Foto-pianarana Loterana

Children005

KATEKISMA na FOTO-PIANARANA, Nosoratan’i Dr. Martin LOTERA

TENY FIANDOHANA

  • Iza moa no namorona ny tany sy ny lanitra ?
    • Andriamanitra.

 

  • Ny inona moa no ambony indrindra amin’ny zava-boaharin’Andriamanitra ety an-tany?
    • Ny olona.

 

  • Inona no antony nanaovan’Andriamanitra ny olona? 1Tim.2.3 : Andriamanitra tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.
    • Ny mba ho zanany manoa Azy ka ho sambatra mandrakizay no naharian’Andriamanitra ny olona.

 

  • Mamonjy ny olona ho afaka amin’ny inona moa Andriamanitra?
    • Mamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotana Izy.

 

  • Inona moa ny fahotana?Rom.5.12 : Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra
    • Ny zavatra rehetra izay mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra no atao hoe fahotana.

 

  • Iza moa no nirahin’Andriamanitra hamonjy ny olona?Jao.3.16 : Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.Jao.14.15 : Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 1Jao.4.19 : Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
    • Jesosy Kristy Zanany.

 

 

 

NY FIZARAN’NY FOTO-PIANARANA

  1. Ny didy folo
  2. Ny finoana an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina.
  3. Ny hataky ny Tompo
  4. Ny Sakramentan’ny Batisa.
  5. Ny Sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo.

 

 

TOKO I : NY DIDY FOLO

NY DIDY VOALOHANY : Aza manana andriamani-kafa fa Izaho ihany.

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia ary hatoky an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra isika.

 

NY DIDY FAHAROA : Aza manonona foana ny anaran’I Jehovah Andriamanitrao fa hataon’i Jehovah ho manan-tsiny tokoa izay manonona foana ny anarany.

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hianiana, na hanozona, na hanao anoano, na handainga, na hamitaka amin’ny anarany, fa hiantso Azy amin’ny fahoriana rehetra, ka hivavaka sy hidera ary hisaotra.

 

NY DIDY FAHATELO : Mahatsiarova ny andro sabata hanamasina.

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hanamavo ny teniny, fa hankamasina azy, ka hazoto hihaino sy hianatra azy.

 

NY DIDY FAHEFATRA : Manajà ny rainao sy ny reninao

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hanamavo nan a hahasosotra ray aman-dreny, na izay manam-pahefana amintsika, fa hanome voninahitra azy, ka hanompo sy hanoa ary hanaja sy ho tia azy.

 

NY DIDY FAHADIMY : Aza mamono olona

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hanimba ny tenan’ny namantsika, na hanao izay hampahory azy, fa hanampy sy hamonjy azy amin’ny fahoriana rehetra.

 

NY DIDY FAHENINA : Aza mijangajanga

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, mba ho maontina sy hadio fitondran-tena, ka tsy hiteny ratsy, na hanao vetaveta akory, ary ny mpivady hifankatia sy hifanaja.

 

NY DIDY FAHAFITO : Aza mangalatra

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy haka ny vola amam-pananan’ny namantsika, ary tsy hifetsy izany amin’ny fivarotana sandoka, na amin’ny fitaka hafa, fa hanampy azy hiaro ny fananany sy hampandroso ny fivelomany.

 

NY DIDY FAHAVALO : Aza mandendrikendrika ny namanao

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hanoso-dratsy ny namantsika na hanala Baraka azy, na hifosa, na hanaratsy azy, fa hanala tsiny azy kosa sy hilaza soa azy ka tsy halaky hanameloka azy.

 

NY DIDY FAHASIVY : Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hanao fitaka na hafetsena hahazoana ny lova na fananan’ny namantsika, ary tsy haka izany, na dia toa manan-drariny aza isika, fa hanampy azy hahatanany tsar any ananany.

 

NY DIDY FAHAFOLO : Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza.

Heviny : Tsy maintsy hatahotra sy ho tia an’Andriamanitra isika, ka tsy hahazo ny vadin’ny namantsika, na ny mpanompony na biby ompiany; ary tsy hampiala azy aminy, na amin’ny hery, na amin’ny fitaka, fa hanao izay zakantsika hampitoetra azy ho mahatoky sy hahatanteraka ny adidiny.

Nom.21.4-9 : Ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny (1 Mpanj.5.5)

 

Ahoana no lazain’Andriamanitra ny amin’ireo didy ireo?

 

Hoy Izy hoe :

Izaho Jehovah Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy ; nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

 

 

TOKO II : NY FINOANA AN’ANDRIAMANITRA RAY SY ZANAKA ARY FANAHY MASINA

Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany (Gen.1.1)

NY ARTIKOLA VOALOHANY (Ny famoronana) : Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha Mpanao ny lanitra sy ny tany aho.

Ahoana ny hevitr’izany?

Mino aho fa Andriamanitra no namorona ahy mbamin’ny zava-boahary rehetra, ka nanome tena sy fanahy ary izay rehetra momba azy.

Ary tsy izany ihany, f amino koa aho fa Izy no mitàna ny zavatra rehetra mba tsy ho levona; ary Izy no manome isanandro ny zavatra rehetra ilaina amin’ity fiainana ity, toy fitafiana, hanina, trano, vady aman-janaka, tany ambolena, biby ompiana ary ny zava-tsoa rehetra.

Mino koa aho fa Izy no miaro ahy amin’ny loza rehetra ka misakana ny ratsy rehetra.

Ary tsy noho ny asa marina izay ataoko no anaovany izany rehetra izany, fa arak any fahasoavany sy ny famindram-pony lehibe.

Koa amin’izany dia tsy maintsy hisaotra sy hidera Azy aho ary hanompo Azy sy hanaraka ny sitrapony.

Izany rehetra izany dia marina tokoa.

 

NY ARTIKOLA FAHAROA (Ny fanavotana) : Ary mino an’I Jesosy Kristy Zananilahy tokana, Tompontsika, Izay notorontoroniana tamin’ny Fanahy Masina, naterak’I Maria virijina, nijaly raha nanapaka Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana, maty ka nalevina, nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty.

Ahoana ny hevitr’izany?

Mino aho fa Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra tokoa, nateraky ny Ray hatramin’ny taloha indrindra, sady olona tokoa, naterak’I Maria virijina, no Tompoko.

Izay nanavotra ahy, olona very sy voaozona, ka nanafaka ahy tamin’ny ota sy ny fahafatesana ary ny fanjakan’ny devoly ; kanefa tsy volafotsy na volamena, fa ny rany masina sy sarobidy ary ny fijaliany sy ny fahafatesany tsy amin-keloka no nanavotany ahy.

Mba ho Azy tokoa aho, ary mba hanompo Azy ao amin’ny fanjakany amin’ny fahamarinana sy ny fahafinaretana mandrakizay, tahaka Azy nitsangana tamin’ny maty, ka velona sy mandrakizay.

Izany rehetra izany dia marina tokoa.

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra Asa.2.1-4

 

NY ARTIKOLA FAHATELO (Ny fanamasinana) : Mino ny Fanahy Masina aho, ny fiangonana masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan’ny olona masina ; ny famelan-keloka ; ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, ary ny fiainana mandrakizay.

Ahoana ny hevitr’izany?

Mino aho fa tsy ny heriko na ny saiko no ahaizako mino an’I Jesosy Kristy, Tompoko, na manatona Azy, fa ny Fanahy Masina no niantso ahy tamin’ny Filazantsara sy nanazava ahy tamin’ny fanomezana ary fanamasinana sy nihazona ahy tamin’ny finoana marina.

Ary Izy koa no miantso sy manangona sy manazava ary manamasina izay rehetra ao amin’ny fiangonana, ary miaro azy eo amin’I Jesosy Kristy amin’ny finoana iray marina.

Ary ao amin’izany fiangonana izany no amelany ahy sy ny mino rehetra ny heloka rehetra isanandro, ary amin’ny andro farany no hananganany ahy mbamin’izay rehetra maty, ka hanomezany ahy sy ny mino rehetra ny fiainana mandrakizay.

Izany rehetra izany dia marina tokoa.

 

 

TOKO III : NY HATAKY NY TOMPO

Tompoko, mampianara anay hivavaka Lio.11.1

 

NY HATAKA VOALOHANY : Rainay izay any an-danitra!

Ahoana ny hevitr’izany?

Amin’izany teny izany no ampirisihin’Andriamanitra antsika amim-pitiavana mba hino tokoa fa Izy dia Raintsika, ary isika dia zanany, ka hanan-toky raha mangataka aminy, toy ny zanaka raha mila zavatra amin’ny ray aman-dreny malalany.

Hohamasinina anie ny anaranao

Ny anaran’Andriamanitra dia masina ho azy rahateo ; nefa mangataka amin’ity hataka ity isika, mba ho masina eto amintsika koa ny anarany.

Ary izany dia tanteraka raha ampianarina madio araka ny Soratra Masina ny tenin’Andriamanitra, ary raha isika koa manaraka ny teny amin’ny fitondran-tena masina, araka izay maha-mendrika ny zanak’Andriamanitra. Dia ampio izahay mba ho tanteraka izany, ry Ray any an-danitra ô!

Fa izay tsy manaraka ny tenin’Andriamanitra, na amin’ny fampianarana, na amin’ny fitondran-tena, dia manamavo ny anaran’Andriamanitra ; ary izany mba hosakananao anie, ry Ray any an-danitra ô!

 

NY HATAKA FAHAROA : Ho tonga anie ny fanjakanao.

Ahoana ny hevitr’izany?

Ny fanjakan’Andriamanitra dia tonga ho azy rahateo, na dia tsy mangataka aza isika, nefa mangataka amin’ity hataka ity isika mba ho tonga amintsika koa izy.

Ary tanteraka izany raha omen’ny Raintsika any an-danitra ny Fanahy Masina, Izay ahaizantsika, noho ny fahasoavany, mino ny tenin’Andriamanitra sy manaraka Azy amin’ny fitondran-tena madio ety ambonin’ny tany, hahatrarantsika ny fiainana mandrakizay.

 

NY HATAKA FAHATELO : Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

Ahoana ny hevitr’izany?

Ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy be fahasoavana, dia tanteraka, na dia tsy mangataka aza isika,nefa mangataka amin’ity hataka ity isika mba ho tanteraka eto amintsika koa ny sitrapony.

Ary tanteraka izany raha sakanan’Andriamanitra ny sain-dratsy sy ny asa ratsy rehetra, izay misakana ny hanamainantsika ny anaran’Andriamanitra sy ny hahatongavan’ny fanjakanay amintsika, fa izany no sitrapon’ny satana sy izao tontolo izao ary ny nofo.

Fa ny sitrapon’Andriamnitra, izay tsara sy be fahasoavana kosa, dia ny hampahatanjaka sy hitana antsika amin’ny teniny sy ny finoana Azy mandra-pahafatintsika.

 

NY HATAKA FAHEFATRA : Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

Ahoana ny hevitr’izany?

Andriamanitra manome hanina isan’andro ny olona rehetra, na ny tsara na ny ratsy, na dia tsy mangataka aza isika, nefa mangataka amin’ity hataka ity isika mba hampahafantarin’Andriamanitra antsika izany fahasoavany izany, handraisantsika ny hanina isan’andro amin’ny fisaorana.

Ny teny hoe : hanina sahaza ho anay dia mahazo ny zavatra rehetra izay momba izao fivelomana izao, toy ny hanina, fitafiana, trano, tany ambolena, biby ompîana, vola fananana, vady aman-janaka tsara fanahy, mpanompo mahatoky, tompo malemy fanahy, mpanapaka Hendry sy tsara fanahy, rivotra madio, fiadanana, fahasalamana, fitondran-tena tsara, Havana tsara, namana marina, ary ny zavatra maro toy izany.

 

NY HATAKA FAHADIMY : Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

Ahoana ny hevitr’izany?

Mangataka amin’ity hataka ity isika mba tsy hoheverin’ny Raintsika any an-danitra ny fahotantsika, ary mba tsy ho laviny ny hataka ataontsika ; fa isika tsy mendrika handray na inona na inona angatahintsika, fa ny fanatenantsika ny famindrampony no angatahintsika izany ; fa manota be isanandro isika, ka dia famaliana ihany no tokony ho antsika.

Ary amin’izany isika tsy maintsy mba mamela amin’ny fontsika tokoa ny ota ataon’ny namana amintsika, ka mamaly so any ratsy ataony.

 

NY HATAKA FAHENINA : Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy.

Ahoana ny hevitr’izany?

Andriamanitra tsy mba maka fanahy olona tsy akory ; nefa mangataka amin’ity hataka ity isika mba hotanan’Andriamanitra sy harovany isika, tsy ho azon’ny fitak’I Satana sy irao tontolo izao ary ny nofontsika havily ho amin’ny tsy finoana sy ny famoizam-po, na fahotana hafa, fa mba hahery sy handresy isika, na dia alaim-panahy aza.

 

NY HATAKA FAHAFITO : Fa manafaha anay amin’ny ratsy.

Ahoana ny hevitr’izany?

Ity hataka ity no ampikambanantsika ny zavatra rehetra ilaintsika, ka angatahintsika amin’ny Raintsika any an-danitra ny hamonjeny antsika amin’ny ratsy rehetra na amin’ny tena, na amin’ny fanahy, na amin’ny fananana, na amin’ny laza.

Ary amin’ny farany, rehefa tong any fotoana, mba hanome antsika fahafatesana mahasambatra Izy, ka hampiala antsika amin’ity fiainana be fahoriana ity ary handray antsika ho any an-danitra.

Amena!

Ahoana ny hevitr’izany?

Ity teny ity no amaranantsika ny vavaka, mba hitokiantsika tokoa fa ny hataka toy izany no ankasitrahan’ny Raintsika any an-danitra ka hotanterahiny tokoa. Fa Izy no nandidy antsika hangataka ary nanome toky fa hihaino antsika. Amena! Amena ! izany hoe : Marina dia marina ka hotanteraka tokoa.

 

 

TOKO IV : NY SAKRAMENTAN’NY BATISA

VOALOHANY : Inona moa ny batisa?

Ny batisa dia tsy rano fotsiny ihany, fa rano miombona amin’ny didin’Andriamanitra sy mikambana amin’ny teniny.

Manao ahoana izany tenin’Andriamanitra izany?

Ny tenin’i Jesosy Kristy, Tompontsika hoe:

“koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo” Mat.28. 19-20

 

FAHAROA : Inona moa soa azontsika amin’ny batisa?

Ny batisa dia mahatonga famelan-keloka, ka manafaka antsika amin’ny fahafatesana sy ny devoly, ary manome fiainana mandrakizay izay rehetra mino izany, araka izay lazain’ny tenin’Andriamanitra sy ny toky omeny.

Ahoana hoy izany tenin’Andriamanitra izany?

Ny tenin’i Jesosy Kristy, Tompontsika hoe:

“Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina” Mar.16.16

 

FAHATELO : Fa ahoana no ahavitan’ny rano zavatra lehibe toy izany?

Ny rano tsy mahavita zavatra lehibe toy izany tsy akory, fa ny tenin’Andriamanitra, izay voakambana amin’ny rano, ary ny finoana izay matoky izany tenin’Andriamanitra izany.

Fa raha tsy mikambana amin’ny tenin’Andriamanitra ny rano, dia rano fotsiny ihany ka tsy batisa tsy akory ; far aha akambana amin’ny tenin’Andriamanitra kosa, dia batisa izy, izany hoe : Ranon’ny fahasoavana sy fiainana ary fanasan’ny fiterahana indray amin’ny Fanahy Masina arak’izay lazain’I Paoly ao amin’ny Titosy.3.5-7 hoe :

“dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.”

 

FAHEFATRA : Inona no hevitry ny fanaovam-batisa amin’ny rano?

Izao no heviny : Ny adama ela izay ao anatintsika, tsy maintsy hovonoin’ny nenina sy ny fibebahana ataontsika isan-andro, ka ho faty mbamin’ny fahotana sy ny fanirian-dratsy rehetra.

Ary hiposaka kosa sy hitombo isan-andro isan-andro ny olom-baovao, izay ho velona mandrakizay ao amin’Andriamanitra amin’ny fahamarinana sy ny fahadiovana.

Ahoana hoy ny tenin’Andriamanitra manamarina izany?

Ny teny hoe : “Niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’I Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao” Rom.6.4

 

 

TOKO V : NY SAKRAMENTAN’NY FANASAN’NY TOMPO

VOALOHANY : Inona moa ny Fanasan’ny Tompo?

Ny Fanasan’ny Tompo dia tena aman-dran’I Jesosy Kristy Tompontsika tokoa, miombona amin’ny mofo sy ny divay, voatendrin’I Kristy ho an’ny Kristiana mba hohaniny sy hosotroiny.

Ahoana hoy ny tenin’Andriamanitra manamarina izany?

Ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: “Jesosy Kristy, Tompontsika tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako* ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.”

Ary toy izany koa no nandraisany ny kapoaka rehefa nisakafo, ka nony efa nisaotra Izy dia natolony azy, ary hoy Izy :

“Misotroa amin’ity hianareo rehetra ; ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako izay alatsaka ho anareo ho famelan-keloka ; koa na oviana na oviana no misotro ianareo, dia izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.”

(Mat.26.26-28 ; Mar.14.22 ; Lio.22.19-20 ; I Kor.10.16-17, 21 ; 11.23-29)

 

FAHAROA : Inona moa ny soa azon’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo?

Ny soa azo amin’izany dia ambaran’ny teny hoe :

“Ity no omena anareo, ary ity no alatsaka ho anareo ho famelan-keloka.”

Fa amin’izany teny izany no anomezany antsika ao amin’ny Fanasan’ny Tompo ny famelan-keloka sy ny fiainana ary ny fahafinaretana mandrakizay ; fa izay misy famelan-keloka no tsy maintsy misy fiainana sy fahafinaretana mandrakizay.

 

FAHATELO : Ahoana no ahavitan’ny mihinana sy misotro zavatra lehibe toy izany?

Ny mihinanana sy misotro tsy mahavita izany tsy akory, fa ny teny voasoratra hoe :

“Izay omena ho anareo, ary izay alatsaka ho anareo ho famelan-keloka.”

Fa izany teny izany no fototry ny Fanasan’ny Tompo ; ary izay rehetra mino ireo teny ireo, ka mandray ny Fanasan’ny Tompo, dia manana izay lazain’ny teny, di any famelan-keloka.

 

FAHEFATRA : Iza no mendrika handray ny Fanasan’ny Tompo?

Ny fifadiana sy ny fiomanana hafa ivelany dia fanao mety tsara ihany, nefa izay mino ny teny hoe:

“Ity no omena ho anareo, ary ity no alatsaka ho anareo ho famelan-keloka.”

Izy ihany no mendrika handray ny Fanasan’ny Tompo. Ary izay tsy mino izany teny izany dia tsy mba niomana, ka tsy mendrika handray ny Fanasan’ny Tompo ; fa ny teny hoe : ho anareo dia mila fo matoky an’Andriamanitra.

 

8 commentaires

  • Mahafinaritra tokoa ny Fampianarana ary mankasitraka indrindra. Mba mangataka « article » na fampianarana momba ny Filazantsara sy ny fitoriana izany. Misaotra indrindra tompoko.
    – Inona tokoa moa ny famaritana ny Filazantsara?
    – Inona no ambaran’ny Filazantsara mahakasika ny asa misiona?
    Misaotra tompoko.

    • Andriamasijaona Mandimbihaja

      Misaotra anao tonga nitsidika. Ampitaintsika amin’ireo Raiamandreny Pastora ny hetahetanao, mino aho fa afaka hanome fampianarana fohy momba izany izy ireo.
      (aza adino ny misitraka sy mizara ny blaogintsika amin’ny hafa)

    • Andrianaivotiana

      Ny teny hoe Filazantsara dia midika ho Vaovao Mahafaly (mbola taangelionnan’ny mpino katoloka hatramin’izao ity dikan-teny ity sady ampiasain’ny ekominisma rahateo).
      ao mahafaly fa naharesy isika
      Ny teny grika « evangelion » na vaovao mahafaly mantsy no nandraisana ny hoe Filazantsara. Rehefa naharesy ny mpiantafika ka miverina, dia misy iraka alefa mialoha milaza ny ao an-tanana hoe « evangelion, evangelion! » izany hoe vaovao mahafaly fa naharesy an’ady isika.

      Vaovao mahafaly mihoatra lavitra noho izany no entina amin’ny Filazantsara satria ilay fahavalo lehibe dia satana sy ny forongony no resen’Ilay Teny Fiainana, ary ny Fanjakany dia maharitra mandrankizay!

      Ny andininy roa farany amin’ny Filazantsara nosoratan’i Matio no mora tadidy indrindra raha hiresaka ny Asa Misiona isika. Matio 28 : 19-20 AAJ « Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; Ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao ». Amena.

  • tena mafinaritra ilay fampianarana fa mangataka mba asiana foana aminina lohahevitra samihafa fa be no te hafantatra bebe kokoa

  • Andrianaivotiana

    Ho anareo Mpiandraikitra,

    Mba ataovy eto ihany koa ny foto-pianarana lehibe raha azo atao.
    Dia misaotra indrindra mialoha Tompoko!

    THT

    • Andriamasijaona Mandimbihaja

      Salama tompoko, tsara tokoa izany. Tena manampy anay tokoa raha toa manana ny « version éléctronique »-n’ny foto-pianarana lehibe ianao. Azonao alefa @ loterana.malagasy[at]gmail[point]com
      Misaotra indrindra tompoko.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *