Ny Rafitra

rafitra

Betsaka ny mametra‐panontaniana mahakasika ity Rafitra ao amin’ny Fiangonana ity, anisan’izany ity fanontaniana ity :
« Iza no mba afaka manazava misimisy kokoa ny hoe: « Tsy kongregasionalista ny F.L.M, tsy presbytero‐synodaly, tsy episkopaly fa tena Synodaly? »

Koa raisinay ho adidy ny hanambara izay mba kely fantatra vokatry ny fikarohana mba natao tany aloha tany. Ialana tsiny fa mety tsy ho feno ny fanazavana izay hataonay eto fa mba fandraisana anjara kely fotsiny ihany.

Araka ny fantantsika na ambara amintsika ombieny ombieny dia ny Rafitra antsoina hoe Synodaly no itondrana ny FLM. Inona moa izany Rafitra izany ?

Mialoha ny hilazana azy io dia angamba tsara asiana resaka ihany ireo rafitra telo izay tanisainy ireo.

1) Ny Rafitra Kongregasionalista:

Ny hoe: “Congrégationaliste” dia anarana nentina nilazana ireo Fiangonana izay nipoitra avy tamin’ny antsoina hoe: « Puritanisme ». Izany anarana izany dia nomena azy ireo vokatry ny endriky ny organizasionany izay manome fahefana sy fahaleovan‐tena ny Fiangonana tsirairay ao aminy. Nanome lanja ny fizakantenan’ ny Fiangonana tsirairay teo amin’ny fomba fitantanana, fandaminana ny fanompoam‐pivavahana tao aminy izy
ireo.
Misy lahatsoratra nataon’i Andriamarohasina Ravalitera Jean momba ity Rafitra ity ao amin’ny Gazety Ny Mpamangy N° 1432, nivoaka ny volana May 2001 ao @ pejy faha 9, mitondra ny lohateny hoe : « Izay maha Protestanta ny Protestanta », izay anazavany izany (ho an’izay afaka mahita azy io).

Ny mampiavaka ity Rafitra ity dia izao: ny raharaha pastoraly ao aminy dia tsy voatery hipetraka amin’ny pastora fotsiny ihany fa mety ho amin’ny olona iray izay ao anatin’ny Fiangonana ihany koa.
Eo amin’ny fandaminan‐draharaha ao amin’ny Fiangonana dia azo lazaina fa manampahefana feno ny Fiangonana lokaly. Izy ireo no mifidy ny mambra sy ireo pastora hiasa ao aminy. Izy ireo ihany koa no mametraka sy misafidy ny fanekem‐pinoana sy ny litorjia izay arahiny.

2) Ny Rafitra Presbytero‐Synodaly

Misy koa ny milaza azy ity hoe: “semi‐Synodal”. Ity voambolana ity indray dia nipoitra tany Allemagne tamin’ny taon‐jato faha‐XIX. Araka izany anarana izany, dia ahitana endrika Rafitra roa izay toa niara‐narafitra tao.
Azo lazaina anefa fa Rafitra izay misy fifandraisany akaiky amin’ny Rafitra teo aloha ihany koa izy, dia ny Rafitra Kongregasionalista. Na dia eo aza ny fiombonana ao anatin’ny Synoda, dia hita fa manana ny fahaleovantenany ihany koa ireo Fiangonana lokaly.
Eo amin’ny raharaha mahakasika ny fiombonana kosa indray anefa dia ny synoda no manana ny fahefana manapa‐kevitra. Misy ireo « commissions » samihafa izay natao hanara‐maso ny fanatanterahana ireo fanapahan‐kevitra neken’ny Synoda. Ny olona izay mambra amin’izany vaomiera mpanaramaso izany dia fidian’ny fivoriamben’ny Synoda.
Raha ny firafitra hita eo amin’ny “Synoda” indray kosa eto dia misy endrika roa samihafa.
Ao ireo mampitovy isa ny pastora amin’ny laika; ao kosa indray ny manao ho avo roa heny ny isan’ny laika ao aminy.
Eo amin’ny fandaminan‐draharaha eo amin’ny fitondrana kosa indray dia azo lazaina fa tsy ahitana teny midina na fanerena avy any amin’ny Synoda ho aty amin’ny fototra.

3) Ny Rafitra Episkopaly

Ny hoe: episkopaly dia avy amin’ny teny grika hoe: “Έπισκοπέω”, (épiskôpéo) izay azo adika hoe: mijery, manara‐maso. Avy amin’izany no nihavian’ny teny hoe: “Έπίσκοπος” (épiskôpôs) na mpanara‐maso, mpiambina na mpiaro ny fampianaran’ny Fiangonana.
Ity teny eto ity dia maneho ny maha‐zava‐dehibe ny fiandrianan’ny Eveka sy ny fifandimbiasana apostolika. Ny hoe: “Έπίσκοπος” (épiskôpôs) mantsy dia nentina nanondroana ireo olona izay napetraka hitarika ny Fiangonana isa‐toerana tamin’ny andron’ny Apostoly. Nihanahazo fahefana manokana sy tombompiamboniana izy ireo taty aoriana, ka tonga nifehy ny Fiangonana.

Ahitana endrika roa miavaka tsara eo amin’ity tontolon’ity Rafitra Episkopaly ity:

Voalohany amin’izany dia ny endriky ny Rafitra Episkopaly ao amin’ny Fiangonana Katolika Romana, izay azo lazaina fa mbola mitana ihany ny antsoina hoe: “épiscopat monarchique”, na ny fananan’ny Eveka iray
tombom‐piamboniana miohatra amin’ireo Eveka hafa (ny Papa), na dia teo aza ny fiheverana tao amin’ny Concile Vatican II ny amin’ny hametrahana ny atao hoe: “collégialité”. Izany hoe, ny fiombonam‐pahefan’ireo eveka no tompon’ny fanapahan‐kevitra rehetra eo amin’ny Fiangonana.
Misy ihany koa ny fahefana izay ananan’ireo eveka isan‐toerana. Na dia izany aza anefa dia mbola hita fa ny Papa ihany no filoha mitondra sy mifehy azy. Ahitana izany amin’ny fomba fanendrena ireo eveka sy ireo kardinaly, izay fahefan’ny Papa manokana, na dia eo aza ireo dingana samihafa sy ny fakan‐kevitra samihafa izay atao mialoha izany.

Faharoa, dia ao koa ireo izay hita ao amin’ireo atao hoe: Fiangonana Episkopaliana, izay ahitana ireo Fiangonana, toy ny: Katolika tranainy (“vieille catholique”), ny “Orthodoxe”, ny Anglikana ary ireo Fiangonana
Protestanta sasany. Amin’ity sokajy ity, dia azo lazaina fa ao anelanelan’ny Rafitra izay ahitana ambaratongampahefana na “hiérarchie” araka izay hita teo ambony sy ny Rafitra ahitana fiombonampahefana na “collégiale” ao amin’ny Fiangonana protestanta réformé. Izany hoe, ahitana ny fiandrianan’ny Eveka (“episcopat”) ihany ao aminy, izany anefa dia mifototra indrindra amin’ny raharaha pastoraly, izany hoe, amin’ny mahampanompo azy fa tsy amin’ny maha‐tompom‐pahefana kosa.

Na dia eo aza anefa izany, amin’ny fotony, ity Rafitra Episkopaly ity dia Rafitra izay tsy ahafahan’ny Fiombonan’ny mino mandray anjara firy loatra amin’ny asa fanompoana, indrindra eo amin’ny fanapahankevitra ao amin’ny Fiangonana. Ny fahefana dia avy any ambony, izany hoe avy amin’ireo antanatohatra ambony ka atolotra ireo aty amin’ny fototra ho tanterahina. Io Rafitra antanatohatra io no mifehy ny Fiangonana, izay mifototra indrindra amin’ny fahefan’ny Eveka sy ny fankatoavana izany fahefana izany.

4) Ny Rafitra Synodaly

Ny hoe: Synoda dia avy amin’ny teny Grika hoe: “συνοδία”, izay ahitana ny hoe: “συν” (“with, together with”= miaraka) sy ny hoe: “’οδός” (“a way, road”= làlana). Izany hoe, ilazana vondron’olona izay miara‐dàlana ity teny ity.
Misy ihany koa mpandinika izay milaza fa avy amin’ny teny hoe: “συν” sy ny hoe: “οδός” (“seuil de la maison”= varavarana) ity teny ity ka izany no nahatonga azy ho nanondroana fivoriana na fiombonana manapakevitra.
Azo ampifandraisina ireo hevitra roa ireo satria asehon’ireo ny foto‐kevitra izay hita sy raketin’ity Rafitra Synodaly ity, izay azo faritana ho fiombonana na fiarahana midinika eo amin’ny mino mba handraisana
fanapahan‐kevitra mikasika ny fiainan’ny Fiangonana. Maneho ny fiombonan’ny mino rahateo izany amin’ny fanatanterahana ny misionany sy amin’ny maha mpisorona azy.

Araka izany, izay anisan’ny mampiavaka azy ity dia ny fandraisana anjara feno ataon’ny sokajy samihafa ao amin’ny Fiangonana. Rafitra demokratika kokoa, izay ahitana ny fandraisan’ny Fiangonana manontolo anjara amin’ny fitondrana ny raharahany. Izany fandraisana anjara izany dia miseho amin’ny alalan’ny fanendrena na fifidianan’izy ireo ny solon‐tenany eo amin’ny Rafitra mpanapa‐kevitra ao amin’ny Fiangonana. Anisan’izay mampiavaka ity Rafitra Synodaly ity izany.

Marihina anefa fa samy mampiasa ity teny ity avokoa ny Fiangonana rehetra. Na dia izany aza, dia samy hafa be ihany ny famaritana izay hita amin’izany.
Ho an’ny EKAR, izay mampihatra ny Rafitra Episkopaly, ny hoe: Synoda dia entina ilazana ny fihaonam‐ben’ireo Eveka sy ny Pretra mba handinika ny fiainam‐panahin’ny kristiana ao aminy, hanamafy ireo lalàm‐piangonana ho fanitsiana ny tsy mety ary hampandrosoana ny fiainambavaka sy ny fanarahana ny Fiangonana.

Ao amin’ny Fiangonana Protestanta kosa, dia entina ilazana ny fivoriam‐ben’ny mpitondra fivavahana sy ny Laika amin’ireo Fiangonana mitovy sata misy eo amin’ny faritra iray ny Synoda, izay fahefana mandinika sy manapaka ireo hevitra fototra hitondrana ny Fiangonana sy ny asa izay hotanterahiny. Izany dia miorina indrindra amin’ny fitovian‐jo sy adidy eo amin’ireo samy fiangonana, ny samy Pastora, ary ny samy laika.

Fa inona moa no maha izy azy ity Rafitra Synodaly ity ?

a) Eo amin’ny fandraisana fanapahan‐kevitra

Matetika, raha vao ny teny hoe: Synoda no resahina, izay tonga ao antsain’ny maro ao amin’ny Fiangonana avy hatrany, dia ny Filohan’ny Synoda. Vokatr’izany, dia tsy mahagaga raha toa ka maro no tsy mahalala na diso hevitra ny amin’izay maha‐izy azy ny Synoda, eny fa na dia ny mpitondra sasany eo amin’ny Fiangonana aza.
Ao amin’ny Rafitra Synodaly anefa ny atao hoe: Filoha na “Président” dia olona izay napetraka hitarika ny asan’ny Fiangonana sy hanatanteraka ireo fanapahan‐kevitra rehetra; mamporisika sy manaramaso ny fanatanterahana azy.
Izay mampiavaka ity Rafitra Synodaly ity amin’ireo Rafitra hafa dia hita eo amin’ny fomba fandraisana fanapahan‐kevitra, izay mipetraka amin’ireo Komity samihafa isan’ambaratonga eo amin’ny Fiangonana. Izany
Komity izany dia ahitana ny fandraisana anjaran’ny loholona sy ny mpanao raharaham‐piangonana. Izany hoe, tsy ny Eveka na ny Filohan’ny Synoda na ny mpitarika irery no manapaka izay raharaha hatao sy hotanterahina
fa ny Komity. Ny fomba fanorenana ny Komity dia miainga avy amin’ny fifidianana na fanendrena, izay ataon’ny Fiangonana tsirairay isa‐toerana, ireo olona izay hisolo tena azy eo amin’ny fitondrana ny Fiangonana.

b) Eo amin’ny fomba fiasa

Eto no tena ahitana ny fiombonana eo amin’ny Fiangonana, ka ahitana ny maha‐Synoda araka ny famaritana izay efa nomena tany aloha. Eo amin’ny fomba fiasa ankapobeny, dia iombonana ny fitsipika mifehy, ny Litorjia
ampiasaina ao amin’ireo Fiangonana mambra ao amin’izany Synoda izany.
Eo amin’ny fampandehanan‐draharaha ankapobeny ao anatin’ny Fiangonana kosa dia mipetraka amin’ny fiombonan’ny mino ihany koa. Ohatra iray amin’izany resaka tetibola izay zaraina amin’ny Fiangonana tsirairay.
Voakasika amin’izany tetibola izany ny raharaha mahakasika ny ara‐bola, toy ny karama na fiveloman’ny mpiasa sy ny mpanao raharaha mba hahalavorary ny andraikitra napetraka tamin’izy ireo. Ao koa ireo asa izay
iombonan’ny isan’ambaratongampitondrana.
Eo amin’ny faharetan’ny fotoana izay itondrana indray, dia voafetra ny ao amin’ity Rafitra Synodaly ity, fa tsy tahaka ny ao amin’ny Rafitra Episkopaly izay maharitra mandrapahatongan’ny fotoana fisotroan‐dronono.

Raha lazaina amin’ny fomba tsotra ary izay maha‐izy azy sy mampiavaka ny Rafitra Synodaly dia ny fandraisana anjaran’ny Fiangonana amin’ny fitantanana ny raharahany rehetra, amin’ny alàlan’ireo solon‐tena voafidiny mandritra ny fotoana voafetra. Ka amin’izany, ny fanapahan‐kevitra rehetra izay raisina, ny asa samihafa izay tanterahina dia vokatry ny fifampidinihana teo amin’ireo sokajin’olona samihafa ao amin’ny Fiangonana (Laika sy “Clergés”) izay voafidy ho solon‐tenan’ny mino rehetra.

Ny tsara ho marihina ihany eto am‐pamaranana dia izao: tsy ny anarana fiantsoana ny mpitondra eo amin’ny Fiangonana toy ny hoe : Président na filoha/ Eveka na Bishop, akory no maha‐Synodaly na Episkopaly ny Rafitra iray, fa miankina indrindra amin’ny fomba fandraisana fanapahan‐kevitra eo amin’izany Rafitra izany.

Araka izany dia tsy maintsy ho fantatra ny hoe: Iza eo amin’ny Fiangonana no mpanapa‐kevitra izay hotanterahina amin’ny fandavorariana ny misionany, izay antom‐pisian’ny Rafitra eo amin’ny Fiangonana?

Ireo ary ireo karazana Rafitra eo amin’ny Fiangonana, koa mipetraka ny fanontaniana hoe :
Rafitra inona marina no ampiharina eo amin’ny F.L.M ? Na koa ny hoe : tena mipetraka amin’izany Rafitra Synodaly izany ve ny F.L.M ?

Samy afaka mandinika sy mamaly izany isika tsirairay avy.

Pastora ANDRIAMIHARIMANANA Fidiniaina Berthier

Pastora Dr, Mpampianatra Tantaran’ny Fiangonana ao @ SALT Ivory Avaratra, Fianarantsoa.
ZFLM 8 décembre 2014

3 commentaires

  • Misaotra anao Pastora nanazava ara-tantara ireo rafitra ireo fa tena maazva tokoa . Hitako fa @ ankapobeny dia mbola hita ny maha-synodaly ny FLM : fanomezana lanja ny komity , fampandraisana anjara ny laika ..Fampitoviana ny litorjia , sy ny fomba amam-panao . Fisian’ny komity lehibe toa ny KMSL nasionaly .. Izay zavatra tsy hita eo @ fiangonana rahavavy toa ny EKAR ; Eo @ mpitondra ( tonian’ny FLM , President Synoda , ) sy eo @ mpino kosa anefa dia mipetraka hatrany ilay hoe Ny Mpitondra no to teny sy hajaina ary ny mpino no entina .

  • Lalaina ONINANDRIANINA

    Makasitraka indrindra tompoko.

    Mila fanazavana manokana momb ireo vondrombavaka..inona marina no mampiavaka azy amin’ny fiangonana,
    Ny fiangonana sy ny fitandremana?
    Ny fitandremana manoloana ny filehovana,
    Ny fileovana manoloana ny synodam-paritany
    Ary ny synoda lehibe.

    Misaotra tompoko.

    • Andriamasijaona Mandimbihaja

      Salama tompoko, ny vondrom-bavaka no kely indrindra, mazàna izy ireo mbola tsy notokanana ho Fiangonana. Ny Fitandremana kosa araka izay anarany izay dia Toerana iandraiketan’ny Raiamandreny Pastora iray, mety Fiangonana tokana izy io ary mety Fiangonana maromaro mety koa Fiangonana sy Vondrom-bavaka maromaro. Dia manaraka io kisary io @ izay ianao I.e fitambaran’ny Fitandremana maromaro no atao hoe Fileovana, Fileovana maromaro no Synodam-paritany ary ny Fivorian’ny Synodam-paritany rehetra no antsoina hoe Synoda lehibe.

Répondre à Andriamasijaona Mandimbihaja Annuler la réponse.

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *