Ny hevitry ny fahafatesana

Vovoka

Teny hanorenana izao fampianarana izao:
“Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.” Filipiana 1:21.

Raha vao resahina ity loha-hevitra ity dia mivarahontsana ny olona satria hevitra tsy azo sy tsy takatry ny saina tokoa no tadiavina valiny toy ny hoe misy dikany amin’ny olona ve ny fahafatesana?Misy koe ve izany ny tsy fahafatesana?Inona no mitranga aorian’ny fahafatsena? …. Sns.

Ny hitondrantsika ny fampianarana dia zaraintsika roa miavaka tsara
1/Jerentsika amin’ny lafiny ara-teolojika
2/Jerentsika amin’ny lafiny ara-etika

Faritantsika aloha ny atao hoe fahafatesana.
Raha ny dokotera no mamaritra ny fahafatesana dia «fijanonan’ny taova na na tsy fiasan’ny taova ao amin’ny olona iray».
Ny teolojiana kosa mamaritra azy hoe « Fampitsaharana ny fiainana (ny fahafatesana ara-batana), na ny fisarahana amin’Andriamanitra (fahafatesana ara-panahy) ».

1/ Andeha ary raisintsika ny lafiny ara-teolojika:
Ny fahafatesana amin’ny teny hebreo dia hoe “māweṯ, mûṯ”, amin’ny teny grika indray dia “thánatos” izay adika tsotra hoe: fitsaharan’ny fiainana ety an-tany.
Raisintsika ny Testamenta Taloha (TT):
Raha ny Genesisy 1 no jerena dia ny olona dia natao ho an’ny fiainana fa tsy ho an’ny fahafatesana (Tsara indrindra ny nataon’Andriamanitra tao amin’ny saha Edena, Genesisy 1: 31). Rehefa nandika ny didin’Andriamanitra ny olona dia tonga ny fahafatesana araka ny Genesisy 2: 17. Ary ny fanombohan’ny fahafatesana tao amin’i Adama sy Eva no nidiran’ny fahafatesana teo amin’ny fiainan’ny olombelona rehetra aty aoriana.

Raha ny TT no jerentsika amin’ny akapobeny, Andriamanitra dia manome andro lava ka tratrantitra ny olona rehefa manaraka ny didiny sy ny fitsipiny ny olona. Toky nomen’Andriamanitra ny olona io araka ny Eksodosy 20:12. Ary ny bokin’ny Ohabolana dia manamafy izany ny tokony hitandrovana ny didin’Andriamanitra satria izay no manalava ny andro hiainana ety an-tany ka hahazoana fiadanana araka ny Ohabolana 3: 2. Ary ny olona miakina Aminy dia tsy mivadika amin’ny teny nomeny Izy fa mampiposaka sy manatanteraka izany amin’ny olony araka ny Salamo 91:16. Abrahama, Isaka sy Jakoba dia tena niaina izany satria dia voky andro sy tratrantitra ireo patriarika vao nindaosin’ny fahafatesana.

Ho an’ny ireo tsy matahotra sy tsy manaja ny didiny kosa dia foy ny andro hiainany araka ny Ohabolana 10: 27. Ohatra raisina ny Genesisy 38 :7: novoin’Andriamanitra Era lahimatoan’i Joda noho ny haratsian’ny toetrany. Toy izany koa no nahazo an’i Hanania mpaminany araka ny Jeremia 28:16 rehefa tsy nanaraka ny didin’Andriamanitra.Vokatry ny fitsaran’Andriamanitra ny olona izany ny fahafatesana

Maneho indrindra izany ny fitantanan’Andriamanitra ny olony sy izao tontolo izao noforoniny. Mijery araka ny ataon’ny olona Izy ka dia mizaka ny vokany ny olona araka ny ataony ka na izany mitondra fitahiana ho an’ny olona raha mitandrina ny didiny na fanamelohana azy raha tsy manaraka ny didiny.Ny fahafatesana no anankiray hanehoan’Andriamanitra izany fijereny sy fitantanany ny tontolo izany.

Marina fa samy hafa mihintsy ny fihevitr’Andriamanitra sy ny fijerin’ny olona raha ny resaka fahafatesana no jerena. Ohatra iray amin’ny izany, ny tantaran’ny mpanjaka Hezekia izay niady varotra tamin’Andriamanitra mba hanalava ny andro hiainany ka tsy hindaosin’ny fahafatesana izy araka ny Mpanjaka faharoa, 20: 1-11 na Ezekiela 38:17. Azo iadiana varotra ve izany Andriamanitra amin’ny halavan’ny andro hiainantsika? Toa misy koa anefa olona manaraka ny didy nefa toa manatona azy mialoha ny fahafatesana, izany hoe maty mbola tanora hoy ny fiteny azy, ny marina dia Izy no Tompon’ny fiainantsika fa ny azo antoka dia ny taranak’i Adama, ny fahafatesana no faran’ny fiainan’ny olona ka ny anjaran’ny olona dia ny manaraka ny didin’Andriamanitra mba ho velona izy sy hanaiky ny fandaharany.

Raha ny Salamo 90:10 dia azo lazaina hoe trantratitra ny olona vao mifanatrika ny fahafatesana. Raha ny fijerin’ny Zanak’Isiraely ny olona dia tratrantitra vao maty ary mahita ny taranaka maro mifandimby noho ny fitahian’Andriamanitra azy sy indrindra ny fanarahana ny didiny. Farany araka ny Joba 14:10–12 na ny Salamo. 13:3 -4 dia toy ny olona matory na mandry ka tsy hitsangana intsony ny olona mandalo fahafatesana. Nefa araka ny Samoela voalohany 2:6 na ny Isaia 26:19 na ny Daniela 12: 2 na ny Ezekiela 37:1-14 dia efa miresaka sahady ny asan’Andriamanitra ka mandresy ny fahafatesana ka manangana ny olony.

Ary izay no hidirantsika amin’ny TV izay asan’Andriamanitra mandresy ny fahafatesana izay.

Testamenta Vaovao:
Raha ny TV no jerentsika, ny fahafatesana dia voajery kokoa amin’ ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona. Manaiky ny mpanoratra ny TV fa ny fahafatesana dia mahazo ny zava-boahary rehetra noho ny ota (tsy fahantaterahana ny didy) nahazo azy ka tafasaraka amin’ Andriamanitra izay tompon’ny Aina sy ilay tsy manam-pahafatesana araka ny Romana 4:17 sy ny Timoty voalohany 6:16. Rehefa tafasaraka amin’ny tompon’ny Aina ny olombelona dia mivelona eo ambanin’ny ota sy ny fahafatesana ka nanaraka ny lalàn’i Adama araka ny Romana 5: 12, 17, 18 sy ny Korintiana voalohany 15:22. Ny fahafatesana izany dia tsy hoe tonga amin’ny olona rehefa tapitra ny androny fa tena iainan’ny olona tokoa na dia mbola velona aza izy ka tafasaraka amin’Andriamanitra satria miaina ao anatin’ny ota. Eto ilay ilazan’ny mpanompon’Andriamanitra azy hoe faty mandehandeha na maty fanahy mbola velona hoy isika Malagasy.

Arak’izany dia mahazo ny olon-drehetra sy manjaka amin’ny olona rehetra ny fahafatesana satria teraka sy nandova ota ny olona. Ny vokany dia matahotra ny olona satria miaina eo ambanin’ny fahafatesana araka ny Romana 8:15 sy ny Hebreo 2: 15. Ny olona rehetra izay tsy mifandray amin’Andriamanitra dia miaina ao amin’ny fahafatesana izay tsy iza fa ny devoly no tompoiny sy arahiny araka ny Hebreo 2: 14 izay hilazana azy hoe herin’ny fahafatesana. Na izany aza no ilazana ny fahafatesana dia i Jesosy kosa no manana ny teny farany ary Izy no mandresy ny fahafatesana araka ny Korintiana voalohany 15: 26- 27 sy ny Apokalypsy 6: 8 sy ny 20:13-14.

Ny porofo fa mandresy ny fahafatesana Izy dia ny nanekeny ho faty teo amin’ny hazofijalina ka nalevina ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo araka ny Romana 4:25 sy Korintiana voalohany 15: 3-4 ary ny Tesaloniana voalohany 4:14. Noho ny zava-mahagaga lehibe nataon’i Jesosy dia resy ny fahafatesana. Ny TV dia mitantara amin’ny fomba maro samihafa izany faneken’i Jesosy hanaiky ho faty izany sy ny anton’ny izany. Ohatra ny Filipiana 2: 8 dia milaza fa nanaiky ho faty Izy noho ny fankatoavany an’Andriamanitra, nanaiky ho faty Izy mba ho sorina ho an’ny mpanota araka ny Korintiana voalohany 5: 7 sy ny Korintiana faharoa 5: 15, nidina tany amin’ny fiainan-tsy hita izay toeran’ny maty araka ny Petera voalohany 3: 18-19.

Ny tena zava-dehibe amin’ny izany dia tsy nijanona tao amin’ny fahafatesana Izy na tsy nahatana azy ny fahafatesana fa nitsangana ary velona Izy. Midika izany fa noreseny ny herin’ny fahafatesana ary tonga mpandresy Izy araka ny Hebreo 2: 14-15 sy ny Apokalypsy 1: 17-18. Tena nijaly sy niady Jesosy raha nanaiky izay fisoronana lehibe izany ho an’ny olona satria dia nitoloko sy nitalaho tamin’Andriamanitra Izy araka ny Salamo 22 ny mba hialany izany taminy. Nefa dia niaritra Izy sy nanaiky tsy nohon’ny fijereny ny tombotsoany manokana fa noho ny fitoavany ny olona mpanota izay tafasaraka tamin’Andriamanitra. Izay mino sy manaiky izany asa lehibe nataony izany no mahazo ny fiainana araka ny Marka 10: 45, ny Romana 5: 6-8 ary ny Tesaloniana voalohany 5: 9-10. Noho ny fanekeny ny fahafatesany izay tokony tsy hiantra Aminy dia notapahiny ny tahotra sy ny herin’ny fahafatesana ho an’ny mpianany. Io no fomba tokana izay tsy azon’ny olona saintsainina amin’ny izao fa nataon’Andriamanitra hanehoany indray ny fitiavany ka hifandray amin’ny olony Izy.

Ny mpianany izay antsointsika koa hoe kristiana dia afaka amin’ny herin’ny fahafatesana nohon’ny herin’i Jesosy Kristy araka ny Romana 7, 24. Tonga ny famonjena noho ny herin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana araka ny Romana 6, 3-4 sy ny fahafatesan’i Kristy noho ny lalàna izay manameloka antsika araka ny Romana 7,6 ny Galatiana 6:14 ary ny Kolosiana 2,20. Azo ambara hoe ny fahafatesan’i Kristy Jesosy dia isain’Andriamanitra ho fahafatesan’ny mpino. Ny fahotan’ny izao tontolo izao sy ny fiheverana ho zavatra ka mahatonga ny fanompoan-tsampy isan-karazany dia zavatra efa lasa. Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana ka nanolotra ny Ainy ho fanavotana ny olona no zava-dehibe. Ny vokany dia maty ary niara-nalevina taminy ny olona mpanota ary niaraka natsangany taminy koa ka i Jesosy Kristy no fiainany araka ny Kolosiana 3: 3.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia somary hafa ny fitantarany azy, Jesosy tonga teto amin’ny izao tontolo izao hanolotra ny Ainy mba hananan’ny olona ny Fiainana mandrakizay araka ny Jaona 5: 24. Ny dikany dia ny olona rehetra izay mino sy manaiky izany fanomezan’i Jesosy izany dia tafafindra amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana. Raha ambara amin’ny teny hafa dia hoe izay mandray ka mankato izany Teny izany dia tsy mahita ny fahafatesana araka ny Jaona 8: 51 -52. Ny mifanohitra amin’ny izay kosa dia izay rehetra tsy mino ny asam-pamonojena nataon’i Jesosy dia miaina ao anatin’ny fahafatesana. Izay no tena tsy hitovizan’ny krsitiana sy ny tsy kristiana, ny iray voalohany izany hoe ny kristiana efa miaina sahady ny fiainana ka manam-panantenana amin’ny izao fiainana mandalo izao fa ny faharoa kosa izany hoe ny tsy mpino na dia heverintsika ao anatin’ny fiadanana ara-materialy aza dia mivelona ao anatin’ny fahafatesana sahady.

Marina fa ny TV dia milaza fa maty ny kristiana fa ny maha samihafa azy amin’ny tsy mpino dia izao: ny krsitiana dia maty ao amin’i Kristy araka ny Tesaloniana voalohany 4: 16 na koa tsy maty izy ireo fa matory no ilazana azy araka ny Koritiana voalohany 15: 6, 18, 20, 51 sy ny Tesaloniana voalohany 4: 13-15. Eny fa na dia maty aza ny vatana na mandalo fahafatesana, tsy mahasaraka azy amin’i Kristy izany. Ho an’ny kristiana, dia tombony ho azy ny fahafatesana satria manatona an’i Kristy izy amin’ny izany araka ny Korintiana faharoa 5: 1-10 sy ny Filipiana 1: 20- 21 ka tafaraka miara mitoetra Aminy mandrakizay rehefa tonga ny fahataperan’ny izao tontolo izao ka hitsangana indray ny olona handova ny fiainana mandrakizay. Ary izay ny fanantenana ho an’ny mpino rehefa misy havana mody mandry ka mahatonga azy hahay hionona na dia mandalo fahafatesana aza ny fianakaviana (Tesaloniana voalohany 4: 18)

Ho an’ny tsy mpino kosa izay tsy miombona amin’i Kristy Jesosy dia fisarahana mandrakizay no dikan’ny fahafatesana. Amin’ny fitsarana farany, ireo izay tsy manana ny fiainana (tsy ao anatin’ny bokin’ny Fiainana ny anarany satria tsy mino ny famonjena na ny asam-pamonjena nataon’i Jesosy) dia any amin’ny farihy mirehitra afo no anjarany (Apokalypsy 20:14). Izay fisarahana mandrakizay izay no antsoina hoe fahafatesana faharoa araka ny Apokalypsy 20: 14. Fa ny kristiana kosa izay voavonjy amin’ny izany fahafatesana faharona maharitra mandrakizay izany araka ny Jakoba 5: 20 sy ny Jaona voalohany 3: 14. Ny fahafatesana faharoa tsy manana fahefana amin’ny izy ireo araka ny Apokalypsy 2: 11 sy ny 20: 6 ary tonga miaina miaraka amin’Andriamanitra mandrakizay izay tsy misy resaka fahafatesana intsony satria Izy Andriamanitra dia Fiainana araka ny Apokalypsy 21: 4.

 

Hamitina azy isika ka hilaza ny fanazavana ara-teolojika ny fahafatesana:
a/Ny fahafatesana dia vokatry ny fahotana izay nolovana tamin’i Adama noho ny tsy fanarahana ny didy izay napetrak’Andriamanitra hotandremana.
b/Ny fahafatesana dia mahazo ny olombelona rehetra vokatry ny fandovana ny fahotana ka tsy misy afaka miala amin’ny izany.
d/ Ny fahafatesana dia hanehoan’Andriamanitra fa Izy no tompon’ny aina sy mpandahatra ny fiainan’ny olona.
e/Ny fahafatesana dia nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany ny olombelona ka nanomezany ny zanany lahitokana i Jesosy Kristy mba hitondra sy hisolo ny fahotantsika.
f/Ny fahafatesana dia vidin’ny fahotantsika ao amin’i Jesosy Kristy izay nanaiky nandalo ny fahafatesana ka nitondra ny mafy tokoa satria dia nahafoy ny Ainy ho avotra antsika.
g/Ny fahafatesan’i Jesosy dia fahatanterahan’ny Soratra Masina, ny fisoronana rehetra tao amin’ny TT, ny habibin’ny olona, ny fijalian’i Jesosy sy ny fitiavana ny olony
h/Ny fahafatesana dia nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny devoly, nanafaka antsika tamin’ny fanamelohana ka mampiditra antsika ho amin’ny Fiainana Mandrakizay
i/ Ny fahafatesan’i Jesosy no mampisongadina koa ny fahotantsika satria ny fahotantsika no namonoana Azy
j/Ny fahafatesana dia làlana tsy maintsy diavin’ny olombelona mba hanafaka azy amin’ny izany herin’ny fahafatesana izany ka hahatonga azy ho tena olon’afaka tokoa ka handova ny Fiainana Mandrakizay.
Alohan’ny hiainantsika izany Fiainana Mandrakizay izany dia miarika amin’ny fahafatesana isika, ny fanontaniana dia ahoana ny fiarahantsika sy ny fampiasantsika izany fahafatesana izany?

 
2/ Ny fahafatesana amin’ny lafiny etika:
Ny teny hoe etika dia faritantsika hoe: “fomba fitondrantena tsara mba hahatonga ny olona rehetra hiaina milamina sy miadana”.
Ny hojerentsika eto dia fampiasantsika olombelona ny fahafatesana ho fitaovana iray entina hiainana amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Ny fampiasan’ny olombelona ny fahafatesana dia eo amin’ny resaka fanamelohana ho faty (peine de port) sy ny etanasia (euthanasie) amin’ny fiarahamonina.

a/ Fanamelohana ho faty (peine de mort):
Raha ny TT indrindra teo amin’ny lalàn’i Mosesy dia toa manamafy ny anaovana ny fampiasana ny fanamelohana ho faty. Jereo ny lalàn’ny Zanak’Isiraely koa anefa dia manidry fa vokatry ny tsy fanaraha-dalana ka mahaloto ny olona dia miteraka ny fahafatesana na fanamelohana ho faty araka ny Genesisy 9 :6 na ny Eksodosy 21 :12; fanononana ratsy ny anaran’Andriamanitra araka ny Levitikosy 24,16; ny fijanganjagana araka ny Deotoronomia 22 :20-21; tsy fanajana ny sabata araka ny Eksodosy 35 :2; ny fangalaran-jaza araka ny Eksodosy 21 :16; mamono ny ray aman-dreny araka ny Eksodosy 21 : 15; ny firaisan’ny lahy sy ny lahy ( homoséxualité) araka ny Levitikosy 20 :13; ny firaisana amin’ny biby (béstialité) araka ny Levitikosy 20 :15-16 , vokatry ny herisetra araka ny Samoela voalohany 15 :32-33. Ny vokatr’ireo fandikan-dalana ireo dia atao maty ny olona ka na dorana izy araka ny Genesisy 38 :24 na ny Levitikosy 20 :14 na ny Josoa 7 :15, 25. Misy koa anefa ny fitoraham-bato azy araka ny Nomery. 15:32–36 na ny Levitikosy. 20:27 na ny Deotoronomia. 17:2–7 sy ny 21:18–21.

Ny anton’ny ireo fahafatesana ireo dia Izy Andriamanitra no mampanao ireo ny olona mba hanavahana ny olony amin’ny jentilisa fa tsy mamporisika ny olona hampiasa ny fahafatesana ho fitaovana hamonoana olona izany.

Manamafy izany ny didy folo nomen’Andriamanitra ny olony ny didy faha dimy: “Aza mamono olona” (Eksodosy 20: 13). Io no porofo fa Andriamanitra irery no tompon’ny aina ka raha manao izany ny olona dia maka ny toeran’Andriamanitra. Ary dia manamafy izany tsy famonoana olona amin’ny fampiasana ny fahafatesana izany ny TV.
Ny TV izay mifototra amin’ny fitiavana ny Ray sy ny fitiavana ny namana koa dia mandrara ny fampiasana ny fahafatesana ho vaha-olana amin’ny tranga iray fa ny miaro kosa sy manana andraikitra hitandrina ny ain’ny namana. Manamafy an’izany ny fanazavan’i Lotera ny didy fahadimy hoe tsy maintsy matahotra sy ho tian’Andriamanitra isika ka tsy hanimba na hamono ny namantsika fa hiaro azy kosa sy hanampy azy amin’ny fahoriana rehetra manjo azy.

Ary izay no hidirantsika amin’ny etanasia

b/ Etanasia (euthanasie):
Ny hoe etanasia dia avy amin’ny teny grika roa hoe “eu”: tsara sy “thanatos”: fahafatesana izay azo adika hoe fahafatesana tsara. Ny tena heviny dia fanahiniana vonoina ny marary iray mba hanamaivana ny fijaliana ara-batana mahazo azy. Ampiasaina ny fahafatesana mba tsy andalo ady sarotra sy maharitra ny marary iray. Mampatsiahy antsika ny tranga toy izao ny ady nataon’i Jesosy tao Kalvary izay nijaly sy niady tokoa ary nitolona tamin’Andriamanitra mba hampahery Azy. Ary izay koa no vahaolana atolotra, isika amin’ny maha loterana antsika dia tsy misaraka amin’ny Soratra Masina irery ihany izay efa noresahintsika fa Andriamanitra irery no tompon’ny aina ka izay rehetra maka izany toerana izany dia tsy azo ekena. Ny tsara atao dia ny mitondra ny marary amim-bavaka sy miara-mizaka aminy ny aretiny.

Ho famaranana dia ho an’ny mpino ny resaha fahafatesana dia hahazoany tombony satria miala amin’ny ity tany feno fijaliana sy ady ity izy ka tonga miaraka velona mandrakizay amin’Andriamanitra mpahary sy Jesosy nanavotra ary ny Fanahy Masina nanamasina azy .Ary izay indrindra no nifidianana ny Teny nanakinantsika ny loha-hevitra: ny fahafatesana no hahazoako tombony satria miaina ilay fiainan-tsambatra maharitra mandrakizay isika dia ny Fiainana Mandrakizay izay efa nomanin’i Jesosy ho antsika mpino tsirairay.
Voninahitra anie ho an’Andriamanitra irery ihany. Amena!

 

Pastora Nalason Raoelimanana, Tale Fizakan-tena SPAM

2 commentaires

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *