Ny andro nahafatesan’i Jesosy

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.

Ny Andro Nahafatesan’i Jesosy sy ny Nandevenana Azy ary ny Fitsanganany tamin’ny Maty.

Ny Matio 12:40 dia milaza fa “fa tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany”. Vokatr’ity fanambaran’i Jesosy ity dia teraka ny fanontaniana hoe “oviana marina Jesosy no maty, Alarobia sa Alakamisy sa Zoma? Inona amin’ireo andro ao amin’ny herinandro iray no antsoina hoe “andro fahatelo” izay voalaza fa nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty? Mipetraka izany fanontaniana izany na dia ankehitriny izao aza indrindra manoloana ny fampianaran’ireo izay milaza fa maty tamin’ny antsasaky ny herinandro Jesosy, izany hoe, maty Alarobia (cf. fampianaran’ny antokom-pinoana Apokalypsy). Noho izany dia tsara ny manolotra fanazavana etoana mba hamaliantsika izany fanontaniana izany. Hatrety amboalohany aloha dia tsara ny manamarika fa tsy maintsy raisina sy vakiana araka fomba fanisana andro araka ny kolontsaina Jiosy ity fa tsy araka ny kolontsaina sy fomba fanisantsika azy ankehitriny.

Araka izay ambaran’ireo Filazantsara efatra dia maty ny Zoman’ny Herinandro Masina, mialohan’ny Sabata, Jesosy (Mk 15:42, 43; Lk 23:46, 54; Jn 19:14, 30, 42). Raha kaontina araka ny fomba fanisantsika andro ankehitriny anefa ny voalaza ao amin’ny Matio 12:40 hoe hitoetra “telo andro sy telo alina” (72 h) ao anaty tany (fasana) Izy dia mampisalasala ny fahafatesany Zoma fa na Alarobia na farafaharatsiny Alakamisy izy no maty. Ahoana no hamahantsika izany olana izany?

Voalohany, ny fomba fanisan’ny Jiosy ny andro iray dia manomboka amin’ny filetehan’ ny masoandro ka hatramin’ny filetehan’ny masoandro (ohatra ny SABATA dia manomboka Zoma hariva maty masoandro ka hatramin’ny Sabotsy hariva maty masoandro, manomboka Sabotsy maty masoandro dia efa Alahady indray, etc.).

Faharoa, araka ny fomba Jiosy ihany koa dia isainy ho efa andro iray ny ampahana andro iray araka io voalaza eo ambony io. Hoy ny fomba fitenin-dry zareo: “A day and a night make an onah, and a part of an onah is as the whole”. Izany hoe, ny ampaham-potoan’ny Zoma dia efa kaontina ho mahafaoka ny Zoma manontolo izay manomboka ny Alakamisy maty masoandro ka hatramin’ny Zoma maty masoandro.
Fahatelo manaraka izany, ny fomba fiteny hoe “telo andro sy telo alina” teo amin’ny Jiosy koa dia tsy midika ho 72 ora (24 ora x 3) araka ny fomba fanisantsika ora amin’izao fotoana izao fa fomba fiteny inclusive entina ilazana kosa hoe “tsy mihoatry ny telo andro” araka ilay fomba fanisana andro teo ambony. “Three days and three nights” was the ancient way of referring to three calendar days; with an inclusive counting of Friday, Saturday, and Sunday, the two expressions are identical. => Hateloan’andro sy hateloan’alina = Telo andro. Ao amin’ny Marka 15:42 no ahitantsika ny teny fototra hoe παρασκευὴ, izay nadikan’ny Baiboly Malagasy hoe “andro fiomanana amin’ny amin’ny andro Sabata” (andro nahafatesany sy nandevenana an’i Jesosy) ary nadika amin’ny fiteny Grika moderna hoe ZOMA (cf. Mat 27:62; Mk 15:42; Lk 23:54; Jn 19:14, 31, 42).): Izany hoe maty sy nalevina ny Zoma Jesosy (Zoma = Alakamisy maty masoandro – Zoma maty masoandro), tao ampasana ny Sabotsy (Sabotsy = Zoma maty masoandro – Sabotsy maty masoandro) ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, izany hoe ny Alahady (Alahady = Sabotsy maty masoandro – Alahady maty masoandro). Ny fandikana izay voalaza ao amin’ny Matio 12:40 fa tao anaty fasana nandritry ny “telo andro sy telo alina” ho 72 ora araka izany dia tsy mifanaraka amin’izany fomba fanisana sy fisainana Jiosy izany.

Ankoatr’izany, ny soratry ny Testamenta Vaovao dia mamerimberina fa nitsangana tamin’ny andro fahatelo Jesosy (fa tsy taorian’ny andro fahatelo) (Mat 16:21; 17:23; Lk 9:22; 18:33; Asa 10:40; 1 Kor 15:4).

Tahaka izao ny zava-niseho nandritry ny Herinandro Masina:
Sabotsy: Fahatongavana tao Bethany Jn 12:1
Alahady: Nitady an’i Jesosy ny vahoaka Jn 12:9–11
Alatsinainy: Fiakarana tao Jerosalema (Mat 21:1–9; Mk 11:1–10; Lk 19:28–44)
Talata: Fanozonana ny aviavy (Mat 21:18–19; Mk 11:12–14Fanadiovana ny Tempoly (Mat 21:12–13; Mk 11:15–17; Lk 19:45–46)
Alarobia: Ny aviavy nalazo (Mat 21:20–22; Mk 11:2–26Ady hevitra momba ny Tempoly (Mat 21:23–23:39; Mk 11:27–12:44; Lk 20:1–21:4)Resaka teo amin’ny tendrombohitra Oliva (Mat 24:1–25:46; Mk 13:1–37; Lk 21:5–36)
Alakamisy: Fanasan’ny Tompo (Mat 26:20–30; Mk 14:17–26; Lk 22:14–30)Fanenjehana sy fisamborana an’i Jesosy (Mat 26:47–56; Mk 14:43–52; Lk 22:47–53)Fitsaran’i Annas and Caiaphas (Mat 26:57–75; Mk 14:53–72; Lk 22:54–65; Jn 18:13–27)
Zoma: Fitsaran’ireo Sinedriona (Mat 27:1 Mk 15:1; Lk 22:66)Fitsaran’i Pilato, Heroda (Mat 27:2–30; Mk 15:2–29; Lk 23:1–25; Jn 18:28–19:16)Fanombohana sy fandevenana (Mat 27:31–60; Mk 15:20–46; Lk 23:26–54; Jn 19:16–42)
Sabotsy: Tao am-pasana Jesosy
Alahady: Fitsanganany tamin’ny maty (Mat 28:1–15; Mk 16:1–8; Lk 24:1–35)

Aza mety ho azon’ny masirasiran’ny sasany momba an’i Jesosy izay afotony momba fandikana diso ity vanin’andro nahafatesana sy nitsanganany tamin’ny maty ity àry.

 

Mpanolotra: Rafalimanana Jean de Dieu,
Pastora Mpampianatra Grika sy Testamenta Vaovao ao amin’ny SALT
PhD Student, Misjonshogskolen, Stavanger, Norway

4 commentaires

  • Misaotra betsaka Pastora nampianatra ary hitako fa mazava tokoa sady tsotra ilay izy . Mahagaga ahy anefa no mahatonga ny olona sasany midongy sy ts y mety mino ary manohitra izany

  • Misaotra amin’ny fanazavana pasitera. Mba te hiteny kosa anefa aho hoe misy an’ilay resaka menaka manitra somary manahirana izay koa tafiditra ami’izy io. Ilay andro nanamboarana azy sy ilay andro nividianana azy no toa mifanohita raha raisina amin’io fanazavana io. Angamba mba tsara dinihina ihany izay fa izaho mantsy tsy tena mahay tsara azy io.

  • liaka 24:21

  • Ny zava-misy de izao: maro ny toko sy andininy ao amin’ny baiboly milaza ny alahady raha ny fitsangan’ny jesosy tamin’ny maty, araka ireo voalaza teo ireo, ndeha atao hoe mampisalasala ny alarobia na zoma zay lazaina fa samy andro fiomanana, fa ilay nitsanganany tamin’ny maty kosa dia ny alahady no voalaza ao amin’ny bainoly ao. Dia ndeha koa atao hoe, mampiady hevitra ny fipetrak’ilay andro voaloany amin’ny herinandro (Alahady) ao amin’ny soratra masina, dia io no avadibadika rehefa te ilaza fa nitsangana sabotsy jesosy. TOKONY MBA OMENA NY TOKO SY ANDININY MAZAVA AO AMIN’NY BAIBOLY FA NITSANGANA SABATA NA SABOTSY ALOHAN’NY MATY MASOANDRO JESOSY. manaraka izany ilay ao amin’ny LIOKA 24:21(izay milaza fa io alahady io no andro fahatelo) rehefa tsy hita izay anolanana azy dia amoronana resaka hafa indray izay tsy marim-pototra: toy ny hoe ny alakamisy hono no niaingan’ireo mpianatra rehefa nilaza an’iny. Na koa hoe amin’ny Jiosy rehefa mbola tsy migadona tanteraka ny ora amin’ny andro fahefatra(mbola ts maty masoandro) dia hoe mbola andro fahatelo. Nefa ny mifanohitra amin’izay no tena marina araka ny fanazavan’ny Pasitera erÿ ambony (ny ampahany amin’ny andro anankiray dia mahalaza ny andro iray manontolo , milaza an’io ohatra ny tantara ao amin’ny 1SAMOELA 30 indrindra ny andrininy faha-11, 12, 13). Tena mahatsikaiky, de naninona tsy milaza ny baiboly hoe: raha tokony ho ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia natao hoe ny andro fahafito ohatra satria mbola ts ariva ny andro.
    FEHINY : amiko maty ny ZOMA jesosy ary nitsangana ny ALAHADY.
    Ny hoe misy teny tsy milahatra ao amin’ny fitantaran’ny Marka sy Lioka indray (hoy ny namana Didi) : NANOMANA sy NIVIDY zava-manitra, ny filazantsara efatra (MATIO, MARKA, LIOKA, JAONA) dia mitantara zavatra iray ihany fa saingy samy manana ny filazany azy,ary betsaka ny fitantarana manamarina izany ao amin’ireo boky efatra ireo. Tsy misy resaka mifanipaka izany ao. Ny manomana sy mividy zava-manitra dia iray ihany. Ohatra azoko atao ny miteny hoe andeha hanomana sakafo aho na dia mbola misy ampahany na manontolo amin’ny sakafo azo mbola ts novidiko. Ary azo atao koa ny miteny hoe: andeha hividy sakafo kanefa efa avy nomanina mialoha ny fitaovana hikarakarana izany. dia toy izay io fa ts voatery hoe avy nividy zava-manitra dia afaka ora maromaro aty aoriana elabe vao andeha hanomana.
    Farany: raha toa ka ireo eo ambony eo ireo ny toko sy andininy milaza fa nitsangana ALAHADY NY TOMPO, dia miangavy ny tenako mba omena raha misy (na anankiray fotsiny aza) toko sy andininy ao amin’ny Baiboly milaza fa nitsangana Sabotsy alohan’ny maty masoandro Jesosy. Ny resaka Philosophie na Mathematiques dia ialohavan’ny Toko sy andininy mazava tsara, raha tsy izay dia mipetraka ilay teny ao amin’ny Kolosiana 2:8 (version catholique) hoe : »Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’ izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka ny Kristy ». Misaotra indrindra Tompoko. Ny fiadanan’ny Jesosy Kristy Tompo ho amintsika rehetra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *