Ny Batisan’i Jesosy

Jesus laugh

Nahoana Jesosy Kristy no mbola natao batisa / Mitovy amin’ny batisan’i Jesosy ve ny batisan’ny Kristiana?

Nafana ity adihevitra ity tao amin’ny ZFLM, ary nahitana fa tsy zanaky ny FLM avokoa akory ireo mpikambana ao; ary misy aza miezaka mitondra ny fampianarany eo amin’ny sehatra. Eto ndray dia tsy hivoaka ny foto-kevitra Loterana isika fa kosa hanazava izany mba hampiorina izay manaiky izany fampianarana izany. Tsara marihina fa na dia maro aza ireo karazana voambolana nampiasan’ny mpandray anjara, toy ny batemy, Jesoa, sns, dia izay fampiasan’ny Loterana no hampiasaina eto.

Eto am-panombohana dia tsara holazaina fa ny fikambanana ao amin’ny antokom-pinoana iray dia tsy sanatria fanaovana ambony ny anaram-pinoana noho ny maha-Kristiana, fa kosa fanekena hotaizana amina fampianarana izay maha-resilahatra fa manakaiky ny Soratra Masina indrindra.  Arak’izany dia ny tsy fanekena ho mpikambana amin’antokom-pinoana iray dia midika ho fandavana famefena, fitaizana sy fiarovana ka anehoana fa mahalala ny tokony hataony ilay olona. Tandremo, “Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.” (Ohab 26:12)

Ireo valin-teny nivoaka nandritra ny adihevitra:

  • Natao batisa Izy mba ho fampianarana, ho ohatra mba harahintsika
  • Amin’ny maha olombelona an’i Jesosy dia teraka tamin’ny ota koa Izy ka mila atao batisa
  • Natao batisa Izy ho fanorenana ny sakramentan’ny batisa
  • Teo amin’ny batisa no nandraisan’i Jesosy ny Fanahy Masina
  • Tsy nateraka tamin’ny ota Jaona fa noho Fanahy Masina [ka afaka nanao batisa an’i Jesosy]
  • Ny batisan’ny Tompo dia manana hevitra fanombohana ny iraka nampanaovina Azy
  • Ny batisan’ny Jesosy dia karazana fanosorana Azy ho amin’ny asany
  • Ny batisa no nanehoana ampahibemaso hoe Iza marina Jesosy
  • Ireo rehetra ireo moa dia ny andikan’ny mpiady hevitra ny hoe “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” nolazain’i Jesosy ho tsy maintsy anaovana batisa Azy

Vokatr’ireo valin-teny, izay samy nanana ny azy, ireo, no sady koa nisy ny tena diso tokoa, dia lasa nivoaka kokoa ny lohahevitra ny adihevitra ka lasa voaresaka tao ny fanatanterahana ny batisa (ranobe asitrika, sa tsy voatery; tsy maintsy olon-dehibe sa tsy maninona na dia zaza aza), ny fifandraisan’ny Jesosy sy ny Fanahy Masina; ny natioran’ny olombelona; ny fifandraisan’ny Testamenta Vaovao sy ny Testamenta Taloha, ary ny toerana raisin’ny Kristy amin’izany; ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina amin’ny famerenana ny batisa, sns. Ireo rehetra ireo moa dia hovelabelarina amina pejy mitokana, fa izay hojerena eto dia ny famaliana tsotra kanefa mazava sy ara-tSoratra Masina ilay fanontaniana niaingana.

  • Famaritana

Ny hoe ‘batisa’ dia nindramina avy amin’ny teny Grika   hoe βαπτίζω (baptizō) izay midika hoe – dip, immerse, submerge, baptize – alentika na atao batisa; sy ny hoe βαπτισμός (baptismos) izay midika hoe – dipping, washing – fandetehana na fanasana; ary koa ny hoe βάπτισμα (baptisma) izay midika hoe – baptism – batisa. Ireo dikan-teny fototra ireo moa no ijoroan’ireo manizingizina fa tsy maintsy misy fandentehana anaty rano vao feno ny maha-batisa ny batisa. Tsy izany anefa no hojerentsika eto fa hifantoka kokoa isika ny amin’ny antony nilana hanaovana batisa an’I Jesosy.

Tsy fomba fanao tao amin’ny Testamenta Taloha araka ny ahafantarantsika azy ny fanaovana Batisa, na dia tsy zava-baovao teo amin’ny finoana Jiosy aza ny fibebahana sy ny famelan-keloka (1Mpa 8:33-34; Isa 55:6, 7). Na izany aza anefa dia hita taratra ao amin’ny Testamenta Taloha ny maha-tandindon’ny batisa an’ireo fombam-pivavahana fanadiovana natao teo amin’ny fanompoam-pivavahana Jiosy. Ary tamin’izany dia rano no fampiasa indrindra na dia misy koa ny fampiasana ra indraindray (Eks 19:10, Nom 19:1-22; Lev 14, 15, 16:24-28) ary mbola izany rano izany koa no anaovan’ny Ezekiela mpaminany sary ny ho famelana ny heloky ny olon’Andriamanitra (Eze 36:25). Tandindona satria natao hanadiovana fotsiny ny ety ivelany ireny ho sarin’ilay batisa hanadiovana ny fanahy. (1 Peter 3:21).

Ankoatr’izany tandindon’ny batisa izany dia nisy koa teo amin’ny Jiosy ny antsoina hoe Tvilah, izay batisa natao handraisana ho isan’ny mino ireo antsoina hoe Proselita, na jentilisa manaiky ny finoana sy ny fivavahana Jiosy, fito andro aorian’ny famorana azy. Marihina fa tsy voarakitra ao amin’ny Soratra Masina ny didy mampanao azy io fa kosa fanao teo amin’ny Jiosy talohan’ny nahatongavan’i Jaona mpanao batisa izany ary nanamora ny fandraisan’ny olona ny batisan’ny Jaona.

Ny fandalinana dia hahitana taratra ao amin’ny Soratra Masina fa anisan’ireo teny manana hevitra maromaro ity teny ity. Tsy miala anefa ny sarin’ny fanavaozana ao amin’ny batisa.

  • Fanadiovana

Ezekiela dia naminany ny amin’ilay rano madio sy mahadio hanesoran’Andriamanitra ny fahalotoan’ny olony rehetra (Ezk 36:25-27). Izany moa dia tanteraka ao amin’i Jesosy (Heb 10:22) ho an’izay mino Azy ka atao batisa ho amin’ny fahafatesany (Rom 6:3). Voalaza koa  fa ny fanadiovana fahiny izay notanterahina tamin’ny fomba maro samihafa dia manamasina hatramin’ny fanadiovana ny nofo, fa ny ran’i Kristy kosa hahadio na dia ny fieritreretana aza ho afaka amin’ny asa maty mba hanompoana an’Andriamanitra velona tsy amin-tahotra satria efa voaray ho zanaka tamin’ny batisa. (Heb 9:13-15)

  • Fanafahana

Raha navotana tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana ireo Israelita fahiny, tahaka ny nanafahana an’i Noa valo mianaka tamin’ny taranaka ratsy fanahy izay nisy azy dia hazavain’ny Testamenta Vaovao fa batisa tao amin’ny Testamenta Taloha izany, izay tandindon’Ilay batisa tena mahavotra ho tonga (1Kor 10:1-2; 1Pet 3:21). Izany batisa izany moa dia sady fanamelohana ny ratsy fanahy no fanamarinana ireo namindran’Andriamanitra fo: amadihana ny pejy ka ialana ny fiainana gadra sy andevo ho ao amin’ny fiainana afaka. Tahaka izany koa ny niaraha-nandevina ny adamaelantsika amin’ny Kristy teo amin’ny batisa, fa ilay olom-baovao kosa miara-atsangana Aminy (Kol 2:12)

  • Fahoriana

Raha hoy Jesosy: “manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho” (Lio 12:50), dia milaza ny hazofijaliana izay efa holanjainy sy ny fanomboana efa hahazo Azy amin’ny hazo Izy. Io batisa io moa dia mbola zakain’ny mpanara-dia Azy ka nilazany tamin’i Jakoba sy Jaona hoe: “ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany” (Mar 10:38-39). Io fahoriana io mantsy no ahatanterahan’ilay fahamarinan’ny fanjakan’Andriamanitra hoe: “izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha” (1Kor 15:36; Jao 12:24) ka ilazan’i Paoly fa “ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitriny tao amin’ny tenan’ny nofony, tamin’ny fahafatesana, mba hatolony ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany, raha maharitra amin’ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo. Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana, [Gr. eklesia]” (Kol 1: 21-24)

Famaritana telo-loha-n’ny hoe ‘batisa’ no hitantsika teo izay ahitana teboka roa misongadina tsara:

  • Ny batisa andraisana fanadiovana, sy fahafahana
  • Ny batisa itondrana fahoriana noho ny amin’ny hafa mba ho fanafahana sy fanadiovana iretsy farany.

Ny sary amin’izy roa ireo dia tsy miova fa ny fanavaozana hatrany. Ary tsy maintsy miara-dia izy ireo mba hahatanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra rehetra, satria mba hamelana heloka dia tsy maintsy misy izay manonitra izany heloka izany.

 

  • Iza Jaona?

Raha atomboka any amin’ny teny faminaniana momba azy (Mar 1:2-3; Isa 40:3-4; Mal 3:1) dia izy no ilay irak’Andriamanitra mialoha ny fahatongavan’i Jesosy. Izany fialohavana izany dia ho fanomanana ny maro mba ho mendrika sy ho vonona handray ity Tompon’ny tompo izay tonga ity (Lio 1:16-17). Toriteny fampibebahana, narahina batisa, ho an’izay manaiky ny fahotany ka vonona handray ny fampihavanana omen’Andriamanitra, no nentiny nanomana ny olona ho mendrika amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Tamin’ny fijoroana ho vavolombelona (Jao 1:7-8) kosa anefa dia nanomana ny olona ho vonona handray ny Tompo izy, ka tsy ho variana aminy fa izy dia natao hihena, fa ilay Mesia izay hitondra ny fahotan’izao tontolo izao kosa hitombo (Joh 3:30).

Tsara avahana tsara ireo teboka roa ireo (mendrika sy vonona) fa tena hilaina indrindra amin’ny tohin’ny fanazavana miaraka amin’ireo teboka roa efa notenenina tao aloha. Mba hahamora ny fanavahana dia tadidio ilay lehilahy tamin’ny fanoharan’i Tompo izay vonona sy tonga nanatrika ny fampakaram-bady kanefa tamin’ny fitafiana tsy mendrika (Mat 22:11-14).

 

  • Iza Jesosy?

Jesosy, Ilay Tenin’Andriamanitra tonga nofo, dia Andriamanitra (Jao 1:1). Tanteraka raha ny fahamasinany sy ny fahamarinany na dia olombelona feno aza Izy (1Tim 2:5) tamin’ny nitafiany nofo (Jao 1:14) satria tsy nandray aina avy amin’ny olona Izy, fa avy amin’ny Fanahy Masina mivantana ka nampitoerina tao ankibon’ity vehivavy mbola tsy mahalala lahy, nofidina hitondra vohoka Azy, dia Izy Ilay Zanak’Andriamanitra (Mat 1:20). Arak’izany dia tsy mba nandova ota tahaka ny olona hafa rehetra tao amin’ny razana Izy (Heb 7:10, Lazaina fa nandoa ny fahafolon-karena amin’i Melkizedeka i Levy satria efa tao an-kibon’i Abrahama izy raha nanao izany ho an’i Melkizedeka Abrahama) satria mbola tsy ary akory Abrahama dia efa Izy Jesosy (Jao 8:58), ary ny asa fisoronany dia lazaina fa tsy noraisiny avy tamin’ny Joda razany, fa kosa efa Azy hatramin’ny mandrakizay (Heb 7:14).

 

  • Ny batisan’i Jaona

Araka ny resaka teo dia:

  • nanomana ny olona ho mendrika Jaona tamin’ny alalan’ny batisan’ny fibebahana ho fanadiovana ho an’izay mibebaka (ilay batisa karazany voalohany izany dia ny batisa andraisana fanadiovana, sy fahafahana). (Mar 1:4)
  • Tsy izany ihany anefa, fa nomaniny koa ny olona ho vonona handray ny Mesia (Mar 1:7-8), ka ny fanaovany batisa an’Ilay Mpanadio no
    • hahazahoany antoka ka hahafahany manao izany fijoroana ho vavolombelona izany, satria efa nolazaina azy fa izay hahitany ny Fanahy midina eo amboniny no Ilay ho tonga hanao batisa amin’ny Fanahy Masina sy ny afo (Jao 1:33-34; Mat 3:11), ary
    • teo amin’ny batisan’ny Tompo no nanariharian’Andriamanitra fa Izy tokoa no Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Lio 3:21-22). Eny naseho miharihary fa ity tokoa no Ilay Rain’ny mandrakizay, Ilay Andriamanitra monina amintsika (Mat 1:23; Isa 9:6), Ilay voahosotra (Mesia) tonga hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao 1:29), mendrika ho henoina, ary batisa no nentina nanao izany ho santatr’ilay batisa eny ambony hazo fijaliana efa hiaretany (Lio 12:50), ka niaikian’ilay kapiteny Romana fa Zanak’Andriamanitra tokoa Izy (Mat 27:54).
  • Io fanaovana batisa ny Mpanadio io dia arak’ilay famaritana faharoa: batisa itondrana fahoriana noho ny amin’ny hafa mba ho fanafahana sy fanadiovana iretsy farany. Arak’izany dia teo amin’ny nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy no nanaovana sary ny nandraisany, dia Izy ilay tsy manantsiny ho amin’ny tenany ny otan’izao tontolo izao ka nahatonga azy ho lasa ota ho ahy sy ho anao (Isa 53:2-12). Io rano anaovana batisa azy io mantsy dia feno ny loto/fahotan’izay rehetra mibebaka ka natao batisa teo (Mat 3:5-6). Rehefa noraisiny teo amin’ny batisany izany otantsika izany dia nofantsihany teny amin’ny hazo mba ho antoky ny famelana tokoa ny helontsika rehetra (Gal 2:20; 5:24; 6:14; Kol 2:14). Ary izay voavelany heloka no tafiditra ao amin’ny fanjakany (Lio 24:46-47). ‘Zany hoe miantomboka eo koa ny fanorenany ny fanjakany ety an-tany (Mat 4:17).

 

  • Famintinana

Tsy azo raisina arak’izany ny filazana fa ho ohatra ho antsika ny batisan’ny Jesosy, na koa fanorenana ny sakramentan’ny batisa, fa hafatra no nomeny fa tsy ohatra fa izay mino dia atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (Mat 28:19). Noteneniny izany rehefa vita tanteraka ny fanavotana ka nitsangana tamin’ny maty Izy. Mbola ambonin’izany ny fahadisoan’ny filazana fa teraka tamin’ny ota Jesosy ka mila ny fanadiovan’ny batisa, na koa vao teo amin’ny batisany no nandraisany ny Fanahy Masina. Isika no mila izany rehetra izany fa tsy Ilay Teny tonga nofo. Mazava ho azy fa tsy marina ny filazana fa tsy manana ota Jaona, satria tsy misy marina na dia iray akory aza raha mbola taranak’i Adama.

Ny hevitra azo raisina kosa, dia ny fanaovana batisa an’i Jesosy mba hanehoana ampahibemaso Azy raha hanomboka ny asany Izy, tsy ho fanosorana anefa, satria efa mpanjaka rahateo Jesosy, efa mpisorona mandrakizay Izy, ary Tenin’Andriamanitra tokoa ka mahefa ny maha-mpaminany feno; tsy mila hosotra hafa fa efa tanteraka, fa ny fitokanana/fidirana ho amin’izany asa izany no natao teo amin’ny batisany, ka nandraisany ny ota mamesatra antsika, dia ny gadrantsika mba hanafahany antsika. Rehefa natafy an’i Jesosy ny otantsika dia navela halain’ny devoly fanahy Izy ka hita fa nivoaka nandresy, ary nanomboka nitondra fanasitranana ho antsika tamin’ny fahagagana maro samihafa, izay nofaranany tamin’ilay fanavotana faratampony teo amin’ny hazo fijaliana. Isaorana anie Jesosy Tompo fa resiny ho ahy sy ho anao ny fahafatesana sy ny fasana.

 

Tit 3:5-7  tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika, mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.

2 commentaires

  • arahaba TOmpoko!
    feno haja sy ravoravo ao @i TOMPO kristy é

  • Misaotra indrindra amin’ny fanazavana pasitera.

    Batisan’i Jesosy sy ny batisa notanterahin’i Jaona nadritra ny fotoana voafetra moa no mivaingana. Ohatra ve ka tsy maintsy atao copie coller sa tsy ohatra fa fanehoana ihany.

    Izaho kosa rehefa mandinika tsara dia mahita fa fibebehana no tena hevi-dehibe tamin’ny batisan’i Jaona. I Jesosy kosa niteny hoe izay mino sy atao batisa no hovonjena. izay tsy mino moa efa very rahateo. Koa raha izany resaka izany ve tsy midika kosa hoe resaky ny olona mibebaka sy resaky ny olona mino ny batisa pasitera?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *