Ny TRINITE araka ny Soratra Masina

Trinite

SAVA RANONANDO

Ny teny hoe “Trinite” dia tsy teny (term) ara-Baiboly/Biblika. Ampiasain’ny Fiangonana Kristiana kosa anefa izany mba hanambarana ny fampianaran’ny Baiboly momba ny maha Telo izay Iray an’Andriamanitra. Ny teny hoe “Trinite” dia fitambarana avy amin’ny teny Grika hoe tria (English: three, triad; Mg: telo) sy ny heis (Eng. one; Fr. un; Mg. iray), izay i Theophilus (168-183 AD) no nampiasa azy voalohany, ary avy amin’ny teny Latina hoe Trinitas (Eng. Trinity, Triunity), izay i Tertullian (220 AD) no nampiasa azy voalohany, mba hanambarana io fampianarana io. Ny votoatin’ny fampianarana dia ny maha Tokana an’Andriamanitra kanefa misy Persona Telo mahaleotena dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Ara-tantara, ny fiheverana momba ny fisian’andriamanitra telo dia saiky nanerana ny fivavahana tamin’andriamanitra maro (polytheistic religions) tany amin’ny faritra manodidina an’i Palestina fahizany sy tamin’ny faritra hafa sasantsasany koa. Tany Egypta, ohatra, dia nampitahaina tamin’ny ankohonana izay misy ny ray, ny reny ary ny zanaka ny maha-telo an’andrimanitra dia Osiris, Isis ary Horus. Matetika dia andriamanitra samihafa notompoina tamin’ny faritra samihafa izy ireny no natambatra tao amin’ny fanompoam-pivavahana iray. Ao amin’ny Hindu koa ohatra dia ahitana ny isa telon’andriamanitra: Brahma, Vishnu ary Shiva. Hafa tanteraka noho izany anefa fampianarana Kristiana momba ny Trinite: tsy mampianatra momba ny fisian’Andriamanitra telo ny Kristiana fa mampianatra ny maha tokana an’Andriamanitra izay misy Persona telo kosa. Ny tsy fahazoan’ny Vavolombelon’ny Jehovah sy ny Silamo ny fampianarana Kristiana momba ny Trinite no mahatonga azy ireo hanameloka azy ho mivavaka amin’Andriamanitra miisa telo. Tsy dia fomba fiteny teolojika Kristiana loatra ny hoe: Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriama-nitra Fanahy Masina. Ny famerenana ny hoe Andriamanitra in-telo eto dia midika ho fisian’Andriamanitra telo. Ny fomba fiteny teolojika Kristiana dia ny hoe: Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.

Fampianarana vokatry ny fanambaran-tenan’Andriamanitra madio amin’ny olona ny Trinite. Izany hoe tsy fampianarana vokatry ny fikarohan’ny sain’olombelona na ho takatra sy ho azo porofoina amin’ny fisainan’olombelona fa fampianarana vokatry ny fanambaran-tenan’ Andriamanitra manokana amin’olombelona kosa. Tsy misy azo ampitahaina aminy ny fisiana eto amin’izao tontolo izao ka izay miezaka manaporofo izany amin’ny alalan’ny fisainan’olombelona fotsiny dia tsy maintsy hivily lalana na ho latsaka amin’ny fampianaran-diso na hanameloka be fahatany ny mitana izany fampianarana izany.
1. NY TRINITE AO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA (TT)
Fampianaran’ny Baiboly manontolo ny Trinite.Tsy mbola mivelatra tsara anefa izany ao amin’ny TT. Tsy midika anefa izany fa tsy misy fampianarana momba ny Trinite ao amin’ny TT. Na izany aza dia tsy misy afaka milaza fa mahafeno ny fampianarana momba ny Trinite ny TT. Andeha àry hijery amin’ny ankapobeny izay lazain’ny TT momba ny Trinite isika.
Ny fikarohana tranainy dia milaza fa efa hita ao amin’ny anaran’Andriamanitra “Plural” hoe: Elohim ny Trinite. Araka ny fomba fisainana tany amin’ny tany manodidina an’i Palestina anefa dia nentina nilazana ny fahalehibeazan’Andriamanitra (The Majesty of God) fa tsy mahakasika ny Trinite akory ny “plural”-n’ny anarany. Ao amin’ny tantaran’ny famoronana (Gen 1:1snm) dia efa ahitana an’Andriamanitra, ny Fanahin’Andriamanitra (Grika: pneuma theou) (LXX) ary ny Verba/matoanteny legoo (Septanta) izay fianakavian’ ny anarana hoe Logos izay ampiasain’i Jaona (1:1ff.). Ao amin’ny Gen 1:26 koa dia ahitana ireo mpamaritra anarana/mpisolo tena “plural”: “Andeha ISIKA hamorona olona tahaka ny endritSIKA” (cf. 3:22; 11:7; Isa 6:8). Misy koa ireo milaza fa ao amin’ny fampiasana ireo matoanteny izay manana mpanao maro (verbs having plural subject) (Gen 20:13; 35:7), ao amin’ ireo fiverimberenan’ny anaran’Andriamanitra (Gen 19:27; Sal 45:6,7; 110:1; Hos 1:7), ao amin’ny raiki-pohy telon’ny litorjia (Deot 16:4; Nom 6:24, 26; Isa 6:3), ao amin’ny fanambarana momba ny FAHENDRENA (Ohab 8), ary ao amin’ilay fisehoan’ny Anjelin’YHWH (Gen 16:2-13; 22:11, 16; 31:11,13; 48:15, 16; Eks 3:2,4,5; Mpits 13: 20-22) ny maha-Telo izay Iray an’Andriamanitra. Ny Salamo 33:6; Isaia 61:1; 63:9-12; Hagay 2:5, 6 dia milaza ny momba an’Andriamanitra, ny Teniny ary ny Fanahiny izay miara-mahatanteraka ny asany. Ao amin’ny Isaia 7:14; 9:6 dia efa voalaza ny maha Andriamanitra ny Mesia. Tsy mbola voavelatra mazava tsara anefa ny zava-miafina momba ny Trinite ao amin’ny TT kanefa izay zava-miafin’ny Trinite izay no fototry ny fanambaran-tenan’Andriamanitra ao amin’ny TT.
2. NY TRINITE AO AMIN’NY TESTAMENTA VAOVAO (TV)

a. Ankapobeny

Hoy ny fiteny teolojika tranainy: “Ny TV dia miafina ao amin’ny TT ary ny TT dia mivelatra ao amin’ny TV”. Mifampitohy sy mifampiankina ny fanambaran-tenan’Andriamanitra ao amin’ireo Testamenta roa ireo. Mivelatra kokoa ao amin’ny TV ny fampianarana momba ny Trinite izay efa hita sompirana tao amin’ny TT. Ireo mpanoratry ny TV àry dia tsy nieritreritra Andriamanitra hafa mihitsy, fa ny Andtry ny Israely ihany no nivavahany. Manondro ny maha-tokana Azy tahaka ny voalaza ao amin’ny TT ihany ny TV (Jn 17:3; 1 Cor 8:4; 1 Tim 2:5). Tsy nametraka Andriamanitra roa hafa ho eo anilan’ YHWH mba ho tompoina sy hivavahana akory izy ireo raha miresaka momba an’i Kristy Jesosy sy ny Fanahy Masina. Ny Andtry ny TT ihany no Andny ary Andriamanitra Tokana misy Persona Telo izany. Azo antsoina hoe Trinitariana amin’ny votoatin-kafany manontolo ny TV.
Efa voalazantsika fa fampianarana vokatry ny fanambaran-tenan’Andriamanitra amin’ny olona ny fampianarana momba ny Trinite. Ny fanambaran-tenan’Andriamanitra dia tsy tamin’ny Teniny ihany fa tamin’ny asany indrindra koa. Raha atao indray mitopy maso dia fampianarana momba ny fahatongavan’i Jesosy Kristy ho nofo sy ny fanomezana ny Fanahy Masina no ventin-kafatry ny TV iray manontolo. Ao amin’i Kristy Jesosy izay maty sy nitsangana tamin’ny maty sy ny Fanahy Masina izay narotsaka ho amin’ny olona indrindra àry no ihariharian’ny fanambaran-tenan’Andriamanitra izay mampivoitra ny fampianarana momba ny Trinite. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina no porofo fototry ny fampianarana momba ny Trinite ao amin’ny TV. Ireo hevitra izay milaza ny maha Andriamanitra an’i Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina dia marihitra tokoa ao amin’ny TV. Ny TV ihany koa dia manindry ny maha-tokana an’Andriamanitra kanefa misy ny Izaho sy Ianao ary Izy, i.e., Persona Telo.
Efa hita soritra ao amin’ny tantaran’ny fahaterahan’i Tompo ny momba ny Trinite (Lioka 1:35). Eto dia ny Fanahy Masina, izay voalaza fa ny Herin’ny Tsitoha, no hanaloka an’i Maria hahatanteraka ny fanorontoronana, ary ny Zaza izay hateraka dia hantsoina hoe “Zanak’Andriamanitra”. Ny Persona telo dia voatondro mazava tsara koa ao amin’ny Mat 1:18ff. Ny maha Andriamanitra ny Zaza izay hateraka dia voalaza ao amin’ny Mat 1:21: “Fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany” sy ny 1:23: “Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela, izany hoe raha adika “Amintsika Andriamanitra”. Ao amin’ny tantaran’ny nanaovana batisa an’i Jesosy ihany koa dia ahitana ny Persona Telo mazava tsara. Hita maso ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra. Re ny feon’ny Ray izay nilaza hoe: “Zanako Ianao, Ilay malala izay sitrako” (Mat 3:16; Mk 1:10,11; Lk 3:21-22; Jn 1:32-34). Ny Jaona 1:1snm dia manambara mazava ny maha Andriamanitra ny Teny (Logos), dia Jesosy Kristy izany.

b. Ny Trinite iankinan’ny fampianaran’i Jesosy:

Trinitariana ny fampianaran’ny Jesosy. Miantso ny Persona voalohany ho ny Ray Izy ary Izy tenany ny Zanaka. Amin’ny maha Zanaka Azy dia Persona iray mahaleotena Izy kanefa Andriamanitra tokana ao amin’ny Ray. Milaza betsaka momba ny Fanahy Masina Izy, izay misolo tena Azy tahaka ny fisoloany tena ny Ray, ary miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina tahaka ny Ray miasa amin’ny alalany Izy. Tsy ao amin’ ny Filazantsara faha-4 ihany no ahitantsika izany fifampisoloana tena izany araka ny fampianaran’i Jesosy fa ao amin’ny Filazantsara Synoptika (Matio, Marka, Lioka) ihany koa. Ao amin’ny Synoptika dia ambaran’i Jesosy ny maha Zanak’ Andriamanitra Azy kanefa amin’ny fomba miavaka (Mt 11:27; 24:36; Mk 13:32; Lk 10:22; amin’ireto andinin-tSoratra Masina manaraka ireto no anondroana Azy ny hoe “Zanak’Andriamanitra” ary ekeny izany: Mt 4:6; 8:29; 14:33; 27:40,43,44; Mk 3:11; 12:6-8; 15:39; Lk 4:41; 22:70; cf. Jn 1: 34,49; 9:35; 11:27). Eto ny hoe “Zanak’Andriamanitra” dia manondro ny fananany ny toetra sy ny maha-Izy Azy rehetra amin’ny maha Andriamanitra Azy (Cf. zanak’olombelona izay entina ilazana ny toetra na natiora maha-olombelona ny olombelona).

Ao amin’ny Matio 11:27 sy ny Lioka 10:22 dia manao fanambarana lehibe Jesosy fa mahalala tanteraka (Grika: epiginooskoo: to know exactly, completely) ny Ray Izy ary ny Ray koa mahalala tanteraka Azy. Milaza fiombonana sy firaisana amin’ny maha-Izy Azy rehetra ity matoanteny grika epiginooskoo ity izay adikantsika hoe mahalala. (Ampiasaina hamaritana ny maha izy azy sy entina ilazana ny fiombonan’aina ao amin’ny mpivady amin’ny firaisana ara-nofony koa ity matoanteny ity: cf. tenin’i Maria tamin’ny Anjely Gabriela hoe mbola tsy mahalala lahy aho sy ny fitenin’ny Baiboly matetika hoe rehefa nahalala ny vadiny … dia niteraka…). Ao amin’ny Synoptika ihany koa dia misy andinin-tSoratra Masina izay ilazan’i Jesosy ny fampiasany ny Fanahin’Andriamanitra mba hahatanteraka ny asany, izay ilazany fa eo am-pelatanany ny asan’Andriamanitra: “Izaho amin’ny alalan’ny Fanahin’Andriamanitra” na araka an’i Lioka “amin’ny alalan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra no hamoahako ny demonia” (Mt 12:28; Lk 11:20; ampitahao amin’ny teny fampanantenany ny Fanahy Masina ao amin’ny Mk 13:11; Lk 12:12). NB: Tsara ny manome fanazavana kely ny hoe amin’ny alalan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra . Ny rantsan-tanana no miasa rehefa manao zavatra. Tamin’ny famoronana izao tontolo izao di any Fanahin’Andriamanitra no nanomba tambonin’ny rano, izany hoe, ny Fanahin’Andriamanitra no rantsan-tanany nentiny nahary izao tontolo izao (cf. tenin’ny anjely Gabriela tamin’ny Maria tamin’ny nanorontoronana an’i Jesosy tao an-kibony).

d. Ny Ray sy ny Zanaka ao amin’ny Soratry Jaona:

Anisan’ny mampiavaka ny soratry Jaona ny fanambaran’i Jesosy ny fiombonany amin’ny Ray sy ny fanirahany ny Fanahy Masina avy Aminy hahatanteraka ny asan’Andriamanitra. Ao amin’ny Filazantsara faha-4 no anaovan’i Jesosy fanambarana mivantana fa Izy sy ny Ray dia iray ihany (10:30; cf. 17:11, 21, 22, 25) amin’ny alalan’ny fiombonana mifamatotra tanteraka: ny Ray dia ao Aminy ary Izy dia ao amin’ny Ray (10:38; cf.16:10, 11), mba ho tahaka ny fahitana Azy no ho fahitana ny Ray (14:9; cf. 15:21). Hamarininy amin’ny maha efa hatrizay hatrizay Azy (cf. amin’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Eks 3:14: YHWH; Yahveh) ny maha Andriamanitra Azy sy ny firaisany hatrizay ka ho mandrakizay amin’ny Ray: “Talohan’ny nahaterahan’i Abrahama dia efa IZAHO AHO, na efa IZY AHO” [Mitovy tanteraka ny teny grika hoe Ego Eimi (IZY AHO) sy ny teny hebreo hoe YHWH, Jn 8:58.]. Ampiasain’i Jesosy araka ny Filazantsaran’i Jaona matetika hanambarany ny tenany ny hoe IZY AHO na IZAHO no IZY na IZAHO IHANY (Jereo ohatra Jn 8:24; 8:28; 8:58; 9:9: samy dikan’ny fehezanteny grika hoe Ego Eimi ireo). Mitovy dika tanteraka amin’ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny TT hoe YHWH, Yahveh izany (Jereo Eksd 3:14). Izany hoe ny maha Andriamanitra hatrizay ka ho mandrakizay Azy no tian’i Jesosy ampitaina amin’ny fampiasany ny hoe IZY AHO sns… anambarany ny tenany. Ambaran’i Jesosy ihany koa nanana ny voninahitra niarahany nanana tamin’ny Ray Izy fony tsy mbola hary izao tontolo izao (17:5; cf.17:18; 6:62). Manana ny voninahitra maha Andriamanitra efa hatrizay hatrizay Azy Izy, izany hoe tsy voninahitra Azy manokana fa niarahany nanana tamin’ny Ray (Voninahitra Tokana: manambara ny maha-tokana an’Andriamanitra) kanefa amin’ny fiantsoany ny Ray hoe “Ianao” na ny fampiasany ny mpisolo anarana hoe “Izaho” dia manondro ny maha Persona samihafa Azy sy ny Ray izany.

Mazava amin’ny filazany ny tenany ho ny Zanak’Andriamanitra, araka ny foto-pisainana Semitika (izay miorina amin’ny fiheverana fa izay maha izy azy ny ray dia maha izy azy ny zanaka), ny fampitoviany ny tenany amin’Andriamanitra (5:25; 9:35; 11:4; cf. 10:36; 16:15; 17:10; 5:18), na raha lazaina mivantana kokoa: ny fanambaran-tenany amin’ny maha Andriamanitra Azy (10:33). Nivoaka (Grika: exelthon avy amin’ny matoanteny hoe exerkomai: to come out, go away from) avy tamin’ny Ray Izy. Ao amin’ny 8:42 ny kianteny kely grika (preposition) hoe ek natovona ny erkomai dia milaza fa avy amin’Andriamanitra tenany Izy no nivoaka. [Tsy avy tao amin’izay misy ny Ray ihany (Gr: apo, 16:30; cf. 13:3) na avy tamin’ny fiombonana tamin’ny Ray ihany (Gr: parà, 16:27; 17:8), fa avy tao amin’ny Ray tenany indrindra koa (Gr: ek, 8:42; 16:28)]. Ny Ray tenany izany no toerana izay nivoahany nankaty amin’izao tontolo izao.Voafono ao anatin’izany maha Iray ihany Azy sy ny Ray amin’ny maha Andriamanitra Azy sy ny maha Persona manokana Azy. Ao amin’io Jn 8:42 io ihany no hanambaran’i Jesosy tenany fa “Raha Andriamanitra no Rainareo dia ho tia Ahy ianareo satria avy tamin’ny Ray no nivoahako sy nankanesako aty, fa Izaho tsy tonga ho Ahy fa Izy no naniraka Ahy”. (Jereo Jn 16:26, 27; 17:8). Avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo dia hita miaharihary ny firaisan’ny Ray sy ny Zanaka amin’ny maha Andriamanitra Azy sy ny fiavahany amin’ny maha Persona samy mahaleo tena Azy (Jereo Jn 17:24; cf. 15:9 (3:35); 14:31). Vakio koa ny soratra Synoptika, ohatra Lk 4:43 (cf. Mk 1:38); Lk 9:48; 10:16; 4:34; 5:32; 7:19; 19:10: mampiseho ny Tenany izay nirahin’ny Ray sy nivoaka avy tamin’ny Ray koa ireo (cf. Jn 8:42; 10:36; 17:3; 5:23).

e. Ny Fanahy Masina ao amin’ny Soratry Jaona:

Tsy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ihany no iresahan’i Jaona ny fifandraisana sy fiombonana fa mivelatra amin’ny Fanahy Masina ihany koa izany. Ao amin’ny konteksta izay anambaran’i Jesosy ny fiombonany sy firaisany amin’ny Ray (“Raha mahalala Ahy ianareo dia ho mahalala ny Ray ihany koa”, “izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”, “Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray dia ato Amiko”, “ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asany” Jn 14:7,9,10), no ahitantsika ihany koa ny hoe:

“Ary Izaho hangataka amin’ny Ray ary Izy hanome anareo Mpananatra mba ho eo aminareo mandrakizay, ny Fanahin’ny Fahamarinana… Izy hipetraka/honina aminareo ary ho eo aminareo mandrakizay. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho… Amin’izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Ray… Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy… Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; fa ny Mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra ary hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo (Jn 14:16-26)”.

Hita mazava ny fiavahan’ny Persona Telo sy ny fiombonany amin’ny maha Andriamanitra tokana Azy (Jn 14:18,19, 20,21; 14:23). Ny Fanahy Masina dia honina ao amin’ny mpianatry Jesosy mandrakizay, ary ny Ray sy ny Zanaka ihany koa dia honina ao amin’ny alalan’izay fonenan’ny Fanahy Masina izay (cf. Efes 2:22). Jesosy dia tsy hamela azy ireo ho kamboty fa hankao aminy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny Jn 15:26 koa dia mbola mivaky hoe: “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny Fahamarinana izay mivoaka avy amin’ny Ray (Grika: ekporeuomai: to go out, proceed), dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy”. Mbola ampiasaina ihany araka izay nanazavana azy teo ambony ny kianteny kely grika (preposition) ek. Miavaka amin’ny Personan’ny Zanaka ny Fanahy Masina, kanefa mitovy Aminy: manana ny mandrakizay tahaka izay ananany ao amin’ny Ray ihany koa Izy satria nivoaka avy ao Aminy. Ao amin’ny Jn 16:5ff dia mira zotra amin’ny asan’ny Zanaka amin’ny fifandraisany amin’ny Ray ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny fifandraisany amin’ny Zanaka.

Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy/Fanambarana dia hita fa mifanaraka tsara ny fanambaran-tenan’ny Ray sy ny an’i Kristy. 1) Ny Ray: “Izaho no Alfa sy Omega” (1:8); Kristy: “Izaho no Voalohany sy ny Farany” (1:17). 2) Ny Ray: “Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana” (21:6); Kristy: “Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana” (22:13). Noho izany, ny Fanambarana dia mampitovy tanteraka an’i Kristy sy ny Ray; ny filazana kristolojika ao amin’ny 22:13 aza dia mifanakaiky kokoa amin’ ilay fanambarana momba an’Andriamanitra tokana ao amin’ny Isa 44:6; 48:12. Ny Fanambarana dia manambatra ny andraikitry Kristy ao amin’ny famoronana (izay mifototra amin’ny Fahendrena) (ampit. 3:14) sy ny andraikitra eskatolojikany: ny fiaviana eskatolojikan’ Andriamanitra sy ny fiavian’i Kristy dia mitovy tanteraka ao.

Hita mazava amin’ny fivavahana amin’i Kristy koa ny maha Andriamanitra Azy ao amin’ny bokin’ny Fanambarana. Rehefa nitady iankohoka tamin’ny anjely Jaona dia tsy navela hanao izany izy (ampit. 19:10; 22:8f). Mazava ny antony: Jesosy ihany no tokony hivavahana araka ny fototry ny fanambarana izay nomena azy (22:16). Araka izay miseho ao amin’ilay efitranon’ny fiandrianana dia Kristy ihany no iankohofana ao amin’ny 5:8–12 ary iankohofana miaraka amin’ny Ray Izy ao amin’ny 5:13. Ankoatr’izany, ho fanehoana ny maha Iray an’Andriamanitra (22:3f) dia persona tokana (singular) ny mpanaon’ny (subject) matoanteny (verb) amin’ny toerana sasany izay hanondroana ny Ray sy Kristy miaraka (11:15), tahaka izany koa ireo mpisolotena tampisaka (6:17) [eto ny manuscript dia miovaova eo anelanelan’ny singular autou (izy, azy) sy plural autōn (Izy ireo/Azy ireo)]. Manondro tanteraka ny maha tokana an’Andriamanitra izany kanefa koa dia hita mazava ny fiavahan’ny Persona tsirairay avy.

Azontsika tsoahana mazava tsara avy amin’ny Apok 1:5b–6; 5:8–14 sy 22:3f fa Jesosy no nivavahana tamin’ireo Fiangonana izay nivantanan’ny hafatry Jaona. Mampihatra ny fanaon’ny Jiosy amin’ny fomba fankalazana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra Aminy izy ireo tamin’izany. Ny fivavahana amin’i Kristy, izay voarakitra ao amin’ny Fanambarana, àry dia tohan-kevitra mazava tsara fa nahalala sy nametraka Azy tamin’ny toerana maha Andriamanitra Azy ireo Kristiana voalohany.

f. Ny Trinite ao amin’ny teny nanendrena ny Batisa (Mat 28:19-20):
Ny Matio 28:19-20 dia tenin’i Jesosy izay maniraka ny mpianany hanao mpianatra ny firenena rehetra ary hanao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ny fanamarihana voalohany dia izao: tsy “plural” ny teny hoe “anarana” (Grika: onoma: accusative neuter singular).Tsy nataon’i Jesosy ihany koa hoe: “manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray, ho amin’ ny anaran’ny Zanaka ary ho amin’ny anaran’ny Fanahy Masina, i.e., tsy naveriny in-telo ny hoe “amin’ny anaran’ny” (Grika: eis to onoma) fa indray mandeha ihany: “ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina”. Azontsika tsoahina avy amin’izany ny maha-tokana an’Andriamanitra sy ny fisian’ny Persona telo miavaka tsara. Ny teny hoe “anarana” izay “singular” dia manondro ny maha tokana Azy ary ny hoe “ny Ray, sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” dia manondro kosa ny fisian’ny Persona telo izay samy mahaleo tena avy.

Manaraka izany dia mbola mifono hevitra teolojika lalina koa ny hoe “anarana” araka ny fomba fisainana Hebreo. Amin’ny Hebreo, ny anaran’Andriamanitra dia masina sy mitovy amin’Andriamanitra ihany (Deot 28:58). Manambara ny maha Izy Azy sy ny fahamasinany ny anaran’Andriamanitra (Isa 30:27; 59:19). Ny fanononana ny anaran’Andriamanitra dia manambara ny maha-eo (Presence) an’Andriamanitra (Levi 24:11; Jer 14:9; Isa 63:19). Ao amin’io tenin’i Jesosy io àry dia voafono ao anatin’ny teny hoe “anarana” ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra, ary satria “singular” izany dia manaporofo ny maha- TOKANA an’Andriamanitra izany.

g. Ny Trinite ao amin’ny Soratry Paoly sy ny Soratra Sisan’ny TV:

Rehefa mijery ny soratr’ireo Apostoly isika dia mahita ihany koa fa Trinitariana ny fampianarany. Ny Soratry Paoly manontolo ohatra dia Trinitariana ary mifototra amin’ny asa-pamonjena nataon’Andriamanitra tamin’ ny olona tao amin’ i Kristy Jesosy avokoa izany.

Ny soratry Paoly rehetra dia saiky miantomboka avokoa amin’ny teny fiarahabana/vavaka firariana “fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy” (Rom 1:7; 1 Kor 1:3; 2 Kor 1:2; Gal 1:3; Efes 1:2; Fil 1:2; 2 Tes 1:2; 1 Tim 1:2; 2 Tim 1:2; Filem 1:3; cf. 1 Tes 1:1). Loharanon’ny fahasoavana sy ny fiadanana Andriamanitra Ray sy ny Tompo Jesosy Kristy. Ao amin’ny 2 Kor 13:14, ny fanaovam-beloma firariantsoa ataon’i Paoly dia ahitana ny Persona telo. Amin’ny toeran-kafa kosa dia afoheziny hoe: “Ny fahasoavan’ny Tompontsika Jesosy Kristy anie ho aminareo” (Rom 16:20; 1 Kor 16:23; Gal 6:18; Fil 4:23; 1 Tes 5:28; 2 Tes 3:18; Filem 1:25; Efes 6:24); nafohezina kokoa izany ao amin’ny Kol 4:18; 1 Tim 6:21; 2 Tim 4:22; Tit 3:15: “Ho aminareo anie ny fahasoavana”. Azontsika tsoahina avy amin’ny fandrindrana ireo teny fiarahabana sy fanaovam-beloma ireo ny maha-Tokana kanefa Persona telo an’Andriamanitra.

Ny maha tokana an’Andriamanitra dia mibahan-toerana ao amin’ny soratry Paoly (Rom 3:30; 1 Kor 8:4; Gal 3:20; Efes 4:6; 1 Tim 2:5; cf. Rom 16:22; 1 Tim 1:17). Aminy dia tsy ivelan’ny maha Andriamanitra ny Ray ny maha Andriamanitra ny Tompo Jesosy Kristy sy ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny Fanahin’Andriamanitra dia miombona amin’Andriamanitra tahaka ny fiombonan’ny fanahin’ny olona amin’ny olona (1 Kor 2:11). Araka izany, raha mitoetra ao anatintsika ny Fanahin’Andriamanitra dia midika izany fa mitoetra ao anatintsika koa Andriamanitra (Rom 8:10ff.), ka amin’izay fotoana izay isika dia antsoina hoe Tempolin’Andriamanitra (1 Kor 3:16; Efes 2:22). Manambara ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina izany. Ao amin’ny Titosy 2:13 dia lazainy fa fisehon’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika Jesosy Kristy. Manambara ny maha Andriamanitra Azy koa izany. Ao amin’ny Romana 9:5 dia hamafisiny fa “Andriamanitra (izay) isaorana mandrakizay” Kristy.

Ao amin’ny toerana maro amin’ny soratry Paoly dia ahitana ny Persona telo izay samy loharanon’ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho an’ny mino (1 Tes 1:2-5; 2 Tes 2:13,14;Tit 3:4-6; 2 Tim 1:3,13,14). Hita miavaka sady miharihary kokoa izany ao amin’ireto toerana ireto: Efes 2:18; 3:2-5, 14, 17; 4:4-6; 5:18-20. Fa izay manaitra indrindra dia izay voasoratra ao amin’ny 1 Kor 12:4-6 izay anambaran’i Paoly ny fanomezam-pahasoavana izay hitahiana ny Fiangonana amin’ny endrika telo izay mifandray amin’ ny Persona telo. “Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samihafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra”. Ny fihariharian’ny Persona telo sy ny mampiavaka azy ary ny maha-Tokana an’Andriamanitra no tian’i Paoly havoitra eto. Araka izay efa nambarantsika teo ambony ny fitahiam-pahasoavana dia avy amin’ Andriamanitra Telo Izay Iray ao amin’ny 2 Kor 13:14. Araka an’ireo voalaza rehetra eo ambony ireo àry dia tena Trinitariana ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny sorany rehetra.

Izay hitantsika ao amin’ny soratry Paoly dia saiky hita miparitaka ao amin’ireo soratra sisan’ny TV. Ny asam-pitahiam-pahasoavan’Andriamanitra dia aseho amin’ny endrika telo mifandray amin’ny Persona telo dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Vakio ireto: Heb 2:3,4; 6:4-6; 10:29-31; 1 Pet 1:2; 2:3-12; 4:13-19; 1 Jn 5:4-8; Joda 1:20,21; Apok 1:4-6 ). Ireo dia manaporofo fa Trinitariana ny fampianarany.
h. Fanamarihana momba ny Anarana Fiantsoana ny Persona Telo:
Tsara ny manamarika fa tsy mitovy amin’izay ampiasain’i Jesosy tenany ny raiki-pohy ampiasain’i Paoly sy ireo mpanoratry ny TV hafa hilazana ny momba ny Trinite. Jesosy tenany dia mampiasa ny hoe: ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Paoly kosa (sy ireo mpanoratry ny TV hafa ankoatry Jaona), ohatra dia mampiasa ny hoe: Andriamanitra, ny Tompo Jesosy Kristy ary ny Fanahy Masina. Amin’i Paoly ny hoe “Andriamanitra” dia anarana iantsoany ny Persona voalohany na ny Ray. Izany hoe tsy entina hanamarinana ny tsy maha Andriamanitra an’i Jesosy Kristy sy ny Fanahy Masina akory izany. Ny hoe “Tompo” dia anarana tiany iantsoana an’i Jesosy Kristy: Izany hoe Jesosy Kristy no Tompony. Ankoatr’izany dia anarana nomeny an’i Jesosy Kristy amin’ny maha Andriamanitra Azy ny hoe Tompo. Tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy sahin’ny Hebreo/Jiosy niantsoana an’Andriamanitra ny hoe YHWH fa ny hoe Adonai no nampiasainy: noho ny fahamasinan’ny anaran’Andriamanitra no anton’izany arak any fomba fisainan-dry zareo tamin’izany fotoana izany. Io Adonai io no adikantsika hoe Tompo. Izany hoe tsy hafa fa ny YHWH ihany no ao ambadika, izay anarana nambaran’Andriamanitra fa anarany raha nanontany azy momba izany i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 3. Raha ampiasain’i Paoly iantsoana an’i Kristy Jesosy àry ny hoe Tompo dia ny maha Andriamanitra hatrizay ka ho mandraizay Azy no ao antsainy amin’izany.

Ny fiheveran’i Paoly momba ny Trinite dia miainga avy amin’ny maha mpivavaka azy fa tsy avy amin’ ny maha mpanao telojia systematika azy. Ny fifandraisan’i Paoly amin’Andriamanitra Telo Izay Iray no loharanon’ ny fampianarany sy havoitrany ao amin’ny sorany noho ny fampianarana momba ny fifandraisan’ny Persona Telo. Hitany ao amin’ny Trinite ny Andriamaniny, ny Tompony ary ny Fanahy Masina izay mitoetra ao aminy. Efa voalazantsika teo aloha fa ny fanambaran-tenan’Andriamanitra amin’ny olona no manazava ny momba ny Trinite aminy. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy mampilahatra ny Persona Telo tahaka izay fahita ao amin’ny Mat 28:19 (ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) Paoly sy ireo Mpanoratry ny TV hafa (Vakio ohatra 1 Kor 12:4-6; cf. Eph 4:4-6).

 

3. FAMINTINANA

Na dia tsy teny (term) Biblika aza ny hoe Trinite dia hita mazava kosa fa fampianaran’ny Baiboly manontolo. Efa hita sompirana izany ao amin’ny Testamenta Taloha (TT) ary mivelatra kokoa ao amin’ny Testamenta Vaovao (TV). Azo lazaina fa fampianarana anisan’ny sarotra indrindra ity momba ny Trinite ity satria momba an’Andriamanitra sy ny maha-Izy Azy rehetra izany. Mazava ho azy fa tsy ho hain’ny sain’olombelona fantarina amin’ny maha-olombelona azy izany fa Andriamanitra tenany no mampahalala sy manambara izany amin’ny olona. Nanambara ny tenany tao asam-pamoronany, tao amin’ny asam-pamonjeny tao amin’i Jesosy Kristy ary mampahalala sy mampamokatra izany fanambaran-tenany izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Araka izany dia izay mandray izany fanambaran-tenan’Andriamanitra izany no mahazo ny hevitry ny Trinite fa tsy izay miezaka manazava izany amin’ny alalan’ny fahaizana amam-pahalalana ananany akory.

Izao no ambaran’i Jesosy ao amin’ny Jaona 16:12-15: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho kanefa tsy zakanareo ankehitriny. Fa raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia ho lazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo. Izay rehetra ananan’ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo”.

Ho an’Andriamanitra Telo Izay Iray (Triunity) anie ny Voninahitra mandrakizay.

 

Pastora RAFALIMANANA Jean de Dieu,
Mpampianatra Testamenta Vaovao
Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (SALT)
(Lutheran Graduate School of Theology)
Ivory, 301 Fianarantsoa.
PhD Student at Misjonshøgskolen, Misjonsmarka 12, 4024 Stavanger, Norway.
LITERATURE
BibleWorks 8.0.008q.1.
New Revised Standard Version Bible (NRSV). 1998.
Nestle-Aland. Novum Testamentum Graece. 27th edition. Stuttgart: Deutsche Bibelgesellschaft,
1993.
Ny Soratra Masina, nadika tamin’ny teny Hebreo sy Grika. Antananarivo: FMBM, 1994.
Brown, David. The Divine Trinity. London: Duckworth, 1985.
Heron, Alasdair I.C. The Forgotten Trinity. London: Inter-Church House, 1991.
Mascall, E.L. The Triune God. Great Britain: Churchman Publishing Limited, 1986.
Rahner, Karl. The Trinity. Translated by Joseph Donceel. New York: The Crossroad Publishing
Company, 1997.
Torrance, Thomas F. The Christian Doctrine of God, One Being Three Persons. Edinburgh: T&T
Clark, 1996.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *