Tari-dalana Toriteny Alakamisy 24 Martsa 2016 (Alakamisy Masina)

NY FANASAN’NY TOMPO

Andro anankiray manana ny mahaizy azy manokana ao anatin’ny Herinandro Masina ny Alakamisy Masina. Ny Fanasan’ny Tompo avy hatrany no tonga ao an-tsaina amin’izany satria izany tokoa no manamarika manokana ity andro ity. Ankoatra ny Batisa dia ny Fanasan’ny Tompo no Sakramenta izay notendren’i Jesosy (vakio Mat 26:26-29; Marka 14:22-25; Lioka 22:14-20 ary 1 Kor 11:23-26) ho fomba fanao ao amin’ny Fiangonana mba hanolorany ny Fahasoavany (fiasam-pahasoavana) amin’ny mpino Kristiana. Araka izany dia zava-tsarobidy tokoa eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana, indrindra eo amin’ny fiainan’ireo mpino Kristiana izay mandrafitra azy ny Fanasan’ny Tompo.

Teo an-katoky ny fankalazana ny Paska Jiosy no vanim-potoana izay nanatanterahan’i Jesosy izany Fanasany izany. Araka izany dia manana ny heviny mifandray amin’izany Paska Jiosy izany ny Fanasan’ny Tompo. Teo an-katoky ny nijaliana sy nahafatesana ary ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ihany koa. Izany hoe, mifamatotra tanteraka amin’ny hazofijaliana sy izay nataon’Andriamanitra sy kendreny amintsika teo amin’ny hazofijaliana koa ny Fanasan’ny Tompo.

  1. Ny Sakafon’ny Paska Jiosy sy ny Fanasan’ny Tompo.

Fomban’ny Jiosy ny manao sakafo be rehefa andro fety na fetim-pianakaviana (cf. Jn 2:1ff.). Mihoatra lavitra noho izany anefa ny sakafon’ny Paska. Tsy nataony mba ho fahatsiarovana ihany ny nanafahan’Andriamanitra ireo razany tany Egypta izany fa tena famelomana mihitsy izany sehon-tantara izany ho present teo amin’ny fiainany. Azo lazaina fa nataony izany ho fampiombonany ny tenan’izy ireo tamin’ireo vahoaka razany izay nafahan’Andriamanitra tany Egypta fahiny, izany hoe, tena fanafahana azy ireo tamin’izay rehetra manandevo azy koa no nankalazany sy nihinanany ny sakafon’ny Paska.

Jesosy Kristy dia notondroin’i Jaona Baptista hoe « … Ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao » (Jn 1:29). Araka izay voalaza teo ambony dia Sakafom-panafahana tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana ny sakafon’ny Paska Jiosy. Tamin’ izany fanafahana izany dia nisy ny fahafatesana (ny lahimatoan’ny Egyptiana rehetra) ary nisy koa ny fahavelomana noho ny ran’ny zanak’ondry dia ny Israelita izany (Eksd 12:1ff.). Ao amin’ny Fanasan’ny Tompo dia ny Tena aman-dRan’i Jesosy Kristy (Ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra) izay voahombo tamin’ny hazofijaliana (fahafatesana) sady nitsangana tamin’ny maty (fahavelomana) no sakafo. Sakafom-panafahana ihany koa izany, eny fanafahana amin’ny fahafenoany tokoa aza satria sakafo manafaka ny olona mihinana izany tamin’ny fanandevozan’ny OTA sy ny fahafatesana mandrakizay izany. Raha miteny Jesosy hoe « Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy » dia ny fanaovana izany fanafahana tamin’ny fahafenoany teo amin’ny hazofijaliana izany ho present eo amin’izay mihinana ny sakafon’ny Fanasan’ny Tompo koa no tiany ampitaina amin’izany. Ny fihinanana izany sakafom-pahafahana izany dia midika koa fa atao tena tonga nofo ao amin’izay mihinana izany ilay fahafahana entiny, atao tena tonga fiainana tokoa izany

  1. Ny Fanasan’ny Tompo sy ny Hazofijaliana

Voalaza mazava ao amin’ny teny izay nanendrena ny Fanasan’ny Tompo ny hoe « … Tamin’iny alina iny izay namadihana Azy ( na ‘nanolorana Azy ho amin’ny fahafatesana’) ». Notenenina izany mba ho fanindriana ny fifamatoran’ny Fanasan’ny Tompo sy ny hazofijaliany. Araka ny fomba fisainana Jiosy, ny sakafo dia sady mampiombona ny sakafo amin’izay mihinana azy no mampiombona ihany koa amin’ny mpiray latabatra mihinana izany. Jesosy tenany dia tsy nihinana tamin’ny sakafon’ny Fanasan’ny Tompo (cf. Lioka 22:16, 18; tsy ara-teolojia ny hiran’ny antoko mpihira manao hoe « miara-misotro amin’i Jesosy ny ran’ny fanadiovana. ») kanefa amin’ny alalan’ny fanomezany ny tena aman-drany ho sakafon’ny Fanasany dia mampiombona ny Tenany amin’izay mihinana izany Izy. Teo am-panatanterahana izany Fanasana izany dia nambarany mazava tamin’ireo izay niombon-databatra fa ny fahafatesany hisolo ny maro dia hahatonga azy ireo ho isan’ny vahoaky ny Fanekena Vaovao (cf. Mat 26:28; 1 Kor 11:25; cf. Marka 10:45). Raha fintinina atao hoe Fanekena dia ny fiombonan’Andriamanitra sy ny olony izany (cf. Jer 31:31-34). Tanteraka ao amin’ny fiombonana amin’i Jesosy amin’ny fihinanana ny tena aman-drany ao amin’ny sakafon’ny Fanasan’ny Tompo izany fiombonana izany. Ny fiombonana koa anefa dia fiombonana Aminy amin’ny fahafatesany, dia ilay fahafatesany ho famotehana tanteraka otantsika izay nentiny, ary fiombonana koa amin’ny fahavelomany, dia ilay fahavelomany izay fahariany ny miombona Aminy ho zavaboahary vaovao miaina amin’ny aina izay iainany ihany koa. Ny olona maty amin’ny ota sy velona ho an’Andriamanitra no miombona amin’Andriamanitra. Ny Fanasan’ny Tompo no iasan’Andriamanitra hahatanteraka izany eo amintsika.

Tsy Jesosy Kristy sy tsirairay izay mihinana ny sakafon’ny Fanasan’ny Tompo ihany no ampiombonin’izany sakafo fa ny mpiray latabatra rehetra. Tsy ny heloka izay nampisaraka ny tsirairay tamin’Andriamanitra ihany no nopotehana na navela tao amin’ny fihinana ny tena aman-dran’i Jesosy izay maty teo amin’ny hazofijaliana fa ny heloka izay nampisaraka azy koa tamin’ireo mpiombon-databatra Aminy (cf. Hataky ny Tompo: famelankeloka roa sosona [verticale et horizontale] izay tsy misaraka, Mat 6:12; jereo koa ny Mat 5:24). Kapoaka iray ihany no niarahan’ny mpiombon-databatra nisotro ary mofo iray ihany koa no niarahany nihinana. Hoy ary Paoly Apostoly: « satria iray ihany ny mofo dia tena iray ihany isika na dia maro aza, fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa » (1 Kor 10:16-17).

Raha fintinina izany izay voalaza dia izao: sakafon’ny fahavelomana araka an’Andriamanitra ny sakafon’ny Fanasan’ny Tompo, sakafon’ny fampihavanana koa izany: sady sakafo mampihavana antsika amin’Andriamanitra/Jesosy no sakafo mampihavana antsika amin’izay miara-mandray izany amintsika koa. Izany no fahasoavana atolotr’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’izany Fanasana izany. Aoka ary ho araka izany heviny sy ny vokatra entiny eo amin’ny fiainantsika izany tokoa no hanekentsika ny fanasany ka hanatonantsika ny latabatra Masina.

Ho an’Ilay Tompon’ny Fanasana irery ihany anie ny voninahitra. Amen.

 

Nosoratan’i Pastora Rafalimanana Jean De Dieu, Mpampianatra ao @ SALT

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *