Tari-dalana Toriteny Alahady 18 Septambra 2016 (Alahady faha-17 manaraka ny Alahadin’ny Trinité)

Miarahaba antsika rehetra amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo. Indro atolotra anareo indray ny tari-dalana momba my texte izay hotoriana manerana ny sahan’ny FLM amin’ny Alahady faha 18 Septambra 2016 ho avy izao. Mirary soa daholo eh.

Lioka 14:1-14

Ny texte izay notoriana tamintsika nandritry ny Alahady telo nifanesy hatramin’ity androany ity dia manana foto-kevitra na foto-kafatra iraisana izay manodidina ny AINA. Ny Matio 6:24-34 izay anjarantsika tamin’ny Alahady faha 04 Septambra (XV man Trinite) ohatra dia niteny tamintsika hoe « Aza manahy ny amin’ny Ainareo…. Fa Andriamanitra no miahy izany ». Na koa azo lazaina amin’ny fomba hafa hoe « tsy miankina amin’ny habetsahan’ny harena/fananana izay anananareo no hahasakananareo na tsia ny fahafatesana tsy hahatratra ny Ainareo ». Nampianarin’i Jesosy ny mpanaraka Azy izany, izany hoe, ireo izay efa ao amin’ny Fanjakany. Rehefa tafasaraka tamin’Andriamanitra sy ny fiainana tao Aminy noho ny fahalavoana tokoa manko ny olombelona dia tsy navelan’Andriamanitra ho tao ambany fanjakan’ny fahafatesana ihany izy ireo (cf. fa vovoka ianao ary hiverina amin’ny vovoka, Gen 3:19b) fa navelany hiady irery manoloana izany koa (cf. ny hatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany, Gen 3:19a). Vokatr’izany dia nanjary tafalatsaka tsy nahafantatra afa-tsy izao izy: arakaraka ny habetsahan’ny harena na fananana izay voahangony no hahafahany mandresy ny fahafatesana tsy hahatratra ny Ainy (cf. Lio 12:15-21). Izany hoe, tsy nahafantatra zavatra hafa izay noheveriny fa afaka miantoka ny faharetan’ny Ainy na miady amin’ny fahafatesana afa-tsy ny harena izy, noho izany, dia lasa nivadika ho Andriamanitrakely notompoiny mihitsy aza izany: izay nampanaoviny mba hahazoana azy dia natao avokoa, eny na dia izay ratsy indrindra aza. Tsy nahasakana ny fahafatesana tsy hahazo ny Ainy anefa izany, eny vao maika nandetika azy ho any amin’ny fahafatesana mandrakizay aza. Izany hoe, tsy hainy amin’ny alalan’ny herin’ny tenany sy izay ananany ny misakana ny fahafatesana tsy hahazo ny ainy fa asan’ Andriamanitra irery izany. Izany indrindra no nahatongavan’i Jesosy teto amin’izao tontolo izao, hiahy ny Ain’ny olombelona, handresy izany fahafatesana izany tsy hangeja azy mandrakizay. Ho fanamafisana izany indrindra ny hafatry ny texte izay anjaratsika tamin’ny Alahady faha 11 Septambra lasa teo (Lio 7:11-17, XVI man Trinite). Ny texte dia nanambara tamintsika ny fifanenan’antokon’olona anankiroa teo ambavahadin’ny tanana iray atao hoe Naina, dia ny antoko izay notarihin’ i Jesosy Ilay Andrian’ny Fiainana izay miditra ny tanana sy ny antoko izay notarihin’ny fahafatesana izay mivoaky ny tanana sy mizotra ho any amin’ny fasana izay efa mitanatana vava hitelina azy kosa. Ny fivoahana ny tanana dia tsy manambara ihany ny fandevenana azy any amin’ny fasana tany ivelan’ny tanana fa ny fialany tao amin’ny tontolon’ny fiainana ho any amin’ny tontolon’ny fahafatesana indrindra koa. Kanefa teo amin’izany fifanenana izany no nandresen’Ilay Andrian’ny fiainana izany fahafatesana izany ka namerenany izay niharan’ izany ho ao amin’ny tontolon’ny fiainana indray. Ny baikon’i Jesosy tamin’ny maty hoe « miarena » dia milaza amintsika fa Izy irery ihany no afaka mamindra ny olona ao amin’ny tontolon’ny fahafatesana ho ao amin’ny tontolon’ny fiainana.

Ny texte izay anjaratsika eto androany (Lio 14:1-14, XVII man Trinite) dia ampianaran’i Jesosy amintsika ny amin’ny Sabata sy izay entin’izany ho an’ny olona manoloana ny fanafihan-drafahafatesana ny Ainy. Ampianaran’i Jesosy ihany koa ny amin’ny fanetrentena izay hampifandraisintsika amin’izany foto-kevitra izany ihany. Ao amin’ny and. 1-6 dia miverina in-telo ny hoe SABATA. Fitsaharana tamin’izay nanasatra, fahafahana tamin’izay nangeja na nanandevo, fiadanana na fandriampahalemana aorian’ny ady sns. no azo andikana ny hoe SABATA. Ny aretina dia fahafatesana mby an-koditra. Ny fahafatesana dia tambin’ny ota, i.e, mpahazo ny olombelona ny aretina/fahafatesana noho izy ao anatin’ny izao tontolo izao andevozin’ny ota. Ny fanasitranan’i Jesosy ny marary ary eto dia fanafahana azy tao ambanin’ izany herisetran-drafahafatesana izay tambin’ny ota manandevo azy ka efa mby an-kodiny izany. Izany hoe, ny SABATA koa izany dia azo hadika hoe fahasalamana tanteraka ao amin’Andriamanitra, na fandresen’ny fiainana ny fahafatesana izay fahavalon’ny Aina. Tamin’ny andro fahatelo izay nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty no nandreseny izany tanteraka ho an’ny mino miombona Aminy ary izany no ananan’izy ireo toky fa na dia hahazo azy aza rafahafatesana dia tsy hahatazona azy mandrakizay izany. Izany koa no maha SABATA vaovao izany andro fahatelo izany dia ny Alahady izany. Izany no hanononana sy hizarana famelankeloka ho an’ny mino mba hitsaharany amin’izany heloka izany isaky ny Alahady. Izany no maha zavadehibe ho antsika ny andro Alahady ka tokony tsy hahafoizantsika azy. Ny Alahady no fotoana ary ny Fiangonana no vavahady izay hany hifanenantsika izay viravirain-drafahafatesana sy ny forongony amin’i Jesosy izay Andrian’ny fiainana ka hamerenenany antsika indray ho ao amin’ny tontolon’ny fiainana mandrakizay.

Inona no ifandraisan’izany amin’ny FANETREN-TENA izay ampianarin’i Jesosy eto (cf. and. 14)? Fananarana ny amin’ny tsy tokony hipetrahana amin’ny fitoerana aloha ao amin’ny fanasan’ny fampakaram-bady no ataon’i Jesosy eto (and. 7-13). Ny fitoerana aloha dia mamaritra ny haja amam-boninahitry ny olona iray. Fariseo no iresahan’i Jesosy eto, i.e., ireo mpitahiry sy mpampianatra ny ara-pivavahana (cf. and.1). Mifamatotra amin’izany mahaizy azy ara-pivavahana izany ny fipetrahany tamin’ny toerana aloha: nanehoany ny haja amam-boninahiny izay nananany mihoatry izay ananan’ny hafa noho ny fiheverany fa izy ireo no hany MARINA teo anatrehan’Andriamanitra, indrindra raha mitaha amin’ity olona manirano izay nositranin’i Jesosy ity: noheveriny fa olona maloto niharan’ny famaizan’ Andriamanitra noho ny maha olon-dratsy azy manko ity lehilahy ity. Fanandratan-tena na fanamarinan-tena ihany izany, efa fitsarana ny hafa ho olo-meloka ihany koa, i.e., efa fangalana ny toeran’Andriamanitra ka HELOKA.

Ny hafatra izay tian’i Jesosy ampitaina izany ary ry havana dia izao: sambatra izay marary, na ara-tena na ara-panahy, ka mifanena Aminy amin’ny andro SABATA fa handray ny hevitra sy ny vokatsoa ary ny asan’Andriamanitra amin’izany SABATA izany ao Aminy izy. Ny fanamarinan-tena na fanandratan-tena kosa dia midika fa tsy mila ny hevitra sy ny vokatsoa ary ny asan’Andriamanitra amin’izany intsony izy. Tsy mahavotra ny Ainy tsy ho azon’ny fahafatesana mandrakizay izay tambin’ny ota anefa izany. Ny fanetren-tena ary eto dia ny fanekena ho olo-meloka mila ny famelankeloka sy ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra mandrakariva.

Ry havana, aza manandratena ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra mba hahetry ho any amin’ny fahafatesana mandrakizay fa manetre tena ho olo-meloka mila ny asan’Andriamanitra hanamarina amin’izany mba hanandratany antsika ho olo-manan-kaja sy voninahitra mendriky ny fitoeram-boninahitry ny fitsaharana mandrakizay ao Aminy noho ny fiombonana amin’i Jesosy sy ny asany izay hany mahefa izany eo amin’izay mahaizy azy antsika.

Voninahitra anie ho an’Ilay Fitsaharantsika mandrakizay. Amena!

Nosoratan’i Pastora Rafalimanana Jean De Dieu, Mpampianatra ao amin’ny Sekoly Ambony Loterana momba ny Teolojia (SALT)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *