Akon’ny Isantaona Faha-70 Tobilehibe Farihimena (Asabotsy 20- Zoma 26 aogositra 2016)

Ny Trano Fiangonana FLM Tobilehibe Farihimena

MISAOTRA AN’I JESOSY KRISTY TOMPO, fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny Asabotsy 20 ka hatramin’ny Zoma 26 Aogositra 2016 lasa teo ny Isantaona faha-70 sady fankalazana ny faha-70 taona nisian’ny Fifohazam-panahy kristiana tao amin’ny TOBILEHIBE FARIHIMENA.

Faneva :  « Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay » Mpits.2.1d

Mba tsy ahatompon-trano mihono ny Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy (ZFLM) miparitaka manerana izao tontolo izao dia indreto misy sary vitsivitsy sy fandraisam-peo mirakitra ireo Fampianarana, Lahateny, Toriteny, Fijoroana Vavolombelona, Hira, Kabary, … sns …

**** NOMEN’NY TOMPO MAIMAIMPOANA ISIKA, KOA AOKA HAHAY HIZARA MAIMAIMPOANA, noho izany dia azonao atao tsara ny manaparitaka (amin’ny alalan’ny « Afisy » na « Filazan-draharahan’ny Fiangonana » misy anao, ohatra), mizara @ alalan’ireo tambajotram-pifandraisana isan-karazany, mametaka ny rohy amin’ireo tranokala kristiana maro iandreketanao, …

Ny hany angatahanay mpandrindra ity blaogy ity fotsiny dia ny mba:

  • isaoranao feno an’i Jesosy ka handrotsahanao « RAKITRA » ao amin’izay Fiangonana misy anao, ho fampandehanana sy fampandrosoana ny ASAN’I JESOSY nampiandraiketiny izany Fiangonana izany,
  • hitaomanao izay rehetra izaranao azy hitsidika ity blaogintsika ity, amin’ny alalan’ny fanononanao aminy ny anaran’ny blaogy : loterana-malagasy.org.

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA !

1- Ireo sary vitsy:

2- Horonam-peo:

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *