NY FAHOTAN’NY ZANAK’ISRAELY NO NAHATONGA NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA

Ny Trano Fiangonana FLM Tobilehibe Farihimena

Fampianarana Soratra Masina: NY FAHOTAN’NY ZANAK’ISRAELY NO NAHATONGA NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA

(Azonao henoina ery ambany koa ny fandraisam-peo)

Teny fanorenana

“Raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany, dia hamely anareo amin’ny fahatezerana Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo (Lev 26: 27-28).

Fitarihanteny

            Araka ny ahalalantsika an’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina dia fitiavana Izy ary ny famindrampony sy ny fiantrany no ampiasainy ho fanehoana izany. Tsy ny momba an’io toetra maha-Izy Azy io anefa no hodinihintsika amin’izao fampianarana izao fa ny amin’ny fahatezerany. Ary voalaza sy voafaritra mazava tsara amin’ny lohateny eto fa raha ny TT no jerena dia ny fahotan’ny Zanak’Israely no antony nahatonga izany fahatezeran’Andriamanitra izany. Izy rahateo efa nanafatra mafy ny Zanak’Israely hoe: ““Aoka ho masina ianareo satria masina Aho Jehovah Andriamanitrareo (Lev 19: 2)”

Noho izany àry dia haroso misesy amintsika eto ny amin’ny fahotan’ny Zanak’Israely sy ny fahatezeran’Andriamanitra vokatra izany. Ary amin’ny farany dia hodinihina ihany koa ny momba antsika eo anatrehan’Andriamanitra akehitriny.

1.Ny fahotan’ny Zanak’Israely

Maro samihafa ny karazam-pahotan’ny Zanak’Israely voalaza ao amin’ny TT fa ny lafiny 2 amin’izany ihany no hovisavisaintsika eto. Tsy inona izany fa ny fahotana aram-pivavahana sy ara-piarahamonina na ara-sosialy.

1.1. Ny fahotana aram-pivavahana

Raha tsorina dia ny fanompoantsampy no fototry fahotana aram-pivavahan’ny Zanak’Israely. Maromaro ny andriamani-kafa na sampy notompoin’ny Zanak’Israely, ka i Baala sy Astarta no voalohany sady ratsy indrindra tamin’izany; dia tao koa ilay ombilahikely volamena, ireo rehetra teny amin’ny lanitra, Moloka sy Kemosy, ary ny Terafima. Toy izao no fanazavana ny amin’izy ireo ankapbeny:

Baala

“Tompo [maître]” no dikany. Io Baala io no lehiben’ny andriamanitry ny Fenisiana sy Kananita, izay mpihavana ara-pirazanana. Natao hoe “andriamanitry ny kotroka sy ny orana” izy io ary dia ninoan’ny Kananita fa izy no mpiantoka ny fahavokarana teo amin’ny tany sy ny biby fiompy ary tamin’ny olona ihany koa aza. Noho izany dia ilay atao hoe “fivavaham-pahavokarana” (culte de fertilité), izay nanaovana “fijangajangana aram-pivavahana” (prostitution sacrée) no nampiasaina tamin’ny fanompoana azy. Nisy alitara mandrakariva tamin’ny toerana masina nanompoana azy io. =>Araka izany dia tsy vitan’ny fanompoantsampy fotsiny ny fivavahana tamin’i Baala fa tena fahavetavetana ratsy indrindra teo imason’i Jehovah, nitovy faharatsiana tamin’ny nataon’ny mponin’i Sodoma sy Gomora.

Niitatra tamin’ny fokom-pirenena samihafa ny fanompoana an’io Baala io ka anisan’ny tafalatsaka tamin’izany ny Zanak’Israely.

Astarata

Natao hoe “Aseraha” ihany koa no fiantsoana azy io. Andriamani-bavin’ny Sidoniana/Fenisiana izy io kanefa tonga nalaza tamin’ny Kananita ihany koa. Mandrakariva dia tamin’ny alalan’ny andri-hazo (Poteau/Totem) no nanehoana azy io ka izany no ilazana matetika ao amin’ny Testamenta Taloha hoe “kapao ny Aseraha-ny” fa tsy mba hoe “Ravao ny Aseraha-ny”.

Araka ny finoan’ny Kananita nanompo azy dia renin’i Baala i Astarta kanefa toa vadiny koa. Noho izany dia nitambatra mandrakariva ny fanmpoana azy roa ireo. Voalazan’ny mpandinika sasany fa i Baala dia maneho ny lanitra fa i Astarta kosa ny tany ka ny firaisan’izy ireo no miteraka ny orana. Araka izany dia tsy inona no nilana ilay fijangajangana aram-pivavahana tamin’ny fanompoana azy ireo fa ho famporisihina izany firaisan’izy ireo izany mba hahazo antoka ny rotsak’orana hahalonaka ny tany sy ny zavatra rehetra, hatramin’ny biby fiompy sy ny olombelona.

Marihina fa talohan’ny nidiran’ny Zanak’Israely tany Kanana dia efa nodidian’i Jehovah izy ireo handringana ny Kananita, niaraka tamin’ireo sampy ireo, ho fanadiovana ilay tany nampanantenaina. Ireto no santionan’izany didy izany:

– “Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamanitr’ireny (Kananita) ianao (Israely) na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangambaton-tsampiny (Eks 23: 24).

– “Fa izao kosa no ataonao aminy (Kananita): ny alitarany horavanao, ary ny tsangambaton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao ary ny sarin-javatra voasikotra hodoranao amin’ny afo” (Deo 7: 5).

– “…Aoka tsy hiantra azy (Kananita) ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny fa ho tonga fandrika aminao ireny” (Deo 7: 16).

– “… sy ho tonta aminareo; ary ho fanindronana amin’ny tehezanareo sy ho tsilo amin’ny masonareo mandram-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’i Jehovah Andrimanitrareo anareo ity.” (Jos 23: 13)

Tsy nahatanteraka izany didin’i Jehovah izany anefa ny Zanak’Isiraely ka dia maro tamin’ny Kananita no tonga mpiaramonina tamin’izy ireo. Vokatra izany dia voafandrika tokoa izy ireo satria lasa nanompo an’i Baala sy Astarta tamin’ny fitoerana avo samihafa; ary tamin’ny fotoana sasany aza dia tafiditra hatrany amin’ny Tempoly mihitsy ny fivavahana tamin’ireo sampim-pahavetavetan’ny Kananita ireo.

Ilay ombilahikely volamena

Araka ny voalaza ao 1 Mpanjaka 12: 28-29 dia i Jeroboama I, mpanjaka voalohany tany Israely avaratra, no nampanao an’io ombilahy kely volamena io  sy nametraka azy tany Samaria sy Betela ary Dana hotompoin’ny vahoakany, ka izany no nampanotany ny Israely, hoy ny SM.

Voalazan’ny mpandinika fa fomba fanao hatramin’ny ela teo amin’ny Kananita sy ny fokom-pirenenan’ny faritra Atsinanana Akaiky Tranainy (Ancient Proche Orient), indrindra ny Egyptiana, ny fampiasana sarivongan’ombilahy kely volamena (veau d’or) teo amin’ny fivavahany satria ny ombilahy (taureau), araka ny finoan’izy ireo, dia fanehoan-kery (puissance) sy fahavokarana (fertilité). Araka izany dia azo nampiarahina tsara ny fanompoana an’dry Baala sy Astarta ary io ombilahy volamena io.

Araka ny voalaza ao amin’ny Eksodosy dia nanompo sahady an’io ombilahy kely volamena io ny Zanak’Israely fony izy ireo niomana handray ny Didy  Folon’i Jehovah teo am-pototry ny tendrombohitry Sinay. Manambara izany fa nety ho efa zatra nanompo azy io tany Egypta izy ireo. Tezitra tamin’io fivadihan’ny Zanak’Israely taminy io Jehovah ka maro tamin’izy ireo no naringany.

Ireo rehetra eny amin’ny lanitra

Ny fivavahana amin’izay eny amin’ny habakabaka (culte astral) no lazaina amin’ireo teny ireo. Fivavahana avy tamin’ny Asyriana sy Babyloniana (Asyro-Babyloniana) izay nifototra indrindra tamin’ny fanompoana ny masoandro (Shamash) sy ny volana (Sin) ary koa ny kintana samihafa (Zodiaka [constellations]) izany. Nanokanana kalesy masina sy soavaly masina natao fanatitra isan-taona ireo andriamanitry ny habakabaka ireo. Araka ny hita ao amin’ny 2 Mpanjaka 16: 10-16 sy 21: 3-5 dia Ahaza sy Manase no nampiditra io karazam-panompoantsampy io tao amin’ny Tempoly mba ho filana sitraka tamin’ny Asyriana. Marihina fa i Baala ihany koa dia ninoana ho andriamanitry ny lanitra (satria andriamanitry ny kotroka) ka dia nampiarahina mandrakariva tamin’ny fanompoana azy io fivavahana tamin’ny masoandro sy volana ama-kintana io.

Moloka

“Moloka” na “Milkoma” na “Moleka” ihany koa no fiantsoana azy io. Andriamanitry ny Amonita, taranaky Lota tamin’ny zanany vavy faharoa izy io. Naseho tamin’ny alalan’ny sary vongana vy hobok’aty miendrik’olona manatrika sy manatsotra fela-tànana roa izy io. Nisy vava-fatana teo ambaniny mba ho fanohofana afo kitay hahatonga azy hafana mivaivay sy hidorehitra mena.

Araka ny voalazan’ny mpandinika dia ankizy lahy na vavy, izay nodorana/nendasina velona teo ambon’ireo fela-tànany mitsotra ireo, no fanao fanatitra ho an’ity sampy Moloka mampidi-doza ity. Toa sampy efa nahazatra ny Kananita talohan’ny nahazoan’ny Zanak’Israely ny tany Kanana io satria anisan’ny nametrahan’i Jehovah didy mazava fony izy ireo mbola tany am-pototry ny tendrombohitry Sinay hoe: “Aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’i Moloka ny zanakao” (Lev 18: 21; Deot 18: 10a). Hoy koa Jehovah hoe: “Na iza na iza eo amin’ny Zanak’Israely, na amin’ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’i Moloka dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy” (Lev 20: 2).  Na mafy toy izany aza anefa ny didin’i Jehovah dia nahazo vahana teo amin’ny Isirely ihany ny fanompoana an’io Moloka tsy mifaditrovana io.

Kemôsy

Andriamanitry ny Moabita, taranaky Lota tamin’ny zanany vavy matoa io Kemôsy io. Nanompo azy koa anefa ny Amonita noho ny rohim-pihavanana teo amin’ny samy taranaky Lota.

Araka ny hevitry ny mpandinika dia tokony ho io Kemôsy io ihany no Bala-peora/Bala-zeboba. Toa andriamanitry ny habakabaka (dieu astral) ihany koa izy io satria rehefa nanaovan’ny mpikaroka fanadihadiana dia tsy hafa io fa mety ho ny iray tamin’ny planeta “Mars” sy “Saturn”.  Noho izany dia ny sarin’ny “kintana mainty” (black star) no natokana ho mari-pamantarana azy manokana.

Terafima

Sampim-pianakaviana isan-tokantrano (fétiche familiale) natao endrik’olona voasikotra tamin’ny tapa-kazo izy io. Matetika dia nampiasaina tamin’ny fanandroana (divination) io Terafima io ary nitokiana ho mpiantoka ny fahasoavana sy ny haren’ny fianakavian’izay nitana sy nanompo azy. Maro tamin’ny Zanak’Israely no nitahiry sy nampiasa an’io “terafima” io ho fanontaniana sy fila-kevitra tamin’i Jehovah, toy ny fanao tamin’ny “efoda” na koa tamin’ny “Orima” sy “Tomima”.

Heverin’ny mpandinika sasany fa noho io terafima io no nahatonga an’JEHOVAH nandrara ny Zanak’Israely tamin’ny alalan’ny Didy Folo tsy hanao sarin-javatra voasikotra.  Araka izany dia karazan-tsampy efa fampiasan’ny Kananita talohan’ny nahazoan’ny Zanak’Israely ny tany Kanana io “terafima” io.

Ireo no santionan’ny andriamani-kafa na sampy notomin’ny zanak’Israely ka nahatonga an’Andriamanitra ho tezitra tamin’izy ireo.

èAnkoatra ireo fanompoantsmpy ireo dia noraran’i Jehovah mafy koa ny Zanak’Israely tsy hanatona ny mpanao fankatoavana (mpanao “envoûtement), ny mpanandro, ny mpanao sikidy, ny mpanao ody, ny manao azy ho masim-bava, ny manao azy ho tsindrian-javatra, ny mpanao hatsarana, ny mpanontany amin’ny maty; fa fahavetavetana eo imason’Izy Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany…”

            Araka ny hita ao amin’ny TT anefa dia nisisika nanatona ireo ihany ny Zanak’Israely ka dia anisan’ny nampirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’izy ireo koa izany.

Izay ny amin’ny fahotana aram-pivavahan’ny Zanak’Israely fa toy izao kosa ny momba ny fahotana sosialin’izy ireo.

1.2. Ny fahotana sosialy

Anisan’ny hafatra lehibe napetraky Jahovah tamin’ny Zanak’Israely ny hifampitondran’izy ireo ara-pahamarinana sy ara-drariny ka hifanampy sy hifampitsinjo amin’ny zavatra rehetra. Ohatra amin’izany ireto teniny manaraka ireto:

– “Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo” (Eks 22: 21).

– “Aza manao an-keriny amin’ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.” (Lev 19: 13).

– “Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah” (Lev 19: 18).

– “Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ny taninao izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ny rahalahinao malahelo; fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy” (Deo 15: 7-8).

– “Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ny asanao rehetra sy amin’izay rehetra ataon’ny tananao. => Fa ny tany tsy ilaozan’olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ny taninao” (Deo 15: 10-11)

– “Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? => Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao ianao?” (Isa 58: 6-7)

– “Aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.” (Amo 5: 24).

Raha mandinika ny fiarahamonin’ny Zanak’Israely ao amin’ny TT anefa isika dia saika nodikain’izy ireo sy nataony tsinontsinona avokoa ireo teny sy hafatry Jehovah ireo. Ao amin’ny bokin’ny mpaminany, indrindra ny bokin’dry Amosa sy Hosea , no ahitana indrindra ny fiapangana izany ota spsialin’ny Zanak’Israely izany.

Raha lazaina ankapobeny dia:

– natao tsinontsinona sy nampahantraina ny tsy mba nana-kiahy, toy ny mpitondratena sy ny kamboty;

=> Izao anefa no tenin’i Jehovah: “Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo. Fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin’ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo” (Eks 22: 21-23);

– naorin’ny manampahefana sy ny mpanam-bola ny trano sy tanim-bahoaka,

=> Izaoa anefa no nampilazain’i Jehovah: “Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin’ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony,” (Isa 5: 8)

– nanjaka ny vatomizana tsy marina mbamin’ny famarana sy fandrefesana mandainga,

=> Jehovah anefa nandidy hoe: “Mizana marina, vato marina, famarana marina, no hotananareo” (Lev 19: 36);

=> Hoy koa ny Ohabolana 11: 1: “Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany”;

– nanararaotra ny mpampanjana-bola sy mampisambo-bola ka naka zana-bola nihoampampana,

=>  Hoy anefa Jehovah: “Raha mampisambo-bola ny oloko izay malahelo eo aminao ianao, dia tsy ho toy ny mpampanana vola aminy; fa tsy hampandoa zana-bola azy ianao” (Eks 22: 24);

– nanjaka ny kolikoly sy fahalovana;

=> Hoy anefa Jehovah: “Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina” (Deo 27: 25);

– nanjaka ny fitsarana miangatra;

=> Jehovah anefa nilaza mazava hoe: “Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena” (Deo 27: 19);

– nanjaka ihany koa ny fijangajangana sy fisotroa-toaka ka hatramin’ny mpisorona avy no mamo sy mandoa teo amin’ny alitara nanaterany fanatitra.

=> Izao anefa no nampilazain’i Jehovah:

. “Tsy hamindrako fo ny zanany, satria zanaky ny fijangajangana ireny” (Hos 2: 6);

. “Lozan’izay fatratra nefa amin’ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin’ny fampiharoharoana toaka ihany” (Isa 5: 22)

Santionany ihany tamin’ny ota sosialin’ny Zanak’Israely ireo notanisaina ireo fa fa ny bokin’i Hosea sy Amosa no milaza azy feno ka aoka hamakyireo isika.

2. Ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotan’ny Zanak’Israely

Ny atao hoe “fahatezerana” dia “fihetsehampo” tsy mahazaka faharatsiana sy tsy fahamarinana ataon’ny hafa ka miteraka alahelo sy fahasosorana. Ary rehefa miseho izany dia tonga ho azy ny fihetsika tsy voafehy (reactions), toy ny teny mahery sy fikasihan-tànana etc… an’ilay nanao ratsy na nanao hadisoana.

Izay no azo ilazana ny “fahatezerana” amin’ny ankapobeny, raha ny toetrantsika olombelona no ijerena azy. Dia mitovy amin’izany koa ny amin’ny “fahatezeran’Andriamanitra”, satria vokatra ny tsy fahazakany faharatsiana sy tsy fahamarinana no mahatonga azy. Marihina anefa fa samy hafa tanteraka ny toetry ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny fahatezerantsika olombelona.

Ny antsika olombelona dia azo tsorina ho fahatezerana ratsy satria rehefa tezitra isika dia tsy mihevitra afa-tsy ny hanafay sy hamono sady manao teny tsy voahevitra mba hampitony ny fontsika malahelo sy sosotra.             Afa-tsy izany dia tsy rariny ny fahatezerantsika olombelona satria isika koa manao ratsy sy fahadisoana mandrakariva amin’olona ka nahoana no malaky tezitra rehefa mba voan’ny faharatsiana sy fahadisoan’ny sasany. Koa na noho ny faharatsian’ny hafa sy ny fahadisoany aza no mahatonga ny fahatezerantsika dia tafalatsaka amin’ny faharatsiana koa isika amin’ireo fihetsika tsy voafehy manafay sy mamono na manao teny tsy voahevitra voalaza teo ireo. Vokatra izany dia lasa ratsy noho ilay ratsy nahatezitra antsika isika. => Izany no mahatonga ny Salamo 4: 4 mananatra hoe: “Tezera, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.”

Fa ny fahatezeran’Andriamanitra kosa dia masina sy rariny  satria noho ny fahamasinany no tsy ahazakany ny fahotantsika olombelona ary noho ny fahamarinany no tsy ahaleferany ny tsy fahamarinantsika ka manetsika sy mampirehitra ny fahatezerany amintsika. Izany hoe, tsy hafa ny fahatezeran’Andriamanitra fa fihetsehan’ny fahamasinany manohitra ny fahotantsika olombelona.

Azo oharina amin’ny rano izany, izay raha hetsehina na tabaina dia mampiseho fihetsika amin’ny alalan’ny onja mety mitera-doza mahafaty. Tsy izany manonja izany no tena toetran’ny rano fa fahatoniana sy filaminana mahafinaritra sady tsy mba misy fitongilanana fa marina mandrakariva, araka ny fitenintsika hoe “marin-drano”.

Rehefa tezitra Andriamanitra dia mitsara sy manafay ny mpanao ratsy/mpanota Izy ka loza tokoa ny azon’ny tàna-maheriny. Izany no nilazany tamin’ny Zanak’Israely hoe: “Raha tsy mihaino Ahy amin’izany ianareo, fa mbola manohitra Ahy ihany, dia hamely anareo amin’ny fahatezerana Aho; ary Izaho dia Izaho no hampijaly anareo impito indray noho ny fahotanareo (Lev 26: 27-28).

Izany koa no nitenenany mafy azy ireo ao amin’ny Deoteronomia 31: 17 hoe: “Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?”

Toy izany koa ny voalazany ao amin’ny Deoteronomia hoe 32: 22 hoe: “Fa arehitra ny afon’ny fahatezerako, ka mandoro hatrany amin’ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, sady mandevona ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy ary mampirehitra ny fanambanin’ny tendrombohitra aza. Havangongoko aminy ny loza betsaka; ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako”.

Izany no nampitandreman’i Josoa ny Zanak’Israely tamin’ny fotoan’androny hoe: “Amin’izay hivadihanareo ny faneken’i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo (Jos 23: 16)”.

Rariny sy hitsiny tokoa izany fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny Zanak’Israely sy famaliany azy ireo izany satria voalaza teo fa tsy mahazaka ny otan’ny fanompoantsampy ny fahamasinany. Toy izao ny filazan’ny mpaminany ny santionan’izany fahatezeran’Andriamanitra noho ny sampin’ny Isdraely izany:

– “Ary horavako ny fitoerana avonareo, sy hokapaiko ny tsangan-kazonareo ho an’ny masoandro, ary ny fatinareo dia hariako eo ambonin’ny fatin’ny sampinareo, ary ho halan’ny fanahiko ianareo.” (Lev 26: 30);

– “Efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an’ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; ary nanafintohina azy teo amin’ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin’ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ny lalana tsy voavoatra,” (Jer 18: 15)

– “Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an’ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan’ny sampinareo ny fatinareo; ary ny fatin’ny zanak’Isiraely hataoko eo anoloan’ny sampiny; ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny ” (Eze 6: 4-5);

– “Ary hatsingerina aminareo ny fahavetavetanareo, ary ho entinareo ny heloka noho ny sampinareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo” (Eze 23: 49);

– “Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin’ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho” (Eze 6: 9-10).

Ireo no santionany maneho ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotan’ny fanompoantsampin’ny Zanak’Israely. Ny amin’ny ota sosialy kosa dia efa nampiarahina tamin’ny fitanisana ny santionany koa ny teny milaza ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra azy.

Tsy nety niala tamin’ireo fahotany ireo ny Israely na dia nanarin’Andriamanitra mafy tamin’ny alalan’ny mpaminany maro nifandimby aza. Izy anefa efa nanafatra mafy ny Zanak’Israely hoe: “Aoka ho masina ianareo satria masina Aho Jehovah Andriamanitrareo” (Lev 19: 2). Noho izany dia nofaiziny mafy tamin’ny alalan’ny fahababoana izay ireo, ka ny Israely avaratra nobaboin’ny Asyriana ary ny Israely atsimo (Joda) nobaboin’ny Babyloniana. Araka ny efa nambara teo dia rariny tokoa izany fahatezeran’Andriamanitra sy famaizany izany satria nidika ho fikomiana taminy ny fizirizirian’ireo olony ireo tamin’ny fahotana efa fantany fa tsy zakan’Izy Andriamanitra.

Araka ny efa nambara anefa dia tsy ny fahatezerana no toetra maha-Izy Azy an’Andriamanitra fa ny fitiavana omban’ny famindrampony sy fiantrany. Koa na nofaiziny noho ny fahotany aza ny Zanak’Israely dia tsy nafoiny fa nomeny teny fikasana namelom-panantenana sy naveriny nody tamin’ny taniny rehefa avy nodioviny ho tonga Israely vaovao. Santionany vitsivitsy momba izany ireto tanisaina ireto:

– “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin’i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin’ity tany ity ianareo. Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany” (Jer 29: 10-11);

– “Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo; eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan’i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy” (Isa 66: 13-14);

– “Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.

4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin’ny dihin’ny mifaly” (Jer 31: 3-4);

Izay ny amin’ny fahotan’ny Zanak’Israely nampirehitra ny fahatezeran’Andriamanitra ary ny famaizany azy ireo sy ny teny fikasany noho ny fitiavany sy famindrmpony. Fa mba ahoana kosa ny amintsika kristiana ankehitriny?

4. Fampiharana

Isika kristiana ni Isdraely vaovao noho ny fanekena vaovao nataon’i Jesosy ho antsika tamin’ny rany masina. Ambaran’ny Soratra Masina koa fa noho ny finoana sy fandraisana ny famonjen’i Jesosy dia zanak’Andriamanitra ambany fahasoavany isika fa tsy ambany fahatezerany tahaka ny tsy mino. Ary dia tena tian’Andriamanitra tokoa isika ka avelany heloka sy omeny fiainana mandrakizay ary stahiany sy karaarainy isan’andro amin’izay rehetra mahasoa antsika. Fantatsika tsara ilay teniny hoe “ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany”. Amafisin’i Jesosy izany ka hoy Izy: “Aza manahy ianareo ka manao hoe: ‘Inona no hohaninay? na hosotroinay? na hotafinay? fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany” (Mat 6: 31-32). => Dia hoy koa Izy: “Ampy anao ny fahasoavako” (2 Kor 12: 9).

Ny zavatra marihina sy tokony hotsarovantsika mandrakariva anefa dia izao: “tsy miova ny tsy fahazakan’Andriamanitra fahotana noho ny fahamasinany sy fahamarinany”. Koa na tia antsika aza Izy dia mirehitra ny fahatezerany rehefa manota isika. Ny olana anefa dia matetika tsy mieritreritra loatra an’io fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotana io isika satria efa manana ny fahasoavan’i Jesosy ialokalofana. Dia manjary tsy matahotra an’Andriamanitra ihany koa fa manota isan’andro. Ary ny loza dia manota tsy mahatsiaro mibebaka akory.

Raha tsorina ny filaza azy dia toa ny fahasoavana no mahatonga antsika ho sahisahy manarampo amin’ny fahotana. Toa misy hevitra hafahafa misisika sy raiki-tapisaka ao anatintsika ao hoe: “na be toy inona aza ny faotana tsy ho afaky ny fahasoavana ve?” Hevi-dratsin’ny devoly anefa izany ry havana ka aoka hialantsika folo mandifotr’olona satria ny namonjen’i Jesosy antsika tamin’ny fahasoavany dia ny hahafaka antsika amin’ny ota ary koa ny  ho tonga olom-baovao ao aminy sy hitombo isan’andro amin’izany fa tsy hiverina ho andevozin’ny ota sy haosinkosin’ny devoly amin’io ota io. Izany no mahatonga an’i Paoly miteny hoe: “Inona ary no holazaintsika? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?” (Rom 6: 1). Araka izany dia aoka ho fantatsika fa natao ho hery iasan’ny FM ao anatintsika handresentsika ny ota ny fahasoavana fa tsy ho fialokalofana amin’ny ota.

Aoka àry ho tsaraovantsika tsara fa masina sy marina Andriamaitra Raintsika ka tsy mahazaka an’io fahotana ataontsika isan’andro io. Tsy zakany koa ny fanararaotantsika ny fahasoavany ao amin’i Jesosy Zanany mba hanaranantsika fo amin’ny fahotana sy izao karazam-paharatsiana rehetra izao. Mampirehitra ny fahatezerany izany. Manakona ny tavan’Andriamanitra amintsika koa izany satria ny otantsika rehetra sy ny heloka vokatra izany dia mitsangana ho efitra mampisaraka antsika aminy.

Raha lazaina ankapobeny ny amin’ny fahotantsika kristiana ankehitriny dia ny efa nahadiso sy nahameloka ny Zanak’Israely teo anatrehan’Andriamanitra ihany no ataontsika. Tsy inona izany fa ny fanompoantsampy sy ny ota sosialy. Feno fanompoantsampy ity tanintsika ity sy ny fiainantsika.

Voalohany amin’izany ny fanompoantsampy ara-bakiteny amin’ireny doany samihafa ireny, izay miha-mahazo vahana amin’izao fotoana izao satria maro ny kristiana voababon’i Satana mandeha any.

Manaraka izany ny fanompoana razana, izay odian’ny kristiana maro tsy fantatra ny maha-fanompoantsampy azy.

Ao koa ny fanompoana ireo karazam-panahy ampiasain’ny devoly ho famitahana, toy ny kalanoro, izay malaza mihitsy ankehitriny ka maro koa ny kristiana lasan’ireny.

Ankoatra ireo ohatra voatanisa ireo ny sampy vola (mamôna), izay fiasana maherivaika toka eo an-tànan’ny devoly satria tsy misy zava-dratsy tsy vitan’ny vola eto amin’izao tontolo izao.

Dia ao rahateo koa ny sampy ody ratsy sy fijangajangana ary voninahitra sy fahefana etc…

Samy manjaka amin’ny fiainantsika kristiana ankehitriny avokoa ireo rehetra ireo.

=> Ny amin’ny ota sosialy, izay azo lazaina ho voka-dratsin’ireo sampy voalaza ireo, moa dia tena manjaka tokoa amin’ny karazany rehetra. tokoa ny tanintsika sy ny fiarahamonintsika. Tsy hita ho tanisaina antsimpirihany izany fa ny ilazana azy amin’ny teny tokana dia “feno faharatsiana” ny tanintsika sy ny fiarahamonintsika, hatrany amin’ny ankohonantsika, ary hatraty am-piangonana mihitsy aza.

Mampalahelo sy mampahatezitra an’Andriamanitra izany ry havana. Ary ny tsy manafay mivantana toy ny nataony tamin’ny Zanak’Israelin’ny TT aza Izy, dia azo lazaina ho efa famaizana ihany izao olana sy korontandrotan-dava ary fahoriana mitankosina tsy zaka akifika etc… mianjady amintsika izao.

Tezitra noho ny fahotantsika tokoa Andriamanitra satria tsy Andriamanitra intsony Izy raha faly amin’izany. Andriamanitra fitiavana sy mpamindrafo anefa no tena toetra maha-Izy Azy ka raha mibebaka amin’ny fo torotoro eo ambany fitarihan’ny FM sy miverina aminy ao amin’i Jesosy Tompo isika dia mamela ny helotsika rehetra Izy sady manafaka antsika amin’ny fahoriana sy olantsika rehetra. =>Mazava tsaara ny teniny ao amin’ny 2 Tantara 7: 14 hoe: “Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny”. => Hoy koa i Petera ao amin’ny Asan’nyApostoly 3: 19: “Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo”.

Amafisina àry ry havana fa mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra mandrakariva ny fahotantsika ka aoka mba samy hahatsiaro hibebaka sy hiaiky izany eo anatrehany isika satria voalazan’ny Soratra Masina fa tsy ambinina izay manafina ny fahotany fa izay mitsotra ka mahafoy,izany no mahazo famindrampo (Oha 28: 13). Ka ny hafatra dia izao: “Aoka tsy havela hitambatra ny fahotana mba tsy hahatonga ny fieritreretantsika ho voatampin’ny vy mahamay fa hibebahana isak’izay isehoany ary tsy havela hotratry ny masoandro milentika akory aza.

Vitantsika izany raha mitoetra tsara amin’ny finoana sy firaisana amin’i Jesosy isika ary koa manaily feno ny fitarihana sy fanampian’ny FM. => Aoka àry isika handinitena isan’andro ny amin’ny fahotantsika ka tsy handrihandry manana aretina fa fahafatesana sy fahaverezana ange no tambin’ny ota, hoy i Paoly, fa fiainana mandrakizay kosa no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

 

Nentin’i Pastora RAZAFINDRAKOTO A. Georges, Dr, Filoha Lefitra SPAnta, FLM Ambatovinaky, Raiamandrenin’ny Toby Lovasoa Antohomdinika, nandritra ny ISANTAONA FAHA-70 TOBILEHIBE FARIHIMENA, Aogositra 2016.

 

P.S. Raha te hihaino ny Fandraisam-peo ianao:

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *