(FEO) Famelabelaran-kevitra momba ny Ankohonana Kristiana

« … fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay » Josoa 24.15
Famelabelaran-kevitra vitsy nataon’ireo Raiamandreny Pastora eto amin’ny FLM momba ny « Ankohonana Kristiana » natao teny amin’ny FLM Ambolokandrina nandritra ny Herinandron’ny Fianakaviana (21-25 novambra 2016) sy teny amin’ny FLM Ambatovinaky tamin’ny Asabotsy 26 novambra 2016 nandritra ny fotoana nokarakarain’ny Vondron’asa ASAKRI (Ankohonana Sambatra Ao amin’ny Kristy).
Hotahian’i Jesosy anie ny Ankohonana rehetra!