Tari-dalana Toriteny Alahady 09 oktobra 2016 (Alahady faha-20 manaraka ny Alahadin’ny Trinité)

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo. Indro atolotra anareo indray ny tari-dalana momba ny texte izay ho toriana manerana ny sahan’ny FLM amin’ny Alahady faha 09 Oktobra 2016 ho avy izao (Alahady faha XX manaraka ny Trinite)

MATIO 22:1–14

Ny Fanjakan’ny Lanitra ampitaina amin’ny alalan’ny fanoharana momba ny Mpanjaka sy ny fanasan’ ny fampakaram-badin’ny zanany lahy no raketin’ity texte izay anjarantsika ity. Ampiasain’i Jesosy izany fanoharana izany satria fety nanana ny lazany ka nanaovana fanasana lehibe tokoa ny fampakaram-bady teo amin’ny Jiosy. Kanefa mampiavaka ity fanasana ity koa ny maha an’ny Mpanjaka azy: maneho ny voninahitra sy ny hajan’ny fanasana izany. Ny mari-potoana aorist-n’ny teny fototra izay nadika hoe “nanao (fanasana)” (ἐποίησεν, aorist indicative 3rd pers. sing. of the verb ποιέω [eng. to create, make, do, act] γάμους, Mat 22:2) dia milaza ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny sakafom-panasana (perfection and completion of the banquet), ary tsy izany ihany fa milaza koa abundance-n’ny fiainana sy fahasambarana na fahafinaretana izay omen’ny sakafon’izany fanasana izany koa. Andriamanitra/Jesosy sy ny fahafenoam-piainana ary fahasambarana ao amin’ny Fanjakany no ambaran’izany.

Ao amin’ny fanoharana, ny kilasin’ny olona izay nasaina tamin’izany fotoana izany koa dia nokendrena mandrakariva mba hifandanja tamin’ny haja sy voninahitra ny mpanasa sy ny fanasana. (Marihina fa ny mponin’ny Palestina dia tsy niara-misakafo tamin’ny olona izay tsy mitovy saranga sy haja ary voninahitra taminy). Fanomezam-boninahitra sy haja ireo izay nasaina ny fanasana azy ireo ary fanomezam-boninahitra sy haja ny mpanasa koa ny fanekeny sy fanatrehany izany fanasana izany.  Eto anefa dia tsy hoe tsy fanomezam-boninahitra sy haja ny mpanasa sy ny fanasana ihany ny fandàvan’izay nasaina fa tsy firaharahiana ny fiainana sy ny fahasambarana ary ny fahafinaretana omen’ny sakafom-panasana ihany koa. Noho ny saranga ambony misy azy ireo teo amin’ny fiarahamonina dia mety noheveriny fa sakafo sy fahasambarana na fahafinaretana ary fiainana efa ananany sy iainan’izy ireo any amin’ny tokatrano misy azy ihany no hisy ao amin’ilay fanasana ka tsy nahoany. Vokatr’izany, naleony niahy ny business-ny. Ny Jiosy no nivantanan’ny Filazantsara araka an’i Matio. Ny fiheveran-tenan’ny Jiosy fa efa vahoaky ny Fanjakan’ny Lanitra sy ny fahafahampony tamin’ny fiaimpiainany tao anatin’izany fiheveran-tena (fanamarinan-tena) izany ka nandàvany sy tsy nandraisany ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ny lanitra izay nentin’i Jesosy no hevitra ambadiky ny fanoharana. Ankehitriny dia azo anondroana ireo Kristiana anarana mameno ny fiangonana kanefa tsy mandray sy tsy miaina intsony amin’ny Filazantsara izany. Azo anondroana ireo afa-po amin’ny fiainana eto amin’izao tontolo izao koa anefa izany. Tsy ho isan’ ireo izay hiaina amin’ny fahafenoany sy fahatanterahan’ny fahasambarana ary ny fahafinaretan’ny Fanjakan’ny Lanitra amin’ny andro farany izany.

Noho ny fandàvan’ny Jiosy ny fanasan’ny Filazantsaran’ny Fanjakan’ny Lanitra dia nafindran’Andriamanitra any amin’ny Jentilisa izay noharina amin’ireo vahoaka sahirana tsy nanana ny hajany sy ny voninahiny teny amin’ny sisin-dàlana ny fanasany. Araka izay ambaran’ny fanoharana dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny haja sy voninahitry ny mpanasa sy ny fanasana ny nasaina. Mba hahatanteraka izany dia notafian’ny mpanasa fitafiana mendrika izany izay nasaina. (Ny fanafiana akanjo dia mitovy dika amin’ny hoe fanomezam-boninahitra teo amin’ny mponin’ny Palestina, cf. Lio 15:11–24). Ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra dia Andriamanitra no manafy voninahitra sy haja ny olona manaiky ny antson’ ny Filazantsara mba ho mendrika izany Fanjakany izany sy ny fahasambarana ary ny fahafinaretana izay entiny. Amin’ny teny hafa, tsy manana ny haja sy ny voninahitra mendrika izany ny olona noho ny otany fa Andriamanitra kosa no manafy azy ny fahamarinany/Kristy ka ananany izany na iza na iza (cf. Gal 3:26–4:8).

Ilay lehilahy izay tsy nitondra ny fitafiana fitondra amin’ny fampakaram-bady ao amin’ny fanoharana dia olona nanambony tena noho ny fitahàny tamin’ireo mahantra izay nangonina teny amin’ ny sisin-dàlana. Ny fitafiany nentiny ihany koa dia niheverany ny tenany fa efa manana ny haja amam-boninahiny ka maha mendrika azy ny haja sy voninahitry ny mpanasa sy ny fanasany. Tamin’ny mpanasa anefa dia tsy mendrika izany. Tsy an’izay mihevi-tena sy manamari-tena fa manan-kaja sy voninahitra araka ny fijeriny sy fandanjan’ ny tenany azy ny Fanjakan’ny Lanitra fa an’izay tsy manana izany kanefa manaiky ny antson’ny Filazantsara kosa. Ny mino toy izany no hotafian’Andriamanitra voninahitra sy haja ao amin’i Jesosy Kristy ho mendrika ny Fanjakany.

Farany, ny fitambaran’ny fanoharana iray manontolo dia midika fa ho an’ny olona rehetra ny fanasan’ ny Filazantsara ho amin’ny Fanjakan’ny Lanitra kanefa izay manaiky ny antson’ny Filazantsara ihany no ho voafidy ho isan’ny vahoaka sy miaina amin’ny fahafenoany ny fahafinaretana maharitra mandrakizay izay entin’izany. Isaky Alahady, farafahakeliny, dia mbola miantso na manasa antsika ho amin’izany Andriamanitra. Raiso ny antsony, ekeo ny fanasany dia ho isan’izay ho tafiany voninahitra sy haja ho mendrika izany koa ianao ary hiara-miaina Aminy ny fahasambaran’ny Fanjakany mandrakizay.

Ho Azy irery ihany anie ny Voninahitra. Amena.

Nosoratan’i Pastora Rafalimanana Jean De Dieu, Mpampianatra ao amin’ny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (SALT)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *