Tari-dalana Toriteny Alahady 19 Martsa 2017 (Alahady faha-4 mialoha ny PASKA)

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amin’izao andro iarahantsika lalana amin’i Jesosy eo amin’ny lalan’ny hazofijaliany izao dia indro atolotra anareo indray ny tari-dalana momba ny texte izay ho toriana manerana ny sahan’ny FLM amin’ny Alahady faha 19 Marsa 2017 ho avy izao. Mirary soa tompoko.

Texte : LIOKA 4:31-37

Raha mijery ity texte izay anjarantsika ity isika ry havana dia ahatsikaritra fa voazara ho paragraph telo miavaka tsara izy. Ny and. 31–32 dia paragraph manokana izay manindry ny amin’ny hery sy fahefan’ny tenin’i Jesosy tao amin’ny fampianarany. Mbola manasongadina izany fahefan’ny tenin’i Jesosy izany ihany ny and. 36–37, izay paragraph fahatelo, saingy teo amin’ny fandidiany ny fanahy maloto hivoaka tamin’ny lehilahy demoniaka iray kosa no nisehoan’izany. Ao afovoan’izany no misy ny and. 33–35, izay paragraph faharoa, izay milaza indrindra “ny horohoron’ny devoly, izay antsoin’i Lioka hoe “fanahin’ny demonia maloto” (na “ny demonia izay fanahy maloto”), manoloana izany hery sy fahefan’i Jesosy” izany. Araka izany firafitry ny texte izany àry ry havana dia “ny horohoron’ny devoly sy ny fahareseny manoloana an’i Jesosy sy ny fahefany” no ivon’ity tenin’Andriamanitra ho antsika ity. Izany koa no ventin’ny hafany ho antsika amin’izao vanim-potoana izay iarahantsika amin’i Jesosy eo amin’izao làlan’ny hazofijaliana izao.

I) Araka ny Filazantsara fahatelo (sy Marka) dia ity no fahagagana voalohany izay lazainy fa nataon’i Jesosy. Raha ny Fanjakan’Andriamanitra no venti-kafatry ny Filazantsara dia azo sintomina avy amin’izany fa amin’i Lioka, ny fanorenan’i Jesosy Kristy izany dia amin’ny alalan’ny fandreseny ny devoly sy ny fanjakany. Izany hoe, ny olon’ny Fanjakan’Andriamanitra dia izay nafahan’i Jesosy tao anatin’izany fanjakan’i devoly sy ny fanandevozany izany. Azo tenenina amin’ny fomba hafa miankina amin’ny firafitr’ity texte ity koa izany, izany hoe, “izay hodidinin’i Jesosy sy ny fahefany”, na “izay rehetra ‘ao amin’i Kristy’” no ho olon’afaka amin’ny devoly sy ny fanjakany na ho olon’ny Fanjakan’Andriamanitra marina. Marina fa tsy demoniaka tahaka ity lehilahy eto amin’ity texte ity daholo ny olona rehetra (tsy « possessed » na manana ny demonia monina ao anatiny). Izany anefa tsy midika fa any ivelan’ny fanjakan’ny devoly izay tsy demoniaka. TSIA, rehefa tsy “ao amin’i Kristy”, rehefa any ivelan’ny toerana izay hodidinin’i Jesosy sy ny fahefany izy sy ny mahaizy azy rehetra, na iza izy na iza, dia ao anatin’ny fanjakan’ny devoly sy ny fanandevozany avokoa, eny na dia isika izao aza.

II) Oviana sy taiza no nisehoan’ny hery sy fahefan’i Jesosy tampony, izay toerana tokony hisy antsika mandrakariva koa? Tamin’ny texte izay notoriana tamintsika tamin’ny Alahady faha VI mialoha ny Paska (Alahady faha 5 Marsa), raha nanambara mialoha ny hijaliany sy hahafatesany ary hitsanganany amin’ny maty Jesosy dia niasa tamin’ny alalan’i Petera mba hisakana izany Satana. Nahoana? Satria fantany fa ny hazofijaliana no hisehon’ny hery sy fahefan’i Jesosy tampony izay haharesy azy (Satana) tanteraka. Ahoana ny hanazavana izany? Araka ny Gen. 3:14 dia ny vovo-tany, izany hoe, ny fahafatesana (Gen. 3:19) no sakafo iveloman’ny Satana, na izay isitrahan’ny lelany ka hahazoany fahafinaretana eo amin’ny mahaizy azy rehetra. Araka an’i Paoly, io fahafatesana io dia tambin’ny ota. Araka izany dia mifamatotra ny ota sy ny fahafatesana ary ny devoly. Tsy ny tenantsika ota ihany no nolevonina tao amin’ny fahafatesan’i Jesosy, tsy ny fahafatesana ihany no noresena tao amin’ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty fa Satana sy ny forongony izay nivelona sy nisitraka tamin’izany koa. Tsy Jesosy sy ny fahefany ihany no mampangorohoro an’i Satana sy ny forongony fa mino rehetra izay miombona Aminy tokoa eo amin’izany hazofijaliana izany koa. Noho izany ry havana, tsy amin’izao vanim-potoan’ny làlan’ny hazofijaliana izao ihany fa amin’ny androm-piainanao rehetra dia ny fitoeranao sy ny faharetanao eo amin’izany hazofijalian’i Jesosy izany ihany no mampandresy anao manoloana ny adinao amin’ny Satana sy hamantaran’Andriamanitra ny maha isan’ny vahoaky ny fanjakany anao.

III) Farany: Hoy ny devoly eto amin’ity texte ity “Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra ianao”. Mitovy faneno amin’ny tenin’i Petera izay nisolo tena ny Mpianatra ao amin’ny Jaona 6:69 manao hoe “Izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’Andriamanitra” izany. Hitantsika amin’ireo fa mampiasa ny matoanteny roa hoe “mahafantatra” sy “mahalala” ny Baiboly Malagasy. Afangarontsika matetika ny fampiasana azy ireo. Fa raha tena mifototra amin’ny teny fototra anefa isika dia ahita ny fahasamihafany. Eto amin’ny Lio. 4:34 dia ny matoanteny οἶδα (mahafantatra ao an-tsaina ara-theorie antsipirihany) no nampiasain’i Devoly raha ny matoanteny γινώσκω (mahalala, miombom-piainana nana manao izay zavatra lala ho fiainana) no nampiasain’i Petera ao amin’ny Jao. 6:69 (mifamatotra ny finoana sy ny fahalalana). Fahafantarana amin’ny antsipiriany kanefa tsy mitondra mihitsy firaisam-piainana amin’i Jesosy no nananan’ny Satana. Izy rahateo tsy natao hiombom-piainana Aminy. Tsy mba tahaka izany ny mino marina an’i Jesosy: fahalalana mitondra firaisam-piainana Aminy no ao aminy. Ny mahalala Azy ho ilay Masin’Andriamanitra no isan’ny vahoaky ny Fanjakany fa tsy izay manahaka ny devoly izay mitoetra ho mahafantatra Azy amin’izany mahaizy azy izany ihany. Mpianatra sy mpihaino ny tenin’Andriamanitra isan’andro isika rehetra. Aoka tsy ho mpahafantatra ihany an’i Jesosy sy ny asany amin’izany fa tena ho mpahalala Azy indrindra koa. Ho mpahalala Azy sy ny asany teo amin’ny hazofijaliana satria izany ihany no hiombonantsika Aminy sy ny asany teo ka haha mpandresy antsika mandrakariva manoloana an’i Satana sy ny fanjakany.

Voninahitra anie ho an’Ilay hany Mpandresy ho antsika. Amen.

 

(Nosoratan’i Raiamandreny Pastora Dr. Rafalimanana Jean De Dieu, Mpampianatra ao @ SALT Fianarantsoa)

**** Te Hamaky Baiboly? TSINDRIO ETO

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *