanatria maty vady (indrindra tsy niteraka) na nisaraka tamin’ny vadiny izy. Ny zanaka lahy kosa no mpandova sy tompon’ny harena rehefa maty ny raim-pianakaviana. Eto izany dia ity zanaka lahitokan’ity mpitondratena ity no nianteherany teo amin’ny fiainany andavanandro satria izy no nandova ny harem-badiny rehefa maty izy. Kanefa dia izao nindaosin’ny fahafatesana izao koa ity lahitokany ity. Tsy ny fahafatesan’ny zanany lahy tokana maty ihany no nampahory ity mpitondratena ity (na dia mafy indrindra teo aminy aza izany) fa ny fiainan-ko aviny andavanandro izay fantany fa tsy misy ianteherana sy antenaina intsony koa: tsy afaka mandova io fananan-janany io izy amin’ny maha vehivavy azy. Lehibe sy lalina tokoa araka izany ny fahavoazan’ity vehivavy ity: folak’andry niankinana tanteraka izy. Aminy dia fahafatesana efa tonga sahady eo aminy koa izao na dia mbola velona aza izy. Ny fifanenany tamin’i Jesosy anefa dia sady nampifoha ny zanany izay nodimandry no namerina indray koa ny fanantenany ny amin’ny fiainana andavanandrony amin’ny ho avy.

Ny manana an’i Jesosy ry havana dia tsy mba very fanantenana na folak’andry iankinana. Fiainana sady Tompon’ny fiainana Izy ka na dia miezaka mampihatra ny herisetrany amin’ny mpanaraka Azy hatreo amin’ny fahafavelony aza rafahafatesana dia arovany sy avotany amin’izany izy. Mbola hafatra omeny antsika amin’ny alalan’ity teniny ity koa àry ny hoe “Aza manahy ny amin’ny Ainareo fa Izaho no miahy izany”.

Voninahitra anie ho an’Ilay Tompon’ny fiainana mandrakizay. Amen!

Nosoratan’i Pastora Rafalimanana Jean De Dieu, Mpampianatra ao amin’ny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (SALT)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *