Ny fisian’ny ratsy

Light

Azo lazaina ve fa raha araka ny Gen 2:17 dia efa nisy tamin’ny faharian’Andriamanitra ny ratsy?

 

Ireo valim-panotaniana voaray tao amin’ny pejy facebook ZFLM

  • Mahaliana ity resaka ity satria raha io verset io no jerena dia tena efa teo amin’ny famoronana ny ratsy tamin’io fotoana nitenenan’Andriamanitra io.
  • Ny teolojian’ny Genesisy dia ny hoe vokatry ny safidin’ny olona madiodio ny ratsy mahazo azy. Ary ny ratsy dia efa teo foana hatramin’ny voalohany mba hampitombina ny fisian’ny safidy. (Resaka filozofika kokoa io resaka io fa tsy teolojika)

  • ‘Zay tian’Andriamanitra hatao no nataony, ary marina foana izany na ekentsika na tsia, kanefa mifono fahendrena lalina mandrakariva.
  • Efa tao amin’ny sain’ny olona foana ny ratsy.
  • Tsy milaza tsy akory io andinin-tsoratra masina io fa efa teo ny ratsy. Mbola tsy teo akory ny ratsy tamin’io fotoana io fa ny lalana hahafahana manao ratsy (dia ny fisafidianana hanohitra an’Andriamanitra) no napetraka tao Edena. Ny hoe hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia anarana fotsiny fa tsy midika ho efa fisian’ny ratsy, fa symbole ny fanoavana an’Andriamanitra na tsia fotsiny ilay hazo.
  • Tahaka ny fisian’ny aizina izay noho ny tsy fisian’ny mazava, sy ny fisian’ny hatsiaka noho ny tsy fisian’ny hafanana ny fisian’ny ratsy, satria vokatry ny tsy fisian’ny tsara ihany izany. Ny misy sy azo porofoina dia ny mazava, ny hafanana, sy ny tsara. Raha ny tena marina zany dia tsy misy ratsy.
  • Tsara tsy misy azo kianina ny zava-boahary rehetra noharian’Andriamanitra. ‘Impossible’ ny haha-marina ny filazana fa nahary ny ratsy koa Andriamanitra.
  • Tsy noforonina ny maizina kanefa tsy nofoanana fa navelan’Andriamanitra hanehoana ny tsy fanatrehany amin’ny maha-Tompo Azy; toy izany koa ny ratsy.

Marina misavororo no raketin’ireo valin-teny ireo ka hiezahantsika halamina mba hisehoan’izay lazain’ny Soratra Masina iray manontolo ny amin’ny fanombohan’ny ratsy. Marina misavorovoro hoy aho satria ao ireo miresaka ny tao Edena ihany, ao indray ireo miresaka zavatra ivelan’ny Edena; ao ireo miresaka filozofia, ao ndray nefa ireo miresaka teolojia; misy koa ireo miresaka ‘concept’ raha miresaka ‘fait’ ny etsy andaniny.

Ity olana ity dia tsy voavaha raha tsy amin’ny fijerena hatrany ifotony ny fisian’ny ratsy. Ny ankoatr’izany mantsy dia efa ravina daholo, toy ny hoe: nahoana no navelan’Andriamanitra hamitaka tety ny devoly, na koa, nahoana no tsy esorin’Andriamanitra ny fahoriana maro samihafa eto amin’izao tontolo izao sns. Na dia hanao izany fanadihadiana izany aza anefa isika, dia aleo atomboka amin’ny famaranana ny resaka mba hahamora ny fahazahoana izay tiana hiaviana.

 

Ny fisian’ny ratsy tarafina araka ny Soaratra Masina

Eny, efa teo tokoa ny ratsy raha nandidy ny tsy hihinanan’ny olombelona ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy Andriamanitra. Izany ratsy izany anefa dia araka ny fijerintsika ihany, fa tsara kosa ny fisiany haha-tanteraka ny asa tsara ataon’Andriamanitra ao amin’ireo izay efa nofidiny hino Azy. Ny asa ratsy dia tsy asan’Andriamanitra mivantana, kanefa namorona voahary afaka hanao izany Izy, ary namela ny fanaovana izany, mba hisehoan’ny haren’ny famindrampony sy ny halehiben’ny fitiavany.

Hoy ny Loterana: Raha voavonjy aho dia noho ny asan’Andriamanitra feno, Azy ny dera sy ny voninahitra; raha ho-very kosa nefa ‘hianao’ dia noho ny safidinao handa ny fanomezany. Fa efa samy nanda avokoa isika rehetra ka tsy misy izay mendrika, kanefa nifidianany vitsivitsy hisehoan’ny fitiavany. Tapako, tsapanao, tsapantsika va izany fitiavana mahagaga izany !?

 

‘Ratsy’ vs. ‘ratsy’

Voalohany dia mila avahantsika ny ratsy amintsika olombelona sy ny ratsy amin’Andriamanitra satria ny fampifangaroana izany dia ampy hampisavorovoro. Tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo (Isa 55:9) hoy Jehovah. Eny, mifanohitra tokoa amin’ny fijerin’Andriamanitra sy ny fijerin’ny olona nofo satria ny nofo mifantoka amin’ny ety an-tany (1Jao 2:16), tsy mahita lavitra, ny Azy kosa tsy toy izany fa ny asam-pamonjena, hitondrana ny mino any an-danitra ho voninahiny no ifantohany (Mat 16:23; Rom 14:13). Mieritreritra ny olona fa mifantoka aminy ny asa famoronan’Andriamanitra kanefa ny Tenin’Ilay Mpahary dia milaza fa ho an’Ilay Zanany lahitokana izany rehetra izany (Heb 2:10; Kol 1:16)

Mba hahitana ny fiavahan’ny ratsy amin’Andriamanitra sy ny ratsy amin’ny olona io dia hojerentsika ohatra ny fankatoavana ny didy folo izay nomen’Andriamanitra. Nomena ny Israely ny lalàna mba hivelomany amin’izany (Deo 6:24) araka ny voasoratra fa ny hendry noho ny fahatahorana an’I Jehovah (Sal 111:10) dia hahasoa ny tenany ihany (Oha 9:10-12). Eny navahana izy ireo satria avy aminy no hipoiran’Ilay Mesia hahazoan’izao tontolo izao famonjena (Gen 18:18-19) ka mba ho fikolokoloana manokana azy dia nomena azy ny lalàna izay antsoina koa hoe mpitaiza (Gal 3:23-24). Koa satria mifanohitra amin’izany hevitr’Andriamanitra hikolokolo ny Israely izany ny fanozonana azy ireo sy ny ratsy atao aminy, dia tsy nahoan’Andriamanitra ny hampanao ireo zavatra voararan’ireo didy efa nomeny ireo amin’izay manao ratsy manohitra ny Israely, ka hoy Izy tamin’i Abrama “hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” (Gen 12:3).

Arak’izany, tsy voararan’ny didy faha dimy va ny famonoan’olona? Kanefa nahoana Jehovah no naniraka an’i Saoly handringana foko iray manontolo, dia ny Amalekita, efajato taona taorian’ny  otan’iretsy farany (1Sam 15:3). Tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, sy Isaia mpaminany, zanak’i Amoza dia Ilay Anjelin’i Jehovah tenany mihintsy no nirahiny handringana olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy teo an-tobin’ny Asyriana, nandritra ny alina iray monja (2Mpa 19: 32-35). Eny na dia ny olony aza ampihenany ny isany rehefa hampididoza ho azy ireo ny “fandrosoany” (1Tan 21). Tsy famonoan’olona ihany, fa na ny fijangajangana izay voararan’ny didin’Andriamanitra koa aza dia anirahany ny mpanompony rehefa izay no hitany fa mety (hanehoana an-tsary ny faharikorikoan’ny fahotan’ny olony sy ny halehiben’ny famindrapony manoloana izany) mba hamonjena azy ireo (Hos 1:2; 3:1).

Zany hoe: fara-tampony amin’ny fenitra tokony harahin’ny olombelona tsy manana an’Andriamanitra ny didy folo, fa amin’Andriamanitra kosa dia mbola misy didy lehibe noho izany, dia ny hanavotana ireo olona efa nofidiny amin’ny finoana sy fahatokisana tanteraka Azy (2Tim 1:9). Io no mahatonga ny fankatoavana ny lalàna tsy ho antony sy tsy ho antoka hahazoana famonjena (Rom 5:8; 3:20). Tsy tanjona iafarana ny didy fa fitaovana hanatanterahan’Andriamanitra ilay teny nomeny fa amin’ny taranak’i Eva no hivoahan’ilay handresy ny fahavalo (Gal 3:24; Gen 3:15). Midika izany rehetra izany fa na ny didy folo izay azo lazaina ho faratampony amin’ny moraly-n’olombelona ka apetraka ho fitsipika hanavahana ny ratsy amin’ny tsara, dia mbola tsy maha-voafaritra ny Tsara sy ny Ratsy amin’Andriamanitra.

“Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’olona. Fa iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa 40:13). Fa izahay manana ny sain’i Kristy”. [ Na: azy] (1Kor 2:14-16)

“Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.” (Jao 3:8)

Ny fahafantarana izany dia tokony hitondra antsika amin’ny fanetren-tena lalina ka tsy ho azon’ny fahadisoan’izao tontolo izao izay te-hitsara an’Andriamanitra amin’ny fomba fisaina sy fijerin’olombelona. Io moa no hita taratra amin’ny tenin’ny Paoly raha nanazava ny amin’ny tsi-fiankinan’ny safidin’Andriamanitra amin’ny asantsika izy (Rom 9:18-23). Tsy nanome   valiny avy hatrany izy fa kosa nampahatsiaro ny maha-tsinontsinona antsika aloha, mila manaiky fa marina mandrakariva ny fitondran’Andriamanitra na mifanaraka amin’ny fieritreretantsika izany na tsia, avy eo vao nanazava izy ny maha-marina izany fomban’Andriamanitra izany. Toy izany koa no fomba namalian’i Eliho an’i Joba sy ireo namany telo lahy raha toa ka variana nandiso an’i Joba fotsiny iretsy farany, ary lavo tamin’ny fanamarinan-tena loatra Joba ka lasa nilaza fa mitovy ihany ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Nasehon’i Eliho fa tsy voatery hilaza amintsika izay antony amin’ny ataony Andriamanitra, na izany aza anefa dia misy fomba anambarany ny sitrapony amin’ny olona ihany (Job 33:13-30). Arak’izany dia antsoina isika hanaiky tsotra ny fahendrenen’Andriamanitra, na toa miendrika hadalana amintsika aza izany araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe “Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin’izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.” (1Kor 3:18)

 

Ilay ratsy

Tantarain’ny Genesisy toko faha-3 amintsika ny fahalavoan’ny olombelona. Nifototra tamin’ny fitaka nataon’ny Satana (Apo 12:9) izany fahalavoana izany rehefa nihaino ny toro-heviny Adama sy Eva (Gen 3:4-6). Io Satana, izay loharanon’ny fanoherana an’Andriamanitra tety an-tany io dia lazain’i Jesosy fa “mpamono olona hatramin’ny taloha, ary tsy nitoetra tamin’ny marina, satria tsy misy marina aminy.” (Jao 8:44) Araka io tenin’ny Tompo io dia tsy vokatry ny tsy-fahatomombanana teo amin’ny asan’Andriamanitra tsy akory ny fisian’ny Devoly fa kosa satria tsy mba nasiana marina tao aminy, ka nahatonga azy tsy hitoetra tamin’ny anjara fanapahany fa nandao ny fonenany (Jod 1:6) hatrany amboalohany (1Jao 3:8), satria tsy zakan’ny natiora nahariana azy izany. Tsy hoe tsy akory tsy nampoizin’Andriamanitra hanohitra Azy ‘ilay ratsy’ satria niala tsy nanaraka ny namoronany azy, fa kosa tena araka ny namoronany azy mihintsy ny nataony. Hita taratra koa io fahamarinana io tamin’ny niantsoana an’i Jodasy ho ‘zanaky ny fahaverezana’, ary ny antom-pisiany dia ny mba hahatanteraka ny Soratra Masina (Jao 17:12). Ny maha-‘zanaky ny faheverezana’ dia tsy miankina amin’ilay olona akory, fa miankina amin’Ilay nametraka azy ho ‘zanaka’. Tsy izy ihany fa na izao rehetra izao, araka ny Soratra Masina, dia nampanekena ho zava-poana tsy araka ny sitrapony, fa noho Izay nampanaiky, dia Andriamanitra (Rom 8:20), fa ny mampiavaka azy dia miandry fanavaozana iretsy farany (Rom 8:21), fa ilay zanaky ny fahaverezana kosa tsy misy fanantenana ho an’ny fanahiny (Mar 14:21). Mifono fahendrena lalin’Andriamanitra anefa izany na dia tsy takatra aza.

Averiko fa tahaka ireo anjely hafa dia noforonin’Andriamanitra koa Satana ary sahala amin’ny zava-boahary hafa rehetra dia nohariany tao amin’i Kristy sy ho Azy koa izy, eny ao amin’ny Jesosy koa no aharetany (Kol 1:16-17) hanatanteraka ny asa izay efa voatokana hataony ho voninahitr’Andriamanitra (1Mpa 22:19; Job 1:8-12). Ny fiavahan’ity (karazan’) anjely iray ity anefa dia ny tsy fisian’ny marina tao aminy hatrany amboalohany. Io tsy fisian’ny marina tao aminy io dia mampahatsiaro antsika ireo valin-teny tary aloha izay milaza fa ny maizina dia vokatry ny tsy fisian’ny mazava. Noho izany natiorany izany dia tsy nahazaka hitoetra teo amin’ny toeram-boninahitra nametrahana azy izy fa kosa niala hanohitra an’Andriamanitra. Mazava ho azy, tsy nosakanan’Andriamanitra amin’izany izy, satria tafiditra tsara ao amin’ny lamin’Andriamanitra izany (Rom 9:17-18).

Tsara anefa ny mieritreritra fa raha ohatra ka ho lazaina fa efa teo foana ny maizina / ratsy, fa noho ny fisian’ny mazava / tsara dia tsy miseho izany, dia lasa hilaza isika fa misy amin’ny tenany (self-existent) ny maizina / ratsy. Kanefa fantantsika fa Andriamanitra irery no misy amin’ny tenany, tsy nanam-pamorona, tsy nisy niteraka, tsy miova, dia Ilay Voalohany sy Farany (Isa 44:6; 48:12). Ny tantaran’ny loza fahasivy nahazo an’i Egypta dia ohatra ahitantsika fa natao ny aizina, fa tsy nolazaina tao hoe ‘ho maizina’ ny tany, na koa ‘tsy havela hamoaka hazavana ny masoandro’ fa kosa ‘hisy aizina amin’ny tany Egypta’ (Exo 10:21-22). Raha hoy ny Soratra Masina: “Izaho [Izay] mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany” (Isa 45:7)  dia midika fa tsy misy zavatra àry sy misy ka tsy noharin’Andriamanitra, na mitondra loza izany na manome fitahiana, na ho fitaizana na ho fitsarana na ho valim-pitia.

Alohan’ny hijerena ny fahendren’Andriamanitra ao ambadik’izany rehetra izany dia tsara ampahatsiahivina fa rehefa nanaiky tsy handanja ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny feni-pahendren’ny olombelona isika ka hanaiky fa eo am-pelatanan’Andriamanitra feno ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny fisian’ny ratsy aza, dia hanokatra ny saintsika Izy hahafantatra ny heviny. Raha ohatra kosa anefa isika te-hisolovava an’Andriamanitra dia ho-lasa sahala amin’ireo naman’i Joba telo lahy izay nanameloka an’i Joba sy nanamarina an’Andriamanitra kanefa tsy amim-pahalalana ka lasa niantso heloka ho an’ny tenany. (Job 42:7-8)

 

Ilay Fahendrena

Manakona tsy ahitana ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny nampisiana ny ratsy ny hafohin’ny fisainana amin’ny tsy fijererena ny ao amin’ny mandrakizay. Isaorana Andriamanitra fa efa nomeny anjara amin’ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy, ary misantatra izany tamin’ny fandraisana ny Fanahy Masina (Efe 1:14), satria ny Fanahiny no hitarika amin’ny marina rehetra (Joh 16:13). Ndeha àry hojerena vetivety ny fanambaran’Ilay Jesosy :

  • voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao (Apo 13:8),
  • Andriamanitra mbola miasa mandraka ankehitriny (Jao 5:17) na dia nitsahatra tamin’ny andro fahafito nahariana izao tontolo izao aza (Gen 2:1-2),
  • dia Ilay Andriamanitra mihomehy ny ratsy fanahy satria efa mahita ny farany (Sal 37:13),
  • manondrotra ny olon-doza hahazo hery hamaizany ny ratsy fanahy, hanehoany ny voninahiny (Isa 10:5-6),
  • eny miantso ny ratsy fanahy mampahory ny olony ho mpanompo (Jer 25:9)
  • avy eo indray hanitsakitsaka azy ireo, toy ny fanosihosy voaloboka (Isa 63:3, 6; Apo 14:19-20; 19:13-15) !!

Mety ho hafahafa izany rehetra izany, satria manohitra izay ataon’ny olona ho tsara. Eny, tsy vitsy amin’ny mino no mino andriamanitra tsy izy, dia andriamanitra amboariny arakaraka ny famaritany izay hoe tsara sy ratsy. Aza hadino anefa fa isika Loterana dia tsy manompo andriamanitra fantatra sy azo tanteraka, fa kosa manompo Ilay Andriamanitra manambara tena ao amin’i Jesosy Kristy (Heb 1:1-3), ka izay ambarany no fantantsika (Mat 11:27), ary izay tsy fantatra dia raisina ampinoana (1Kor 13:9-12).

Izao àry no fanambarany:

  • efa tia sy namindra fo tamin’ireo olom-bitsy izay efa nofidiny rahateo, eny talohan’ny nahariana izao tontolo izao, araka ny sitrapony Izy (Mat 22:14; Rom 9:13; Efe 1:4; Apo 17:8; 13:8) Izy,
    • dia ireo efa nomen’ny Ray Azy, ary tsy avelany hisy ho very ireo na dia iray akory aza (Jao 6:37-40; 10:27-28; 17:12),
  • na dia handavany ilay firenena efa nofidiny aza izany aloha mba hisokafan’ny famonjena ho an’iretsy voafidy hafa firenena (Rom 11:7-8, 11-12),
  • satria amin’izany no anehoany ny haren’ny fahasoavany amin’ny fanomezany voninahitra ireto fanaka izay voavoatra hosimbana (Rom 9:22).
  • Eny nohidiany tamin’ny fandavana Azy ny olona mba hisehoan’ny famindram-pony amin’izay tsy mendrika izany (Rom 11:7, 32-36).
  • Izany rehetra izany dia mba hisehoan’ny fahendreny tsy hita lany (Eph 3:10; 1Pe 1:12),
    • fa ny fahafatesana no anomezany fiainana (Rom 6:5-11; 1Kor 15:36),
    • ary ny fahalemem-panahy no anomezany fandresena (Mat 11:25-26; Luk 12:32-33).
  • Tsy misy mahasakana Azy amin’izany fitiavany izany (Rom 8:37-39),
    • izay nasehony tamin’ny porofo faratampony dia ny nahafoizany ny ainy ho an’ny fahavalony (Joh 19:28-30; 1Kor 13:4-8).

Efa fahenontsika matetika angamba ny maha-tandindona ny Testamenta Taloha, ary Jesosy no ahafenoan’ny fahatanterahan’izany tandindona izany. Arak’izany, ny famoronana ao amin’ny Genesisy dia sarin’ilay tena famoronana ho avy hataon’ny Tompo amin’ny fiangonany, koa amin’izay fotoana izay dia tsy olona hanana ny endrik’Andriamanitra (Gen 1:27) fotsiny, fa kosa olona tena hiray aina Aminy mihintsy (Gal 2:20; Kol 3:3; 1Kor 6:17; 10:16; 1Jao 1:3; 3:2), tsy hovolavolainy sy hamboariny avy amin’ny vovoka mety lo (Gen 2:7), fa kosa haterany amin’ny Fanahy (Jao 3:6; 1Jao 3:9; 2Kor 5:17). Tsy sabata voafetra intsony fa sabata ho mandrakizay (Heb 4:3-10), dia ilay sabata ho an’ireto taranaka manohitra ny ratsy fa tsy manaiky handevozin’izany (Jak 4:7; 1Pe 5:9; Efe 6:11-13).

Tena tsara tokoa ilay fahariana raketin’ny Genesisy (Gen 1:31), fa mbola tsy tanteraka kosa. Ny hatsarany dia satria feno tao ny ilaina rehetra hahariana ilay ho-tanteraka. Raha tanteraka mantsy ny fahariana tao Edena dia tokony ho tahak’izany no hanavaozana izay ao amin’I Jesosy rehefa avy nosimbain’ny ota, tsy izany anefa no zava-misy fa nohariana ho tsaratsara kokoa ity fahariana vaovao ity (Apo 21:5, 6), izay mifototra amin’ilay Adama faha-roa dia Jesosy Kristy, ity. (1Kor 15:40-50)

Zany hoe, raha fetraina amin’ny fijery ny ety an-tany ny lamin’Andriamanitra dia tsy ho hita ny maha-zava-dehibe ny nahariany ny ratsy. Raha jerena lavidavitra kokoa anefa dia fahendrena lalina no ho hita. Ary amin’izany, io antsoina hoe ratsy io dia ilay ratsy araka ny fenitr’olombelona, fa Tsara kosa amin’Andriamanitra mba haha-tanteraka ilay famoronana ataon’Andriamanitra ao amin’i Kristy. Ny fahatsapana izany dia hanampy mba hahaizana mifaly sy misaotra avy amin’ny fo amin’ny zavatra rehetra araka ny andidian’ny Soratra Masina (Efe 5:20), eny fa na dia ao amin’ny fahoriana aza satria, tsy Satana miasa manangoly no ho hita fa Andriamanitra manatanteraka asa goavana ao amin’ny fiainana araka ny voasoratra hoe: “…izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo.” (1Tes 5:18).

 

Teny Farany

Rom 11:32-36 Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’izy rehetra. Endrey ny halalin’ny haren’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina! [Na: ny haren’ny fahendren’Andriamanitra] Fa iza no nahalala ny sain’i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy? (Isa 40. 13) Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? Fa Izy no nihavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *