Fibebahana sy Fifonana

Picture1

Inona ny hoe mibebaka raha mitaha amin’ny hoe mifona ary ahoana ny fiainana ny famelan-keloka ?

Ity resaka ity dia niainga amin’ny fanontaniana hoe ‘fahadisoana ve ny mandainga raha ho fiarovana ny hafa?’ napetraky ny mpikambana irao tao amin’ny ZFLM, kanefa ny fahamasinana sy ny fahamarinan’Andriamanitra tsy misy pentina, sy ny tokony ho fahatokisantsika Azy,indrindra fa raha mila mijoro amin’ny marina isika dia ampy hamaly izany. Vokany: nibahana kokoa tamin’ny resaka fibebahana ny fifanakalozan-kevitra ary  izany no hojerentsika eto. Miara-dalana amin’ny resaka fibebahana ny resaka famelan-keloka, noho izany, dia mamela anay raha nanampy teny fohy mahakasika ny fameloan-keloka amin’ity lahatsoratra ity.

 

Famaritana tsotra:

  • Ny hoe mifona, raha ny fampiasana azy ao amin’ny Soratra Masina, dia midika ho mangataka, na miangavy. Amin’ny fampiasana azy ankehitriny kosa anefa amin’ny fiteny andavanandro dia mitovitovy amin’ny hoe mibebaka.
  • Ny hoe mibebaka kosa dia ny fahatsiarovan-tena fa diso sy nampalahelo an’Andriamanitra Ilay fototry ny soa rehetra ka tapa-kevitra hiverina ho amin’ny lalana marina, hiamboho tsy hamerina intsony ny fahadisoana efa nahasolafaka, ka manenina sy mahafoy izany lalana izany fa hiditra amin’ny lalam-piainana araka ny sitrapon’Andriamanitra; io farany io no antsoina hoe famoazana voa miendrika ny fibebahana (Mat3:8; Asa 26:20). Ny fibebahana dia manomboka eo amin’ny fahafantarana fa meloka arahin’ny fiaikena heloka, sy ny alahelo fanenenana izay hitondra fahatapahan-kevitra hiova famindra ka hangetaheta ny fahamarinana (Mat5:3-6). Io fiaiken-keloka io moa no antoky ny famelan-keloka (1Jao 1:9) ary io nenina io no ifotoran’ny sakramentan’ny penitence ataon’ny fiangonana rahavavy Katolika.

Job 42:5-6 Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.

 

Ny fibebahana

Misy karazany roa ny fibebahana ho an’ny mino dia:

  • ilay fibebahana teo amin’ny fahatapahan-kevitra hanaraka sy ho velona ho an’I Kristy ka nanaiky hovain’Andriamanitra amin’ny fahaterahana indray teo amin’ny batisa, hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra (Asa 2:38) – Io dia marihina fa fibebahana tsy azo averimberina, Heb 6:4-6, sy
  • ilay fibebahana iainana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra rehefa mahatsapa fa tsy mendrika noho ny pentipentin’ny nofo (1Jao 1:7-10). Ilaina koa ity satria ny famelan-keloka voaray teo amin’ny batisa dia tsy manaisotra ny fahalotoan’ny nofo fa kosa itadiavana fieritrertana tsara eo anatrehan’Andriamanitra (1Pet 3:21) dia fitondratena tsara amin’ny zavatra rehetra (Heb 13:18).

Noho izany dia mankatò ny lalàn’Andriamanitra (dia ny finoana fa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra dia izay rehetra ilain’ny lalàna amintsika ao amin’I Kristy) amin’ny saintsika isika amin’ny alalan’ny fahalalana fa efa nibebaka sy nahazo famelan-keloka ho amin’ny fiainam-baovao tarihin’ny Fanahin’I Kristy, fa mankatò ny lalàn’ny ota kosa (dia ny fiampangana ataon’ny lalàna fa mpanota isika noho ny tsy fahatanterahana hita eo amintsika amin’ny nofo) amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro (Rom 7:24-25). Izany hoe: isika dia sady manaiky fa ny finoana irery ihany no amonjena ny olona, no manaiky koa fa mila mibebaka amin’ireo tsy fahatanterahana eo amin’ny nofo. Io ilay antsoina hoe fanamarinana sy fanamasinana: noho ny famelan-keloka azontsika tamin’ny fibebahana voalohany dia isain’Andriamanitra ho marina isika ka antsoiny hoe ‘fahamarinany’ (2Kor 5:21), tsy manana asa hanameloka antsika intsony ny lalàna fa efa tapitra teo amin’I Kristy izany ho antsika mino, dia isika izay mandeha araka ny Fanahy (1Jao2:1-2; Rom8:1-4); tsy mijanona eo anefa ny asan’Andriamanitra fa manamasina antsika isan’andro koa Izy toy ny mpandrendrika volamena sy volafotsy ka manala tsikelikely ny tsy fahatanterahana rehetra ao amintsika amin’ny fiainam-pibebahana (Mat3:12). Io moa ilay antsointsika Loterana fa ny mino dia sady marina zato isan-jato no mpanota zato isan-jato; tsy mpanota milona amin’izany anefa, fa mpanota manohitra ny ota.

Tit 2:14 [Izy] nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.

 

Ny famelan-keloka

  • Ny hoe famelan-keloka dia ny tsy fanisana ny fahadisoana vita ho enti-manameloka izay nahatanteraka izany. Tsy midika ho fanadinoana avy hatrany ny famelan-keloka fa kosa filazana fa efa tsy manankery ho-enti-mitsara ilay voa-panga intsony ny heloka vitany.

Andriamanitra dia vonona ny hamela heloka mandrakariva (1Jao 1:8-10) ary izany koa no ampianarin’I Jesosy antsika mba hovonona hatrany koa hamela-heloka ny hafa, eny fa na mialoha ny hangatahany famelan-keloka aza (Mat 18:21-22; Lio 17:3-4). Ny zava-misy anefa dia isika no tsy miaiky heloka na manafina ny fahotantsika ka tsy ambinina (Oha 28:13). Efa nomena antsika tamin’ny batisa ny fanahin’ny zanaka natsangan’Andriamanitra rehefa nesorina tamin’ny maha-mpanompo sy ny fanandevozana isika mba hananantsika fahasahiana hanantona ny fiandrianan’ny Ray ka tsy misy intsony izay antony tokony hampiahotra ny zanak’Andriamanitra hifona amin’ny Rainy.

Misy toetra efatra amin’ny ankapo-beny entin’ny Kristiana miatrika ny fahafantarana fa nahatanteraka ota:

  • Ao ireo izay mampiboraka izany eo anatrehan’ny Ray ka mibebaka marina. (Lio 15:18-21)
  • Ao ireo izay manenina kanefa tsy sahy miatrika ny fahamasinan’ny Ray ka mamoy fo fotsiny. (Mat 27:3-5)
  • Ao ireo izay manenina tokoa kanefa sady tsy mamoy fo no tsy mibebaka fa miafina fotsiny ka miezaka manadino ny fahotana vita satria eritreretiny hanadino toa azy Andriamanitra (Oha 28:14).
  • Ao indray ireo izay mamono ny feon’ny Fanahy Masina (Efe 4:30) ka manamari-tena fotsiny no ataony.

Ampiasain’ilay mpiapanga matetika ny fameremberenantsika fahotana iray hilazana fa tsy mendrika antsika intsony ny famelan-keloka. Araka ny fampianaran’ny Tompo Jesosy anefa dia vonona tokoa Jehovah Andriamanitra hamela ny fahotantsika na dia efa tsy voaisa aza ny nanotantsika taminy satria fitiavana mandrakizay no efa nitiavany antsika (Jer31:3). Ny zava-misy hanakana ny fahazahoantsika ny famelan-keloka izay efa vonona ho antsika dia avy amintsika ihany dia ny fo tsy mibebaka tokoa. Io fo tsy mibebaka io dia mety hanana fomba fiseho samihafa.

  • Misy ny miseho amin’ny tsy famelana ny heloky ny hafa (izay mety ho ny tenantsika), satria ny olona mibebaka tokoa dia mahalala fa tsy mendrika kanefa namindrana fo noho izany dia tsy tokony hijery olona hafa ho tsy mendrika kokoa noho izy izy ka ho vonona hamela heloka hatrany satria efa voavela heloka rahateo (Mat 18:23-35).
  • Misy ny miseho amin’ny tsy fanenenana ka tsy misy ny faniriana hiala amin’ilay ota fa kosa ny mbola hiaina amin’izany ihany (1Jao 5:18).
  • Misy ny miseho amin’ny fanamarinan-tena ka tsy miaiky tsotra fa nanota fa mbola resy lahatra ao am-po fa misy mahamarina ny zavatra natao ihany na dia eo am-pangatahana famelan-keloka aza (Lio 16:15).

 

Teny Farany

Koa satria efa tafiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra teo amin’ny batisan’ny fibebahana isika mba handà izao tontolo izao, ny nofo sy ny filàny, dia aoka àry isika hanamasina ny momba antsika rehetra amin’ny fibebahana mitohy isan’andro, satria masina Ilay niantso antsika. (1Pet 1:14-16)

Vonona hamela ny helontsika Andriamanitra izay sady Tompo no Raintsika koa aoka tsy hatahotra isika, ary tsy hanafina ny fahotantsika fa kosa hanatona Azy amin’ny fo mibebaka marina ka hiaiky ny helontsika rehetra ary tsy hiverina hiaina amin’izany intsony.

 

 

Tokony ho fantatsika fa mila inoana ny famelan-keloka. Izany hoe: na dia efa nibebaka marina aza isika ka efa navelan’Andriamanitra heloka dia tsy hahita fifaliana amin’izany raha tsy inoantsika fa efa voavela heloka tanteraka tokoa isika.

2 commentaires

  • Tsara ilay fampianarana..tsy mitovy izany ny mibebaka sy mifona?

  • MBOHOLOTINAHA Rasendra Nantenaina

    Isaorana Jesosy nanome antsik izao fampianarana izao!
    dia mirary fitahian’i Jesosy ho an’ny mpanoratra sy ho antsika mpanaraka ny fampianarana!
    Samia hotahian’i Jesosy!

Répondre à MBOHOLOTINAHA Rasendra Nantenaina Annuler la réponse.

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *