Mibebaha

Repent

MIBEBAHA FA EFA AKAIKY NY FANJAKAN’NY LANITRA

Matio 4 : 17

Ity hafatra ity dia fitaoman’Andriamanitra anao mba hibebaka hiala amin’ny fahotana mba tsy hahatonga ny fiafaran’ny fiainanao ho very mandrakizay any amin’ny helo na ny afo be… Tian’Andriamanitra ho vonjena hianao mba handova ny Fiainana Mandrakizay any an-danitra.

Ny zavatra tsara ho fantatrao manko dia izao:  vao maty ny olona iray, dia miala ao amin’ny vata-tenany ny fanahiny, ary iny fanahy iny no entina tsaraina any an-danitra.

Aorian’io fitsarana io, dia  izay nibebaka ka niala tamin’ny fahotany ary nino an’I Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra velona avy any Nazareta, dia ho voavonjy handova ny Fiainana mandrakizay , araka ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra manao hoe “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jaona 3 : 16 . Fa izay mbola nitoetra tamin’ny ota sy ny tsy finoana kosa dia ho very mandrakizay any amin’ny afo be … “Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anajarany any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara, izany no fahafatesana faharoa” Apokalipsy 21 : 8

 

Tsy tiako hiafara amin’izany afo be izany anefa ny fanahinao izay mamaky ity hafatra ity. Mibebaha hianao, ka mialà amin’ny fahotana izay mahazo anao ary minoa an’I Jesosy Kristy Tompo, dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao. Jesosy Kristy Tompo Irery ihany no lalana sy Fahamarinana, ary Fiainana, tsy misy mankany amin’Andriamanitra Ray any an-danitra hafa tsy amin’ny alalany. Efa maty nisolo ny helokao Izy, ary efa nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana anao raha mino Azy hianao.

 

« Mibebaha hianareo mba ho velona » « Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra, mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara »  , Ezekiela 18 : 32 , Maraka 1 : 15

 

Ny fanotaniana mipetraka dia hoe, nahoana no mila mibebaka sy mino ny filazantsara ianao ?

Mila mibebaka hianao satria tsy maintsy hiatrika ny fitsaran’Andriamanitra , fa izao anefa “…Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka , satria izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy Iray voatendry, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty” Asan’ny Apostoly 17 : 30 – 31.

 

 

Mba diniho ange ity fanamabarana nataon’I Jaona mpanao batisa ity e!

“Eny an-tànany ny fikororohany, ary Izy hanadio tsara ny eo am-pamoloana ka hanangona ny variny hoany an-tsompotra, fa ny akofa sy ny mololo (na ny sasangotra) hodorany amin’ny afo tsy mety maty” Matio 3:12

Izany hoe, ny atao amin’ny vary eo amin’ny taom-pijinjana, dia toy izay ny atao amin’ny olona amin’ny andro farany. Iray amin’ireo anakitelo ireo no misy ny olona tsirairay manoloana ny fitsaran’Andrimanitra :

  • Ny “vary akotry” izay hankany an-tsompitra dia ilazana ny olona izay nibebaka marina sy nino ny Filazantsara ka voavonjy ary hankany an-danitra (amin’ny Paradisa)
  • Ny “akofa” izay hodorana amin’ny afo tsy mety maty dia ilazana ny olona izay nihatsaravelatsihy sy nihevitena ho mpivavaka sy ho voavonjy kanjo very. Ny fonony ihany no nitoviany tamin’ny vary akotry fa ny voan’ny fibebahana teo amin’ny fiainany dia tsy nisy. Ho very mandrakizay any amin’ny helo izy. Noho izany dia nampitandrina ny Fariseo sy ny Sadoseo izay nanatona ny batisany I Jaona, satria nihevi-tena ho voavonjy izy ireo amin’ny maha-“taranak’I Abrahama” azy, kanefa tsy namoa voa miendrika ny fibebahana. Hevero fa tsy ilay anarana na « titre » samihafa eo aminao na ny toeranao eo amin’ny Fiangonana no antoka milaza fa voavonjy marina ianao (mpandray, mpiandry, pastora, katekista, diakona, chorale, filohan’ny sampana ao amin’ny Fiangonana..). “Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra “ hoy Jesosy “fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. Maro no hanao amiko amin’izany andro izany hoe : Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ny Anaranao va izahay ? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ny Anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ny Anaranao va izahay? Ary dia amabarako aminy marimarina hoe: Tsy fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay, mialà Amiko, ianareo mpanao meloka”. Matio 7 : 21 – 23

Jesosy Kristy dia niteny fa maro ireo olona ao anatin’ity karazany faharoa ity amin’ny andro fitsarana. Mihevitra izy fa ho voavonjy satria efa nanaiky an’I Jesosy ho Tompo, naminany tamin’ny Anaran’I Jesosy, nandroaka demonia tamin’ny Anaran’I Jesosy, nanao asa lehibe tamin’ny Anaran’I Jesosy, tsy tapaka mandeha any ampiangonana isan’Anlahady…..sns. Kanefa dia ho very izy satria tsy nibebaka marina: tsy nanao ny sitrapon’ny Ray ary mpanao meloka… koa dia any amin’ny helo na ny afo be ihany koa no iafarany.

  • Ny “mololo na ny sasangotra” izay hodorana amin’ny afo tsy mety maty indray, dia ilazana ny olona izay tsy nibebaka (tsy niala tamin’ny fahotany) , tsy nino ny Filazantsara ka ho very mandrakizay any amin’ny helo ihany koa izy.

 

IZA AMIN’IREO TELO IREO IZAO NO MISY ANAO ? (vary akotry sa akofa sa mololo?).

ARY IZA AMIN’IREO NO TIANAO HISY NY FIAINANAO ?

Antenaiko fa ny vary akotry no safidinao.

Raha izany ary no izy, dia mila miady amin’ny asan’ny nofo sy ny filàny hianao raha te hanana fitomboana ara-panahy ka handova ny Fiainana mandrakizay :

NY ASAN’NY NOFO, Inona moa izany ?

Ny hoe “nofo”, dia nalaina avy amin’ny teny grika hoe “Sarx” izay ilazana ny toetran’olombelona miaraka amin’ny filan-dratsiny. Izany hoe, ny asan’ny nofo dia mitoetra ao anatin’ny olona hatramin’ny voalohany (hatramin’ny fahalavoana tany Edena), koa na dia kristianina lazaina hoe efa niova fo aza (vita batisa, mpandray fanasan’ny Tompo, mpiandry, eny fa na dia Pastora aza….), dia mbola itoeran’io asan’ny nofo sy ny filàny io , Io filàn’ny nofo io no  atsangan’ny I Satana handavoany ny kristianina hiafaran’ny fiainany any amin’ny fahafatesana.

Ny fiheviny dia toa mitarika ny olona amin’ny mahafinaritra ety ivelany (fahafinaretana, fialam-boly..), nefa ny ao ambadikany dia fahafatesana “Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana sy fiadanana, satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ; fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany. Ary izay ao amin’ny nofo, dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra” Romanina 8 : 6 – 8. Ireo izay manao ny asan’ny nofo, dia tsy handova ny fiainana mandrakizay “..fa izay manao izany, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” Romanina 5 : 21.

 

Noho izany, io nofo io dia tsy maintsy toherina sy vonoina mandrakariva amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny nenina sy ny fibebahana isan’andro, isan’andro hoy I Lotera… Izany fibebahana sy nenina ataon’ny mino izany no lazain’I Paoly hoe “Fanahy manohitra ny nofo” ao amin’ny Galatiana 5 : 17.Ka izany fanoherana na ady ara-panahy ataon’ny mino izany, dia mahakasika ny tenan’ny maha olona manotolo (saina “fanavaozana ny saina isan’andro”, vatana, fanahy, fiteny, fihetsika, fitafy, fomba amam-panao……tsy maintsy miova daholo izany hoan’izay nibebaka sy nifoha marina.. changement total). Tsy zanaky ny alina intsony izy fa zanaky ny andro, tsy zanaky ny maizina intsony izy fa zanaky ny mazava (aorian’ny fibebahana).

 

Mila toherina sy resena ny asan’ny nofo :

 

Ny ady, dia ahitana na hanaiky ny ho resy eo anatrehan’ny filàn’ny ota ara-nofo ka hanaraka izay baikon’ny fahotana,na kosa hankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina ka haharitra amin’ny fanarahana an’I Kristy “Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo hianareo” Galat 5 : 16.

Ny toeram-piadian’ny filàn’ny nofo sy fanahy anefa, dia tsy aiza fa ao anatin’ny Kristianina ihany, ary mitohy mandritra ny androm-piainany ety an-tany izany ady izany, raha toa izy ka tokony hiara-manjaka amin’I Kristy. “Fa raha miaritra isika, dia hiara-manjaka Aminy…” hoy ny Soratra Masina II Timoty 2 : 12a. Raha ao anantitsika ny tanim-piadina, dia mazava hoazy fa tsy haharesy ny filàn’ny nofo amin’ny herin’ny tenantsika  isika kristianina, ka izay no itaoman’ny Tenin’Andriamanitra antsika hitafy ny fiadian’Andriamanitra (Efesiana 6 : 10 – 17) rehetra mba hananantsika fandresena., fa izay maharesy[1] no handray ny satroboninahitry ny fiainana.

 

Ireto avy ary  ireo fahotana tsy maintsy hibebahanao ka hialanao raha te handova ny Fiainana Mandrakizay hianao :

“Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” Galatinana 5:21 “Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anajarany any amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara, izany no fahafatesana faharoa” Apokalipsy 21 : 8

  • Ny “fijangajangana” nadika avy amin’ny teny Grika “pornea” dia 1- fanaovana firaisana ara-nofo amin’olona tsy vady ara-dalàna (tsy vita tso-dranon’ny Fiangonana), na fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny samy tsy manambady, na samy efa manambady, na manambady miaraka amin’ny tsy manambady, na mandeha irery (masturbationa). 2- Fijerena boky na film mamoafady, fijerena vehivavy hila azy hoan’ny lehilahy, (ary fijerena lehilahy hila azy hoan’ny vehivavy) (Matio 5:28). 3- Fisaraham-panambadiana “Fa halako ny fisaoram-bady (na ny fisara-panambadiana) hoy Jehovah Andriamanitry ny Israely” Malakia 2 : 16 (Vakio ihany koa ny Matio 5:32, 1Korintiana 7:15) . Mbola ao anatin’ny fijangajangana ihany koa ny fanambadiana olona nisara-panambadiana (Lioka 16:18), ary ny fakam-badin’olona sy ny sodomita na ny fiarahan’ny lahy samy lahy na ny fiarahan’ny vavy samy vavy… mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”
  • Ny “Fahalotoana” avy amin’ny teny Grika hoe “akartharsia”.Izany hoe, fahotana mifandraika amin’ny firaisana ara-nofo (toy ny fijerena film mamoafady sy ny fakàna tahaka izany…), sy fanao tsy mendrika ary fahazaran-dratsy ka ao anatin’izany fisainana izany ny filàn’ny nofo “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza….” Efesiana 5 : 3 mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny “fijejojejoana” avy amin’ny teny grika hoe “aselgeia”, dia izay fahafinaretan’ny nofo sy fanarahana ny filàny mitondra fakam-panahy hijangajanga : amin’ny fomba fiteny, amin’ny fomba fitafy sy fihetsika (vehivavy manao fitafy tsy mendrika – Deotornomia 22 : 5, fandokoana volo tafahoatra, fanaovana tatoazy amin’ny vatana ho fanopoantsampy (Levitikosy 19 : 28)… mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny fanompoan-tsampy avy amin’y teny grika hoe “eidolatria” toy ny fanaovana sorona zanaka na zavatra hafa toy ny omby mba hazahoana harena na fanasitranana (manao sorona na fafy na ala-fady hoy ny faritra hafa), fanotaniana amin’ny  mpanandro, fijerena andro tsara raha hanao trano na hampaka-bady na handevina (toy ny hoe, fady mandevina amin’ny andro Alakamisy), famakiana “horoscopes” na vitan’andro amin’ny gazety, fanatonana mpanao sikidy, fanaovana ody fitia, fandroritambarotra, famato, famagnonà tany, famagnonà omby (izay heverina fa mitondra chance amin’ny fambolena na fiompiana sy izay zavatra atao), fanozonana na fiantsoana fanahy hanatanteraka zavatra, fiantsoana tromba,fandehanana amin’ireo olona manao azy hitoerana fanahy (kalanoro, tromba, doany, ramianjaka),  fiantsoana razana na fangatahana fafirano amin’ny razana *toy ny fangatahana fafirano amin ny razana raha amin’ ny fanambadiana*, fanompoana kalanoro, fanaovana fisaofana eny amin’ny vody hazo (amin’ireny toerana lazain’ny sasany fandatsahana vola na bonbon ireny), fangatam-pitahina eny amin’ny fasana (fanaterana vonikazo, famadihana….sns),fanaovana arts martiaux toy ny Karate, Kung FU arahin’ny fiankohofana sy meditation marosamihafa …, fivavaha sy fiankohofana amin’ny sary vongana (na sarivongan’iza io na sary vongan’iza ….), fangataham-pitahiana amin’ny olona efa maty, na fangatam-pitahiana amin’ny taolam-balony …. mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra  Vakio ny Eksodosy 20 ; 3-5
  • Ny “fanaovana ody ratsy”, avy amin’ny teny grika “pharmakeia”, toy ny famosaviana, fifandraisana amin’ny maty (fiantsoana razana, fangatahana fafirano amin’ny razana…), fivavahana amin’ny demonia (fanatonana olona manao doany, manana tromba…), fampiasana produit na akora mba hampiainga fahatsapana “ara-panahy” (toy ny fampiasana ranomanitra hiantsoana fanahy hafa, na fampiasàna produit na hemboka manitra na zavatra hafa hahatsapana hery ara-panahy ….fanompoan-tsampy izany koa ialao sy hibebaho, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra  Vakio : Eksodosy 7 : 11, 22, Eksodosy 8 : 18, Apoka 9 : 21, Apok 18 : 23
  • Ny “fandrafiana”, avy aminn’y teny grika “echtra”. Ny echtra, dia fikasana fatratara hiady sy hankahala olona, tsy fitiavana na lolom-po, fankahalana olona tsy mitovy firehana politika amin’ny tena, … mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny “fifandirana” dia nadika avy amin’ny teny grika “eris”. Izany hoe ady, tsy fitovian-kevitra, ady toerana, ady seza (Roman 1 : 29), fifampiandaniana (grika : ertheia), fitsotokotokoana arahin’ny tsy fitovian-kevitra (ao antokan-trano, ao ampiangonana, amin’ny toeram-piasana…) . Nalahelo I Paoly raha nandre fa nisy izany teo amin’ny Fiangonana tany Korinto ka hoy izy “Fa efa voalazan’ny avy amin’ny ankohonan’I Kloa tamiko fa ny amin’ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo” I Korint 1 : 11. …. mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny “fiafonafonana” dia nalaina avy amin’ny teny grika hoe “thumos”, izay midika fahatezerana mirehitra ka mahavoaka teny (ompa, teny ratsy, fanozonana, valifaty…) sy fihetsika feno herisetra. Hoy I Paoly nanatra ny Fiangonana tany Kolosia, ary mbola mananatra antsika mandrakankehitriny manao hoe “Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo” Kolos 3 : 8 ….mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny “fitokoana” nadika avy amin’ny teny grika hoe “hairesis”. Izany hoe , fizarazarana eo amin’ny Fiangonana ka manjary lasa misy antokon’olona manava-tena, na an-dian’olona mandrava ny firaisan’ny Fiangonana I Korintiana 11 : 17 – 18, tafiditra ao anatin’ity karazam-pahotana ity koa ny fitokoana amin’ny raiamandreny am-panahy eo amin’ny Fiangonana , toy ny pastora, katekista, loholona…sns … Fitokotokoana vokatry ny tsy fitoviana eo amin’ny loko ara-politika, vokatry ny tsy fitovian’ny toerana fiaviana, vokatry ny tsy fitovian’ny firazanana….….mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny “fialonana”, indray dia nadika avy amin’ny teny grika hoe “phthonos”, izany hoe, tsy fitiavan’olona iray izay manan-javatra nirian’ny hafa, ka na dia vao miteny na mifanena amin’ iny olona iny dia efa lotika ny fo. Rehefa miseho télé na fahita lavitra ilay olona dia vonoina ny télé noho ny fialonana n any fankahalàna azy…. Tsy ankasitrahan’ny Tompo izay olona manana toe-po tahaka izany satria fahotana sy fahavetavetana toy ny famonoan’olona feno habibiana ihany izany. Raha manana izany toe-po izany hianao, dia mibebaha dieny mbola tsy tara ny fotoana, fa ny olona tahaka izany, dia tsy madio am-po velively akory, fa “Fasana misokatra ny tendany; ny lelany no anaovany fitaka, ny poizin’ny menarana no ao ambany molony. Feno ozona sy fangidiana ny vavany ary ny tongony mimaona handatsa-drà; fandringanana sy fandravana eo amin’ny alehany, ary ny lalan’ny Fiadanana dia tsy fantany” Romanina 3 : 13 – 18 ….….mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny fangalarana, dia toy ny fangalarana vola, fanaovana facture sandoka, fangalarana Sonia, fangalarana rano amin’ny tanimbary, fangalarana farihy amin’ny tany, fangalarana jiro amin’ny JIRAMA, karama tsy ara-dalàna, mangalatahaka (toy ny any ampianarana), fanaovana an-keriny na sinto-mahery. ….….mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny fieremana , dia fitiavam-bola, filokàna toy ny fanaovana karatra, ramy, taikely, lotorie, dôma, mampiady akoho.., fandanihana andro amin’ny zavatra tsy misy dikany ….….mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny fahamamoana” dia nadika avy aminn’y teny grika hoe “methé”, izay midika tsy firindran’ny saina sy vatana ary ny tognitogny sy ny fitondran-tena andavanandro vokatry ny fisotroana[2] na fihinana[3]  sy fifoahana[4]  zava-mahamamo :  fidoroana zava-mahadomelina toy ny toaka, labiera (izay zava-pisotro misy alcool), fifohana sigara, fihinanana paraky, fifohana rongony sy ny fivarotana izany (na dia tsy mpisotro na mpifoka izany hianao, fa mpivarotra, dia tsarovy fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra tahaka ny mpisotro sy ny mpifoka ihany koa hianao),ny filalaovan-dratsy, famonjena alim-pandihizana (na bal), fijerena spectacle fankafizana ny hiran’izao tontolo izao  Jakoba 4- 4 ….….mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny famonoan’olona mivantana (fanalan-jaza, fandatsahana ain’olona, famosaviana), ankolaka toy ny fandrafiana, fiafonafonana, fifampiandanihana, fisarahana, fialonana……….….mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny adi-lahy avy amin’ny teny grika “Zêlos”: fahatezerana , fitsiriritana ny fahombiazan’ny hafa (Romanina 3 : 13, I Korint 3 : 2) toy ny adi-lova, adi-tany, adi-voninahitra, adi-seza, (fialonana, fatezerana maharitra….……….….mibebaha,  fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra . Fa raha misy te haka ny fitafianao, dia omeo azy koa ny lambanao hoy ny  Jesosy Kristy Tompo
  • Ny lainga : teny (fanaratsiana, fifosana, tsaho, fanitaran-dresaka, fanginana manoloana ny marina, fiatsarambelatsihy) ary lainga amin’ny alalan’ny soratra (fanaovana taratasy osoka, fanaovana faktiora diso) ….……….….mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny tsy finoana dia fandavana ny famonjen’I Jesosy Kristy, na fihemorana na fiverenan-dalana (Kristianina teo aloha anefa nihemotra)…. ….……….….mibebaha, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra
  • Ny “filalaovan-dratsy”, amin’ny teny grika dia hoe “Komos”. Izany hoe, fanasana sy lanonana mihoam-pampana ; lanonana miaraka amin’ny fisotroana zava-mahamamo sy mahadomelina, lanonana misy hira sy mozikan’izao tontolo izao, dihy sy fihetsika mamoafady, fitafy mamoafady…. Ny toy izany no tondroin’ny mpaminany Amosa ao amin’ny bokiny manao hoe “Dia ireo mivovo foana manaraka ny feon-dokanga, ary mamorona zavamaneno toy ny nataon’I Davida..” Amosa 6 : 5, hoy koa I Isaia “Ary ny lokanga sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany, fa ny asan’I Jehovah tsy mba jereny, ary ny ataon’ny tanàn’I Jehovah tsy mba hitany” Isaia 5 : 12.

Tsy izany tokoa ve ry havana no zava-misy amin’ny fiarahamonina misy antsika amin’izao fotoana izao?. Tsy fety ny fety raha tsy misy bal na alim-pandihizana, eny fa na dia mariazy nohamasinina tany ampiangonana aza, dia tsy afa-po raha tsy faranana amin’ny bal na alim-pandihizana izany? Tsy fety ny fety raha tsy misy zava-pisotro mahamamo, tsy fanasàna ny fanasàna raha tsy misy zava-pisotro misy alikaola?….Tena  andro mahory tokoa izany ka mila fibebahana. « Dia ny zava-pisotro mahamamo no foto-panasàny » hoy Isaia 5:12a  …….. Asan’ny nofo sy filàn’ny nofo daholo izany rehetra izany, fa izay mahita tsiro ka tsy manohitra izany, dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra

Havako ô! Namako ô! …. Mifona aminao re aho, mangataka anao re aho, mba hatsaharo re izany e! …. Ho anao tanora namako, raha hanamasina ny mariazinao moa hianao, dia maninona moa raha mba faranana amin’ny alim-bavaka?….. raha hanao fety sy fanasàna hianao, dia maninona raha ravahana amin’ny hira fiderana sy fifandim-biasan’ny Fiangonana mivavaka sy mitory ny Tenin’Andriamanitra?… “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah!” Salamo 34 : 8

 

Namako ô !

MISY MAHAZO ANAO VE IREO FAHOTANA (na asan’ny nofo) VOATANISA TEO IREO ?…….

 MANIRY SY VONONA HIALA AMIN’IZANY VE HIANAO?

 TIA ANAO ANDRIAMANITRA. MIANTSO ANAO HIBEBAKA SY HINO NY FILAZANTSARA IZY MBA TSY HO VERY MANDRAKIZAY ANY AMIN’NY HELO NA NY AFO BE IANAO

 

Na dia tsy manao ny iray amin’ireo lisitra fahotana voatanisa ireo aza hianao, dia ambaran’ny Baiboly fa mpanota hianao “Fa samy efa nanota izy (ny olona) rehetra ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra”Rom3;23. Tia anao Andriamanitra ka nomeny I Jesosy Kristy. Maty noho ny fahotanao Izy ary nitsangana tamin’ny maty ho fanamarinana anao. Vitan’I Jesosy Kristy tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny maty ny famonjena anao ary izany no Filazantsara. Mila raisinao amin’ny alalan’ny fibebahana sy Finoana izany vao ho azonao. Ahoana no andraisanao ny famonjena ?. Mila manaiky an’I Jesosy Kristy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mila mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty Romanina 10:9-10).

 

Ny  mino, dia midika hoe, ny asa vitany teo amin’ny hazo fijaliana irery ihany no andraisanao famelan-keloka sy fiainana mandrakizay, fa tsy avy amin’ny asa ataonao akory. “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana, ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy  avy amin’ny asa fandrao hisy hirehareha” Efes 2; 8-9 “Fa toy izao no nitivan’ANdriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay” Jaona 3;16.

Raha mifanaraka amin’ny fanirianao ny handova ny fiainana mandrakaizay, dia manapaha hevitra ary manoloran-tena ho an’Andriamanitra izao anio izao ihany.

  • Misaora an’Andriamanitra noho ny famonjena noraisinao androany
  • Avelao ny helok’ireo olona izay niadiady sy nanananao alahelo, dia manàna fo madio manomboka anio Marka 11 ;25-26, fa efa tonga olom-baovao ianao IIKorintiana 5 : 17
  • Mangataha hery amin’I Jesosy mandrakariva mba tsy hiverenanao intsony ireo fahotana nahalavo anao Lioka 18 : 1
  • Mividiana Baiboly raha mbola tsy manana hianao (II Timoty 3 : 16, Jaona 5 :39)…
  • Mamakia Baiboly ary mazotoa mamaky izany isan’andro isan’andro “fa fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny lalanao izany” Salamo 119 : 105, Jaona 5 : 39
  • Manatona Pastora na raiamandrenim-piangonana mba hanotanianao izay zavatra sarotra aminao ny mandray azy . Hoy Dadatoa Rakotozandry Daniel Raiamandrenin’ny Toby Lehibe Farihimena :  » Manatona ny Pastoranareo ka mianara tsara ny Soratra Masina. Aza avela hipetrapetraka ny Pastoranareo, fa hatony izy, ary takio mihitsy mba hampianatra anareo izay rehetra tokony ho fantatrareo ao amin’ny Baiboly. Tsy misy mampisy sy mampaharitra ny maha-Kristiana afatsy ny Soratra Masina irery ihany, izay manitsy ny dianareo ary manome hery mahavonjy anareo; fa ny Filazantsara dia herin’ Andriamanitra ho famonjena izay mino. Tadidio tsara izany … ».
  • Maneke atao batisa raha mbola tsy vita batisa hianao “Fa izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina…” Marka 16 : 16
  • Mamonje fotoam-pivavahana mba hihainoanao toriteny sy fampianarana Soratra Masina, mba hampitombo ny Finoanao ka hiorenanao mafy amin’ny maha-Kristianina anao.

 

Dia mahereza ao amin’ny Tompo!

 

Tahin’I Jesosy anie hianao…..!!!

 

Fidiano anio izay ho tompoinao :

« Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao » Deotornomia 30 : 19

 

[1] Izay maharesy hoy Jesosy Tompo  dia :

  • Havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra Apoka 2 : 7 b
  • Tsy ho simban’ny fahafatesana faharoa Apok 2 : 11 b
  • Homeko mana miafina sady omeko vato fotsy, ary eo amin’ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra , izay tsy fantatr’olona afa tsy izay mandray azy ihany. Apok 2 : 17 b
  • Homeko fahefana amin’ny Jentilisa ary hiandry azy amin’ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin’ny Raiko, ary homeko azy ny kintana fitarik’andro Apok 2 : 26 – 28
  • Hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ny bokin’ny fiainana koa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny Apok Apok 3 : 5
  • Hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy, ary ho soratako eo eo amin’ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra ary ilay anarako vaovao Apok 3 : 12
  • Havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony seza fiandrianany. Apok 3 : 21

[2] Fisotroana zava-pisotro misy alikaola

[3] Fihinana paraky

[4] Fifohana sigara

3 commentaires

  • MBOHOLOTINAHA Rasendra Nantenaina

    Isaorana anie Jesosy napisy izao serasera izao!ar irariana ny mba hahitany maro aim-panhy ao anatin’izao fampianarana izao!
    Marina izany ry saikaiza namako!Mibeba fa efa akaiky ny farany!
    ba madeana anie isika mijery hoe manao ahoana moa fiainan’ireo voafonja e!
    ts manatsafidy izy ireo!toy ren miaina anaty fahafatesana ireny!
    mba madeana manotany fiainan’ny havana zay manapy ireny voafonja ireny fotsiny!
    zany fitsarana eto antany!
    mangidy ary na dia ny havany aza de mahatsapa fa ts afaka manao zavatr firy nohon’ny fiadraiketany ny avany izay any ampoja!
    ho anao bola manana safidy malalaka!reseo nofo fa ratsy io!ra akamoan madalo no tsy adehananao hivavaka na hamaky baiboly de reseo fa Jesosy efa naresy izany.
    Hotahiana anie isika rehetra mamaky io fampianarana netina ho antsika io!
    Samia hotahian’i Jesosy tompoko!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *