Tari-dalana Toriteny Alahady 12 Martsa 2017 (Alahady faha-5 mialoha ny PASKA)

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy. Indro ary atolotra anareo indray ny tari-dalana momba texte izay ho toriana amin’ny Alahady faha 12 Marsa ho avy izao (Alahady fahadimy mialoha ny Paska)

TEXTE: LIOKA 7:36-50

Ny Filazantsara araka an’i Lioka dia nosoratana kokoa ho an’ny Jentilisa tao anatin’ny Ampira Romana. Araka izany, Lioka dia nampifandray kokoa an’i Jesosy sy ny asany tamin’ireo izay nantsoin’ny Jiosy hoe “mpanota” (Jentilisa, vehivavy janga ary ny mpamory hetra…) (ny voambolana hoe ἁμαρτωλός dia hita matetika ao: 5:8, 30, 32; 6:32–34; 7:34, 37, 39; 13:2; 15:1–2, 7, 10; 18:13; 19:7; 24:7, raha in-11 fotsiny ao amin’ny Matio sy Marka mitambatra). Ny texte eo aloha àry dia andrenesantsika ny fanatonan’ny mpamory hetra (mpanota) an’Andriamanitra raha nandà izany kosa ny Fariseo sy ny Mpahay Lalàna (7:29–30). Voalaza ihany koa fa “Sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota” Izy (φίλος τελωνῶν καὶ ἁμαρτωλῶν, 7:34). Ny texte ao afara kosa dia maneho an’i Jesosy mitory ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo vehivavy (mpanota) izay sitrana ka nanaraka sy nanompo Azy tamin’ny fananany (8:1–3).

(I) Eo anatrehan’izany rehetra izany, ny texte izay anjarantsika dia mitantara ny amin’ilay Fariseo izay nanasa an’i Jesosy hisakafo tao an-tranony sy ilay vehivavy mpanota (γυνὴ… ἁμαρτωλός, 7:37, mety ho Jentilisa izy na vehivavy janga), izay nahakotsa ny tongotr’i Jesosy tamin’ny ranomasony, namaoka izany tamin’ny volondohany ary nanoroka sy nanosotra menaka manitra izany, sy ny resaka momba ny famelankeloka avy tamin’i Jesosy. Ny teny kely hoe INDRO (gr. ἰδοὺ) ao amin’ny 7:37 anefa dia manambara amintsika fa ny momba ity vehivavy mpanota ity sy ny vokatry ny fifanenany tamin’i Jesosy no tena tian’i Lioka hasongadina eto. Mifamatotra tsara amin’ny texte eo aloha ny amin’ny maha “Sakaizan’ny mpanota” an’i Jesosy izany. Kanefa mifamatotra amin’ny texte ao aoriany izay miresaka ny amin’ireo vehivavy (mpanota) sitrana izay nanompo Azy tamin’ny fananany koa. Ny fanontaniana ho antsika dia izao: “Moa ve izay nataon-dravehivavy tamin’i Jesosy eto no nahazoany ny famelankeloka avy Taminy sa nataony kosa izany noho ny efa nahazoany ny famelankeloka?” Ny and. 47a no mamaly izany. Ny fehezanteny Grika hoe ἀφέωνται αἱ ἁμαρτίαι αὐτῆς αἱ πολλαί, ὅτι ἠγάπησεν πολύ dia nadikan’ny Baiboly Malagasy hoe “Voavela ny helony be, FA be fitiavana izy”. Raha izany dia cause-n’ny fitiavana be nataon-dravehivavy mpanota tamin’i Jesosy ny famelankeloka izay natolony. Ny ὅτι manko dia mety manondro ny (1) cause na raison. Olana anefa izany: Moa ve noho ny haben’izay ataontsika amin’Andriamanitra no hamelany ny helotsika? TSIA. Ny New English Translation (NET, jereo koa ny NRSV) kosa dia nandika io fehezanteny Grika io hoe: “her sins, which were many, are forgiven, AS RESULT she loved much” (Voavela ny helony be, VOKATR’IZANY be fitiavana izy”). Eto dia manondro (2) result ny ὅτι. Ity fandikan’ny NET ity no tandrify sy marina ara-teolojia kokoa: Izay voavela heloka no manana sy mahay manompo amim-pitiavana an’i Jesosy amin’ny fananany (ampit. 8:1–3). Izay nataon-dravehivavy eto izany dia fanompoam-pitiavana sy fanajana an’i Jesosy noho ny famelankeloka efa noraisiny Taminy.

(II) Ny texte dia mampitaha an’ilay Fariseo (ampit. and. 30) sy ity vehivavy mpanota ity. Ilay Fariseo: Niantso an’i Jesosy hoe “Διδάσκαλος” (eng. teacher, mpampianatra). Olona manan-kaja teo amin’ny fiarahamonina izany: Ny fanasana ny tongony sy fanorohana ny handriny sy fanosorana diloilo ny lohany mialoha ny sakafo no mari-panajana tandrify Azy araka izany fahalalany Azy izany. Ny fampiasan’i Jesosy ny raiki-pohy hoe “Voavela ny helokao” ao amin’ny and. 47a anefa dia milaza fa tsy “mpampianatra” ihany Izy fa tena Andriamanitra mihitsy (raiki-pohy naneho ny mahaizy Azy an’Andriamanitra izany tao amin’ny TT). Jamba manoloana an’izany rehetra izany ity Fariseo ity. Izany dia milaza amintsika fa ny mpanamarin-tena dia tsy jamba ihany manoloana ny heloky ny tenany, na dia mahiratra BE manoloana ny heloky hafa aza, fa jamba koa manoloana an’i Jesosy sy ny mahaizy Azy ary ny asany. Vokatr’izany, sady tsy amokaran’ny asan’i Jesosy izy no tsy mahay manompo sy manaja ary mankasitraka Azy.

(III) Ny Hazofijaliana sy ny Famelankeloka (Paska): Iza no tena mandray ny vokatry ny asan’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana (famelankeloka)? Ny mpanota izay mibebaka ka mandray izany amim-pinoana (and. 50). Inona no entin’izany eo amin’ny fiainan’izay voavonjy na voavela heloka? Fiainam-baovao izay ahariharin’ny fanompoam-pitiavana amim-panetrentena sy fanajana ary fanomezam-boninahitra/fankasitrahana tanteraka an’Andriamanitra/Jesosy (amin’izay ananany rehetra).

Voninahitra anie ho an’ilay Sakaizan’ny Mpanota sy hany Mpamela heloka. Amena.

 

(Nosoratan’i Raiamandreny Pastora Dr. Rafalimanana Jean De Dieu, Mpampianatra ao @ SALT Fianarantsoa)

**** Te Hamaky Baiboly? TSINDRIO ETO

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *