Ny Baiboly sy ny Homosexualité

homo

Ho valin’ny fangatahana tato amin’ny ZFLM momba ny resaka ny amin’ny “Homosexualité” dia, mandray anjara amin’ny fizarana tandrify antsika ny amin’ny fampianaran’ny fiangonana momba izany ny tenako.

Hatraty am-boalohany anefa, dia manamarika aho fa mivelatra be ny resaka momba ity “sujet” ity noho ny fidadasik’ity planète tany misy antsika sy ny karazan’olona (mpandinika) samy efa namakafaka momba azy ity koa; ao ny manohitra sy ny manohana rehefa samy maneho ny heviny mikasika azy ity.
Noho izany fidadasik’ity resaka ity àry dia hiandany kokoa mankany amin’izay voalazan’ny Baiboly ny fanehoan-kevitro arosoko, satria koa, isika FLM dia miompana amin’ny “SOLA SCRIPTURA sy ny TOTA SCRIPTURA” no entina izaràna ny fampianarana aroso eto amin’ny seraserantsika.

Tsy vao izao androntsika izao no nisy ny toetran’olona “homosexualité” fa efa voalaza hatrany amin’ny Genesisy ny foto-pisainana noraketiny (Genesisy 19:4-9; Levitikosy 18:22). “Sodomita” kosa no iantsoan’I Paoly Apostoly azy ao amin’ny 1 Korintiana 6:9 sy ny 1 Timoty 1:10. Ny voambolana hoe “homosexuel” kosa no noforonin’ny “sciences” taty aoriana, ary voizin’ny mpampianatra sy ny mpanabe samihafa avy any amin’ireny firenen-dehibe ireny ankehitriny.
Miresaka azy ity ny “sciences historiques”, ny “sciences psychologiques” sy « sciences psychiatriques », ny « sciences juridiques » sy izay « sciences feno -iques, -iques », fandinihan’ny sain’ny olombelona ny toetr’olombelona fantatrao tsy ho tanisaiko eto daholo.

Ny fijery amin’ny maha-olona, zava-boahary, noforonin’Andriamanitra, no hitondrana ny fanazavan-kevitra, araka izay ilazàn’ny Baiboly azy, fa tsy ny fijerin’ny fahalalan’ny “sciences” azy.

Ny « homosexualité » raha ny famaritan’ny “sciences” azy dia, ny fifampilàna ara-nofo sy/na ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy na, eo amin’ny samy vavy ihany koa mandrehitra ny “désir” sy ny “plaisir sexuel” tsaratsara sy maharitra kokoa tsy hita eo amin’ny lahy sy vavy mifaneho fitiavana eo amin’ny firaisana ara-nofo (hétérosexuel) (Ohabolana 7: 18 snm), fa eo amin’ny lahy-lahy sy vavy-vavy (homosexuel) kosa dia mahiratra ela izany ; « homosexuel » no ilazàna azy raha samy lahy ary « lesbienne » kosa raha samy vavy miara-monina tahaka ny mpivady. Mifanohitra amin’ny voalazan’ny Genesisy 1 sy 2 izay ampianarina ny amin’ny fanambadiana nataon’Andriamanitra lahy sy vavy izany (antsoina hoe « mariage hétérosexuel »).

Fahiny, dia nampianatra ny mpanabe nifototra tamin’ny fampianaran’ny Baiboly fa, fahotana sy faha-samponana (fahavoazana ara-tsaina sy fanahy) no nahazo ny fironana « homosexuel » araka ny hita tao amin’ny tanànan’i Sodoma sy Gomora. Ankehitriny anefa dia neken’ireo fampianarana « sciences –iques, -ques » isan-karazany ireo ho fomba fiainana azo eken’ny fiaraha-monina kosa izany ; mbola vitsy an’isa izy ireo, mitaha amin’ny « hétérosexuel » ka miezaka handresy lahatra ny fiaraha-monina, toy ny any Europe sy USA sy izay efa manaiky (mbola vitsy an’isa toa ny hita eto amintsika), fa fandavana ny zon’olombelona ny tsi-fanomezana ny zon’izy ireo hivady sy hiara-monina toy ny fianakaviana iray. Ho fiarovana ny heviny dia ambarany fa toetra hatrany ambohoka izany fa tsy mifandray amin’izay lazain’ny Soratra Masina ny amin’ny fahamendrehan’ny fitondran-tena na tsia, na amin’ny lafim-piainana ara-panahy ; toetra efa voafaritra ara-génétique, hoy ny fanaporofoan’izy ireo ara-tsiansa, fa tsy safidin’ilay « homo » sy « lesbian » velively. Koa dia raikitra ny fifandonana ara-poto-kevitra sy ara-socio-politique….

Eo anatrehan’izany ny mpitondra fivavahana tany amin’ireo firenena voalaza tery aloha, dia nanentana ny amin’ny tokony handeferan’ny fiangonana ka izao « mandady izao ny trambo », hoy ny fahendren’ny razambentsika fa, efa misy manaiky ka mitso-drano ny fanambadian’ny « homosexuel sy ny lesbian » ny fiangonana sasany. Be dia be ny tsy manaiky an’izany kanefa, dia mandeha ankehitriny izao ny fomba ahazoana mandresy lahatra ny any amin’ny firenena mandroso (amin’ny alalan’ny sciences sy ny philosophies) ary aty amin’ny tiers monde (mahantra) amin’ny vola araviravy amin’ny mpitondra, toy ny any Asie, sy aty Afrique sns…hahazoana manampy ara-bola (World Bank, IMF, sns…) ny Mpitondra firenena sy ny vahoaka ao aminy !

Ampahany amin’ireo fomba fijerin’olombelona ireo efa anombohako ny fanazavàna ireo, ka tsy tokony ho izany no ainga entina mampianatra.

Araka ny voalaza tery aloha, dia ny mason’Andriamanitra manoratra ao amin’ny Baiboly no hitondrana ny resaka raha mamantatra ny nahariana antsika ho lahy sy vavy araka ny tarehin’Andriamanitra sy ny nanaovany antsika manahaka Azy. Avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no fomba hijerena ny maha-lehilahy sy ny maha-vehivavy notsofin’Andriamanitra rano (mariage) manao ny firaisana ara-nofo mba hitomboan’ny olombelona mpivady (lahy-vavy) sy ny taranany hameno ny tany (Gen. 1 :28 sy ny 9 :7). Mazava izany fa ny mpivady lahy-vavy manao firaisana no ahazoana zaza ka miteraka fianakaviana, araka ny sitrapon’Andriamanitra izay ahitana ny Ray (Lahy) sy Reny (Vavy) ary ny zanaka sy ny taranaka hitombo ka hameno ny tany. Faholotoana sy fahavetavetana ny fandavana an’izany, ary maha-latsaka antsika olombelona ho ambany noho ny biby aza, (satria ny akoholahy fantaka aza dia tsy manenjika pull-coq hanaovany firaisana ara-nofo, fa fantany ny akoho vavy hanaovany an’izany !) satria ny biby (sy ny zava-maniry koa) dia manaraka tsara ny lalàna voajanahary naharian’Andriamanitra hatramin’ny voalohany. Mazava ny voalazan’ny Baiboly fa, ota sy fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny zanak’Isiraely ny fanaovana firaisana ara-nofo eo amin’ny samy mitovy fananahana (Levitikosy 18 : 20-22). Lazain’ny Baiboly hoe « mandry » (Lev.18: 7-23) rehefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny firaisana ara-nofo fa, « mahalala » (Gen.4:1,17, 25) kosa no ilazany azy raha manaraka ny fenitra nahariana azy ho lahy sy vavy, mivady, araka ny namoronan’Andriamanitra azy ny firaisana ara-nofo madio.
Nofongoran’Andriamanitra tsy hisy ny tanànan’i Sodoma sy Gomora vokatr’izany (Gen. 18 :16-19.29 ; 1Kor.6 :9-10 Rom.1 :24-27). Ny faniriana misy ao amin’ny « homosexuel » dia ota sy fahavetavetana ary filàn-dratsy itaoman’ny devoly ny olombelona handà an’Andriamanitra nanao ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy, nanomboka tao amin’i Adama sy Eva ; jereo koa ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 19 : 4-6+.
Nampianatra mazava tsara Andriamanitra fa masina ny fanambadian’ny lahy sy vavy ary madio ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady izay tonga nofo iray (Gen.2 :24). Firaisana masina, milaza zava-miafina ny hoe « nofo iray » satria model-n’ny fiangonana izay, ambaran’i Paoly fa, vadin’i Kristy izany (Efes. 5 :28-32)
Vokatry ny fahotana mihoam-pampana ny fomba fiainana « homosexuel » na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba ahoana. Hampianatra tsara sy hanabe amin’ny toro-hevitra Biblika ny fanabeazana kristiana fa ny firaisana ara-nofo eo amin’ny samy lahy sy samy vavy dia fampianaran’ny Demonia. Noho ny Genesisy toko faha-3 dia niantraika hatrany amin’ny saina sy ny ati-fanahin’olombelona ary ny tenany manontolo ny OTA. Voa ovan’ny OTA ny lafim-piainan’ny taranak’olombelona ka tsy miaina araka ny maha-zanak’Andriamanitra manoa an’Andriamanitra ka hiaina sambatra mandrakizay.

Maro ny antony manosika ny firehana sy ny filàn’ny olona hirona any amin’ny « homosexualité », vokatry ny fitaizana (complexe d’Œdipe), filalaovan-dratsy (teny maloto, sary mamoafady…) , adin’ny mpivady (querelle conjuguale Dada sy Neny) ka mahatonga ny ankizy tsy te-hanambady fa satry foana hiaraka amin’ ilay namana tany amin’ny kilasimandry (Masera) na kilasimandry tany amin-dry Frera, ny fiarahana ao amin’ny Tily zazalahy sy ny Tily zazavavy (mpanazava)….

Toy ny ota rehetra dia, tsy fahamarinana ny fiainan’ny « homosexuel » ary tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra. Koa tandremo sao voafitaka (1 Korintiana 6 : 9-10)

Isika mpino kristiana dia manana anjara lehibe amin’izany fampianarana izany ka hampianatra azy ireo ny Fitiavan’i Kristy ka, hitondra azy eo amin’ny Tompo ary hanome azy ireo toro-hevitra omen’ny Baiboly antsika. Andriamanitra dia Masina nefa tia antsika mpanota, fa mankahala ota. Tiany ho Masina tahaka Azy koa isika (Lev. 11:44; 1Pet.1: 16). Jesosy no mamonjy sy manafaka antsika amin’ny endrikin’ny OTA sy ny filàny manandevo antsika tsy ahaizantsika handray ny FIAINAN-TSAMBATRA MANDRAKIZAY RAISINTSIKA AO AMIN’NY FINOANA AN’I JESOSY, FA IZAY MINO AZY NO MANANA FIAINANA MANDRAKIZAY.

« Tehirizo madio ny tenanao » 1 Timoty 5: 22d.
FLM Ambohimasina Itaosy, October 2015

Mpanolotra: Pastora Randimbison Jacques Euloge
(Master of Arts in Theology, Development & Evangelism).
Pastora FLM Ambohimasina-Itaosy (SPAnta)

Un commentaire

  • Misaotra Pastora fa tena ilaina tokoa ny fampianarana toy izao amin’izao vanin’andro iainantsika izao. Misaotra tompoko!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *