Fitiavana marina I

truelove

FITIAVANA MARINA

  1. Fototra ara-tsoratra Masina iorenan’ny Fanambadiana (Fintina)

Andriamanitra no nanorina ny fanambadiana: rehefa vitan’Atra ny famoronana izao tontolo izao sy izay rehetra teo aminy dia ny famoronana ny olombelona no faratampony tamin’ny asa nataony, ary nolazainy fa tsara izany. Hitan’Atra fa tsy natao ho irery ny olombelona ka nanamboarany vady sahaza ho azy (Gen 2:18-). Ny teny Heb hoe (’ezer)dia tsy manambara mpanampy ambanimbany kokoa na ambany noho ny lehilahy akory. Ny hevitra fonosiny dia “namana” (compagnon) izay afaka hameno ny banga teo amin’ny famoronana dia eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vavy, ka isan’ny ngezabe amin’izany ny fitiavana (affection/amour) sy ny fiterahana (procreation).

Avy amin’Atra ny vady: silaky ny ain’ny lehilahy ny vady, avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama no nanaovana an’i Eva. Maninona no tsy avy tamin’ny loha na ny tongotra fa teo amin’ny faritra afovoany? Ny antony dia satria tsy natao hanambany sy hanambony ny vehivavy ny lehilahy fa tokony hitovyizy roa. Ny fanamboarana ny vehivavy taorian’ny lehilahy dia tsy midika fa ambany kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy fa manambara kosa fa arovana izy ary izy no namaranana ny famoronana satria loharano ipoiran’ny taranak’olombelonaho avy rehetra (Gen 2:21-23).

Masina amin’Atra ny fanambadiana sady notahiany (Gen 1:28): notahian’Atra i Adama sy Eva

mba hifandray amim-pitiavana ka hiteraka. Ny hoe “hameno ny tany” dia tsy midika akory fa tsy maintsy miteraka marobe ny mpivady, fa ny tiany ho lazaina dia ny taranaka mifandimby avy amin’i Adama sy Eva no hameno ny tany.Nomen’Atra saina isika hoentintsika mandanjalanja ny isan’ny zaza izay afaka hovelomina arakaraka ny fahafahantsika tsirairay. Tadidio fa mampalahelo an’Atra ny mahita zaza maro nefa miaina amin’ny fiainana tsizarizary zara raha velona.Ny fiterahana dia safidin’ny olona ary andraikiny ny mamelona ireo zanany, tsy dia mendrika loatra ilay fiteny hoe “Jesosy no mamelona an’ireo”. Marina fa miahy ny fiainantsika Atra nefa tadidio koa fa andraikitra napetrak’Atra amintsika ny hamelona sy hikarakara ireo menaky ny aina ka hevero tsara izay tokony hatao mba tsy isika indray no hampijaly ireo zavaboaharin’Atra ireo.

Lahy sy vavy no namoronany azy:

  • lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no mahazo mifanambady (Gen 1:27). Lavin’ny Soratra Masina mazava tsara ny homosexualité (same sex marriage) na lahy/lahy izany na vavy/vavy (Gen. 18:16–33; Lev. 18:22; 20:13; Rom. 1:18–32; 1 Cor. 6:9; 1 Tim. 1:10).
  • Lavin’ny Soratra Masina koa ny fanambadiana maro (polygamie) na concubinage. Marihina fa efa mizotra tsikelikely mankany amin’ny polygamie ireo Fiangonana maro any Afrika amin’izao fotoana izao, ho tonga eto madagasikara koa ve izany?
  • Nasehon’Atra teo amin’i Adama avokoa ireo biby tany an’ala nefa tsy nisy hita fa tandrify hovadiny ireo: lavin’ny Soratra Masina ny fanaovana firaisana amin’ny biby (bestiality) izay fomba fanaon’ireo any amin’ny firenena maro any ivelany.

Mandao ny ray sy ny reniny:

  • ny mpivady dia tokony hitokan-trano fa tsy miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreny na miankina amin’ny ray aman-dreny intsony.
  • Fahendren’Atra lehibe ny tsy maintsy hanokanan’ny mpivady vao trano satria saro-pady ny fifandraisan’ny mpivady ka tsy tokony hisy olona na zavatra hafa fahatelo hisisika eo anelanelan’izy roa.
  • Ny tena zava-doza diany fanampiana ara-bola ataon’ny ray aman-dreny izay matetika mahatonga ny fitsabahan’izy ireny amin’ny tokantranon’ny zanany.
  • Samy tsy mety na ny fipetrahana miaraka amin’ny rafozana na ny havana hafa na dia dia tena tia sy manampy ny mpivady aza izy ireny.
  • Tsy mety ny miara-mipetraka amin’ny rafozana satria heveriny fa mbola tahaka ny zanany ihany ka matetika dia tiany ho tantanana ny tokantrano vao. Matetika koa ny reny dia miandany amin’ny zanany lahy ka miteraka ady matetika na ny vice versa. Mbola hojerentsika akaiky ity rehefa miresaka ny atao hoe “communication” eo amin’ny mpivady. Masina ny firaisana ara-nofo:
  • Matetika dia taitra ny olona rehefa ampianariko fa masina ny firaisana ara-nofo. Atra no nanorina ny firaisana ara-nofo ary zavatra ara-boajanahary miaraka amin’ny famoronanaizany fa tsy vokatry ny fahalavoana akory. Diso ny fanazavana fa ilay voankazo nohanin’I Adama sy Eva dia metaphore manambara ny firaisana ara-nofo. Na nisy na tsy nisy ny fahalavoana dia efa misy foana ny firaisana ara-nofo.
  • Ny olona rehetra salama tsara ara-batana dia samy manana ny filana ara-nofo avokoa, ary tsy misy zavatra ratsy na fahotana akory izany. ny fahatsapana izany dia tokony hisaorana an’Atra satria manambara izany fa ara-dalana ilay olona sady tsy tokony hihevitra fa avy amin’ny devoly izany. Ny teny hoe “mahalala” (Heb. yada’) no ampiasain’ny Baiboly ilazana ny firaisana ara-nofo, manambara fa ny firaisana ara-nofo dia fifankalalana sy fifamatorana lalina eo amin’ny mpivady.
  • Raha avy amin’Atra ny firaisana ara-nofo maninona no tsy avela malalaka ny olona hanao araka izay tiany?
  • Satria masina sy tsara eo anatrehan’Atra ny firaisana ara-nofo dia nomeny ny mpivady izany mba hifampizaran’ny mpivady ny hamamin’ny fitiavany mifamaly. Ny firaisana ara-nofo dia fihetsika ataon’ny mpivady hifanolorany tenany sy hanambarany fa iray ihany izy roa.
  • Manambara izany ohatra ny fahendrena Jiosy izay mamporisika ny mpivady hifaly amin’izany firaisana ara-nofo izany (Oha 5:18, 19; Mpit 9:9).
  • Nampianarin’i Paoly ny Fiangonana tany Korinto mba hanamasina ny firaisana ka samy hanao izany amim-pitiavana ka tsy handa hanao izany raha tsy amin’ny fotoana izay ifanarahan’ny mpivady noho ny antony manokana (1 Cor 7:5)

Iza no afaka manao firaisana ara-nofo?

 

Valiny: NY MPIVADY EFA NOTSOFIN’ANDRIAMANITRA RANO

  • Ny dikan’ny Heb hoe qadosh“masina” dia “voatokana”, izany hoe, masina ny firaisana ara- nofo satria voatokana ho an’ny mpivady ihany. Izay firaisana rehetra atao ivelan’ny fanambadiana dia “tsy masina” fa lasa “fahavetavetana” eo imason’Atra.
  • Tany Israely fahizay dia voatazona ny fahadiovana mialoha ny fanambadiana, tsy maintsy virjiny ny ankizivavy ampiakarina ho vady hany ka raha fantatra mandritra ny firaisana voalohany fa efa tsy virjiny intsony izy dia azon’ny lahy atao ny misaraka aminy (Mat 19:9).
  • Noheverina ho tahaka ny fahotana mendrika hahafaty ny fijangajagana ka voaheloka ho faty izay tratra nanao izany na ny lahy na ny vavy (Lev 20:10; Deot 22:22)

Misy teny grika roa ilazana ny fijangajangana: (1)moicheía (adulterie) fanaovana firaisana amin’ny olona tsy vady (olona manambady); (2) porneia (fornication) fanaovan’izay mbola tsy manambady firaisana ara-nofo (Gal. 5:19; Eph. 5:3; Col. 3:5). Fornication no tian’i Jesosy tenenina ao amin’ny Mat 19:9 fa tsy adulterie. Ao anatin’ny fornication koa ny “seduction”, fanolanana, fanelahana, firaisnana amin’ny biby, fanambadiana havana, fivarotan-tena.

  • Raran’ny Didy Folo ny fijangajangana ka isan’ireo ota mahavery, fa tsy tafiditra amin’ny atao hoe “adiaphora” (na atao na tsy atao dia tsy misy fiantraikany amin’ny famonjena)
  • Voalaza mazava tsara ao amin’i 1 Kor : 6: 9 fa tsy mba handova ny fanjakan’Atra ny mpijangajanga (adulterie/fornication)
  • Ny fijangajangana dia sady famitahana ny vady sy olon-tiana no famitahana an’Atra ka tsy azon’ny kristiana atao.
  • Voalazan’i Jesosy fa tsy ny fanaovana firaisana ihany fa na dia ny mijery vehivavy/lehilahy hila azy dia efa fijangajangana sahady.

 

2. Ireo teny ilazana ny Fitiavana ao amin’ny Baiboly

2.1. Ao amin’ny Testamenta taloha dia teny Hebreo efatra (4) no tena fampiasa ilazana ny Fitiavana:

אָהַב (‘ahav): mivelatra ny fampiasana azy ao amin’ny Testamenta Taloha, fitiavan’ny mpivady, fitiavana an’Atra, fitiavana namana, mpiara-mponina…

חֶסֶד (chesed): ilazana ilay fitiavana mahatoky sy tsy miovaova, azo antoka na inona miseho na inona, ka na hiongotra hiala aza ny tendrombohitra dia izy kosa tsy miala sy tsy miova. Atra no tena ampiasana azy ka ilazana ilay fitiavana na famindrampon’Atra izay mitia ny olona miovaova sy tsy mahatoky amin’ny fanekeny.

רָחַם (racham): ny fototeny niavian’ity teny ity dia ny kibon’ny vehivavy izay ifonosan’ny zaza, ny tena heviny dia ny fitiavan’ny reny izay mitia sy mandefitra amin’ny zanany. Fitiavana mikarakara sy tsy mamaly ny ratsy avy hatrany fa mitaiza sy mandefitra amin’ny ditran’ny zanany. Nadikan’ny Baiboly Malagasy hoe “famindrampo” ity teny ity. Raha ny tena marina anefa dia “fitiavan’ny reny” no tena dikany.

חֵן (chen): fiantrana, ny fampiasana azy dia ilay fitiavan’ny mpanankarena na ny mpanjaka izay miantra ka manampy sy manome zava-tsoa ho an’ny mahantra sy ny madinika izay fantany fa tsy hahavaly izany aminy akory. Ity teny ity no nampiasain’i Martin Lotera nanazavany ny teny hoe “fahasoavana”

 

Misy teny dimy (5) ilazana ny Fitiavana eo amin’ny Fiteny Grika:

ἔρως (érōs) dia ilay fitiavana ara-nofo izay mitarika amin’ny filàna ara-nofo toy ny fifampikasohana ara-batana izay mitondra amin’ny fifamplàna ara-nofo; toy izany koa ny firaisana ara-nofo. Izany dia manomboka amin’ny fijery sy firehetana ho amin’ny filàna. Ity fitiavana ity koa dia ananan’ny biby. Marihina fa tsy hita oa amin’ny Testamenta Vaovao ity teny ity.

φιλία (philía), dia ilazana ny fitiavana namana, havana na mpiara-monina. I Aristote no tena namelatra ity karazana fitiavana ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovantsoa ny namana, havana ary ny fikambanana misy. Amin’ny grika moderna dia midika hoe “amitié” izany. Ampiasaina betsaka ao amin’ny Testamenta Vaovao ity teny ity.

αγάπη (agápē) dia ilay fitiavana ambonimbony kokoa raha oharina amin’ireo hafa rehetra. Teo amin’ny tontolo grika dia azo lazaina fa nampiasaina tamin’ny toe-javatra maro izany teny izany toy ny te hihinana sakafo tsara, faniriana hanan-janaka ary ny faniriana te hanam-bady.

Ao amin’ny Testament Vaovao dia mpiasaina ity teny ity ilazana ny fifandraisan’i Jesosy sy ilay mpianatra tiany. Fa ny tena fampiasana azy ao amin’ny Baiboly dia ilay fitiavana manao sorona ny aina, fitiavana ny rehetra na ny namana na ny fahavalo. Araka ny voalaza ao amin’ny Mat 22:39: “tiava ny namanao tahaka ny tenanao” sy ao amin’ny Jao 15:12.  1 Jao 4:8: “Andriamanitra dia fitiavana”. Na izany aza anefa ny fampiasana azy amin’ny endrika pozitifa dia ampisaina koa izy amin’ny dikany negatifa, izany hoe, ilazana fitiavana an’izao tontolo izao ohatra ny hita ao amin’ny 2 Tim 4:10

Amin’ny ankapobeny dia ilazana fitiavana lalina tsy voatery ho olona ihany fa mety ho zavatra koa, nefa ny mampiavaka azy dia izy tsy miankina amin’ilay zavatra na olona tiana fa miankina amin’ilay tia sady ambony karazana kokoa. Ny tena fampiasana azy matetika indrindra dia ny fitiavan’Andriamanitra izay mitia ny mpanota na dia ratsy sy tsy tia azy aza. Ity teny ity koa no nampiasaina niantsoana ilay sakafom-pitiavana nataon’ny Fiangonana voalohany.

στοργή (storgē) dia midika hoe « affection ». Io fitiavana io dia fitiavana ara-boajanahary toy ny fitiavan’ny ray amandreny ny zanany. Ny tena fampiasana azy dia eo amin’ny fifandraisam-pitiavana ao anatin’ny fianakaviana.

θέλημα (thélēma) dia midika hoe “désir”, faniriana zavatra na olona.

 

 

2.2 Ireo karazana Fitiavana telo (3) misy eo amin’ny fiainantsika andavanandro

  • Ilay fitiavana “raha toa ka”

Ity karazana fitiavana ity dia milaza fa “tiako ianao raha toa ka manaraka ny tiako atao, raha manome ahy izay ilaiko, raha lasa malaza any am-pianarana… ity fitiavana ity dia miankina amina fepetra be dia be vao tanteraka ary miankina amina zavatra hiseho amin’ny ho avy, noho izany raha tsy tanteraka ireo dia rava ho azy izy. Fitiavana tia tena, tsy mahita afa tsy ny tenany sy izay ilainy.

Marobe ireo fanambadiana no rava mora foana satria miorina amin’ity karazana fitiavana ity. Henontsika matetika rehefa milalao ny zaza no miteny hoe “namako ianao raha manome kilalao ahy sns… fitiavan-jaza ka tsy mba haharitra izany.

  • Ilay fitiavana “satria”

Ity karazana fitiavana ity dia ilay fitiavana izay miteny foana hoe “tiako ianao satria mbola tanora sy tsara tarehy, satria mila anao aho, satria olona malaza ianoa, satria salama tsara ianao sady manan-karena.” Ity karazana fitiavana ity dia hita eo amin’ny adolantsento. Tsy mahagaga raha tsy maharitra ny fitiavana miorina eo ambonin’ity karazana fitiavana ity satria izay rehetra hitantsika eo amin’ny olon-tiantsika dia mandalo ihany fa tsy haharitra mandrakizay akory.

  • Ilay fitiavana marina, ilay “fitiavana na dia… aza”

Ity fitiavana ity no azo lazaina fa fitiavana marina, izy dia milaza fa “tiako ianao na dia misy tsy fahatanterahana aza, tiako ianao na dia lasa matavy be sy lazain’ny olona fa ratsy tarehy aza, tiako na dia manao ratsy ahy aza…” ity fitiavana ity dia mitia foana na dia mahita zavatra marobe tsy maha mendrika ilay olon-tiany ho tiavina aza izy. Izany dia satria tsy miankina amin’ilay tiavina loatra ny antony itiavany azy fa satria tiany izy dia tiaviny foana na inona mety ho fiovàna entin’ny fotoana sy toerana misy azy ireo. Ny fakàmpanahy mpahazo ny tokantrano sy ny mpifankatia maro dia ny fiovàna miseho eo ivelany tahaka ny bika sy endrika ka mahatonga azy ho leo sy te hitady hafa indray.

Hojerentsika amin’ny tohiny manaraka ny antsoina hoe “psykolojian’ny fitiavana”. Tsy hoe tsy ampy akory izay ambaran’ny Soratra Masina fa mahatsara antsika koa ny mahafantatra ny toetran’ny fitiavana amin’ny maha olombelona nofo aman-drà antsika alohan’ny hidirantsika lalindalina kokoa amin’ny teolojian’ny fitiavana eo amin’ny mpivady na mpifakatia.

Hojerentsika ao anatin’izany ireo famaritana sy ireo teoria samihafa mikasika ny fitiavana araka ny fijerin’ireo psykologa malaza.

MBOLA HITOHY…

Un commentaire

  • Gasimanahira

    Misaotra tamin’ny fanazavàna efa naroso; manantena ny tohiny am-pifaliana. Fa angamba tsara raha asiana ohatra ihany hanamoràna ny fanazavana ny « télema » mba hahaizanay mampita amin’ny hafa koa !
    Mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *